Misaona An'i Gustavo Cerati, Ilay Arzantina Malaza Mpiangaly “Rock”, Ny Mozika Any Amerika Latina

GustavoCeratiMadrid

Gustavo Cerati tany Madrid ny 10 Oktobra 2006. Sary an'i Camilo Rueda López. Nahazoana alàlana avy amin'ny Creative Commons Attribution-Share Alike 3.0 avy amin'ny Wikimedia Commons.

Maty tany Arzantina ny 04 Septambra 2014 ilay mpamoron-kira Arzantina Gustavo Cerati. Fantatra teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ilay mpanakanto 55 taona amin'ny maha-mpikambana azy tao amin'ny tarika Soda Stereo (niaraka tamin'i Zeta Bosio sy Charly Alberti), iray amin'ireo mpiangaly malaza indrindra eo amin'ny sehatry ny mozika Latino-Amerikana. 

Nisintaka tamin'ilay tarika izy taty aoriana ka nandeha irery mba hahalavorary ny sangan'asany. Tamin'ny 2009 no nivoaka ny raki-kirany fahenina sady farany, “Fuerza natural” (ny Herin'ny Zavaboary), ary nahazo marim-pankasitrahana “Latin Grammy” telo ny taona manaraka.  

Naraha-maso akaiky ny fahasalaman'i Cerati hatry ny naha-tapaka lalan-drà azy tany Caracas, Venezoela, tamin'ny 2010. Navoakan'ny fianakaviany tao amin'ny Facebook ny fampandrenesana momba ny fahafatesany: 

En el día de la fecha lamentamos compartir con ustedes esta información:
“Comunicamos que hoy, en horas de la mañana, falleció el paciente Gustavo Cerati como consecuencia de un paro respiratorio”.
Dr. Gustavo Barbalace
Director Médico de la Clínica ALCLA”.

Despediremos a Gustavo a partir de las 21hs. en la Legislatura Porteña, Julio Argentino Roca 595, Ciudad Autónoma de Buenos Aires. Les agradecemos el respeto y la consideración con que siempre acompañan a nuestra familia.
Familia Cerati.

Amin'alahelo lehibe no hizaranay aminareo izao vaovao izao ankehitrio:
“Izao dia entina hampahafantarana anareo rehetra fa nindaosin'ny fahafatesana androany vao maraim-be noho ny fijanonan'ny fisefoany ny marary Gustavo Cerati”
Gustavo Barbalace, M.D.
Tale Medikalin'ny Tobim-pitsaboana ALCLA”.

Hanomboka amin'ny 9 ora alina ny fanaovam-beloma farany an'i Gustavo ao amin'ny Legislatura Porteña, Julio Argentino Roca 595, Tanàna mizaka tena ao Buenos Aires. Misaotra anareo rehetra izahay noho ny fanajana sy ny fanomeza-boninahitra nasehonareo ny fianakavianay hatramin'izay.  
Ny fianakaviana  Cerati.

Isan'ireo hira tena nahafantarana azy tao amin'ny Soda Stereo ny “En la ciudad de la furia” (Ao an-tanànan'ny hatezerana), ny “Persiana americana” (Amerikana jamba) ary ny “Nada personal” (Tsy misy zavatra manokana). Ny “Puente” (Tetezana) sy ny “Cosas imposibles” (Ireo zavatra tsy azo atao) kosa no isan'ny vokatra nampalaza azy nandritra ny fandehanany irery.

Nahatsiaro sy nisaona ny fahafatesan'i Cerati ireo mpankafy azy miteny Espaniola tao amin'ny Twitter, amin'ny alàlan'ireto tenifototra ireto: #HastaSiempreCerati (Cerati Hatrany Hatrany), #MeVerásVolver (“Hahita ny fiverenako ianareo”, anaran'ny fampisehoana fiarahan'ny Soda Stereo tamin'ny 2007) ary ny #GraciasTotales (Misaotra tanteraka anao) ho fahatsiarovana ireo teny farany nolazain'ilay mpiangaly mozika ‘rock’ ao amin'ilay hirany “De Música Ligera” (Mozika maivana) ao amin'ilay raki-kira “El Último Concierto” (Ilay Fampisehoana Farany) natao tamin'ny 1997 tany amin'ny Kianjan'i Antonio Vespucio Liberti:          

#Ceratihatranyhatrany. “‘Ndeha handeha moramora isika hifankahita, vovoka ny fotoana eto an-tànako.” Misaotra tanteraka anao!!!                 

Misy hira sasantsasany tsy mety tola. #Ceratihatranyhatrany.

Mampitolagaga ny fitiavana omen'ny mozika antsika. Ankehitriny, mitomany ny tanibe iray manontolo. #MisaotraIndrindraAnao

Dika namboarina avy aminà lahatsoratra navoaka voalohany indrindra tao amin'ny Global Voices amin'ny teny Espaniola ito lahatsoratra ito. 

 Nanampy tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity i Laura Schneider.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.