Fanentanana Tao Bhutan, Manome Kiraro Ho An'Ireo An'arivony Mila Izany

olunteers concentrating on how to recycle the shoes collected during the collection drive. These will soon be sent to corners of Bhutan for distribution. 500 pairs equals 500 smiling faces. Image used with permission.

Ireo mpanao asa an-tsitrapo mifantoka amin'ny fomba no hanomezana aina vao indray ireo kiraro voahangona nandritra ny hetsika fanangonana. Halefa hozaraina any amin'ny tendron'i Bhutan ireo aoriana kely ao. Sary avy amin'i Ampio Hikiraro i Bhutan (Help Shoe Bhutan). Nahazoana alalana ny fampiasàna azy.

Fanentanana iray tao Bhutan, notarihinà mpandraharaha Bhutane, nanangonana kiraro efa niasa ary nanadiovana azy ireny mba hizaràna ireo kiraro ho an'ireo tsy manana fahafahana mividy kiraro tsara. Hatreto dia efa manakaiky ny 1 isan-jaton'ireo mponina ao amin'ny firenena, izay miisa 740.000 no nomen'ny Help Shoe Bhutan kiraro.

Niantomboka niaraka tamin'i Sandeep Gajakas ny tantara, injeniera iray avy any India, izay namorona ny hevitra fanadiovana kiraro. Hitan'i Gajakas fa ny olona sasany tsy manao ezaka mba hanadiovana ny kirarony. Raha miandry ny olona hafa hanao izany ho azy izy ireo, dia ho asa tsara sy maharitra io. Ny taona 2003, nanomboka nanao ny asa voalohany tany India momba ny resaka fanadiovana kiraro sy fanamboarana ny simba izy ho an'ny karazana kiraro rehetra, tao Mumbai. Hatreto, miparitaka aminà tanàna 10 any aminà firenena telo ny orinasany ShoeVival.

I Dawa Drakpa, tanora Bhutane mpandraharaha, no nitondra ny ShoeVival tany Bhutan ny taona 2011. Mitantara ny zavatra niseho taorian'izay i Passang Tshering, Bhutane mpitoraka bilaogy :

Nalefan'ny ray aman-dreniny tany Bangalore [India] izy haka diplaoma-nà BSc momba ny fianarana dokotera mpanampy, fa tamin'ny fahadisoam-panantenan'izy ireo, niverina avy tany Mumbai izy niaraka taminà orinasa fanadiovana kiraro, ary tsy niaraka tamin'ny diplaoma. Tsy mampino, fa izany ny mahagaga amin'ny lahatra. [..]

Tampotampoka teo, novainy ho asa mahate-ho tia ilay nojerena ho ‘asa maloto’ tany aloha.

help shoe bhutanNanoratra tao amin'ny bilaoginy momba ny ady voalohany natao i Dawa Drakpa, sy ny fomba niantombohan'ilay asa sosialy antsoina hoe Help Shoe Bhutan. Nahita kiraro maro be tany amin'ny toerana fanariana fako i Drakpa, ary nieritreritra hoe mbola afaka amboarina ary ampiasaina indray izao ny ampahany betsaka amin'izany. Any ambanivohitr'i Bhutan, mandeha an-tongotra halavirana maromaro tsy mikiraro mendrika azy tsara ireo ankizy maro, mba handeha any an-tsekoly. Tsy mikiraro matetika ireo mpamboly miasa tany, satria tsy manana fahafahana hividy kiraro.

Nanomboka ny volana Septambra 2011 ny hetsika fanangonana kiraro tonta. Amin'iny teny nilazàn'i Drakpa azy:

Nazava ny tanjona-
1. Manangona kiraro tonta betsaka izay tratra.
2. Manome aina vo azy ireny.
3. ary farany, mizara azy amin'ireo olona tsy afaka mividy kiraro mba tsaratsara.

Help-Shoe Bhutan distributes 500 pairs of shoes at Blind school in Merak. Image used with permission.

Nizara kiraro miisa 500 tao Merak ny Help Shoe Bhutan, toerana any amin'ny farany atsinanan'i Bhutan, ao amin'ny Distrikan'i Trashigang. Sary avy tamin'ny Help Shoe Bhutan. Nahazoana alàlana ny fampiasana azy.

Nampahatsiahy i Drakpa hoe maro ireo fikambanana Bhutane, orinasa ary olon-tsotra no tonga mba hanampy ilay ezaka, amin'ny fanomezana fanampiana ara-bola na fanomezan-tanana. Mitentina eo amin'ny Nu.80 (1.30 dolara amerikana) isaky ny kiraro ny fanadiovana sy ny fanamboarana  ny simba, tolotra iray izay ny orinasa Mpanadio Kiraron'i Drakpa no manome azy. Nanjohy izany ny Bhutan Dragons Motorcycle Club, ho toy ny mpiara-miasa amin'ny fitsinjaràna, mba hizara ireo kiraro any amin'ny toerana ambanivohitra mila azy ireny. Notantariny ny fomba niarahan'ireo mpikambana ao aminy nirona taminà diaben'ny fanampiana, tao anatin'ny toetrandro namirifiry sy be zavona, mba hizara ireo kiraro sy fitaovana hafa, tany amin'ny distrikan'i Samtse, tany atsimo andrefan'i Bhutan.

A little girl with a pair of recycled shoes during distribution in Ghasa. Image used with permission.

Ankizivavy kely manao kiraro avy namboarina, nandritra ny fizaràna. Sary avy tamin'ny Help Shoe Bhutan. Nahazoana alalana ny fampiasana azy .

Tamin'ny Martsa 2012 ny fizarana voalohany. Manoratra i Drakpa:

Nanodidina ny tamin'ny 3 ora hariva teo ny ekipa mpizara no tonga tany an-toerana. Ary nanomboka nitsangana nanao filaharana ireo ankizy. Na dia tamin'izany fotoana izany aza aho, tsy nahazo antoka tsara hoe horaisan'ny olona ireo kiraro ireo. […] Nisy karazana kiraro maro – ho an'ny olon-dehibe, ho an'ny ankizy, kapa, baoty, kiraro hoditra ary mitohy ny lisitra. […] Nahazo kiraro miisa 221, voasasa ary nasiam-panamboarana ny Help-Shoe Bhutan.

Tonga tsirairay ireo ankizy hanohatra ny kiraro… Nientanentana be izy ireo, hitanay tsara fa na ny lehibe na ny ankizy, samy efa nifidifidy ny kirarony avokoa, mialohan'ny hahatongavan'ny anjarany hanohatra ny kirarony. Kelikely foana, samy mifandrombaka mankeny amin'ireo kiraro ireo lehibe sy ankizy, ary lasa nitovitovy amin'ny eny amin'ny fivarotana trondro ireny ny endriky ny zava-nitranga. Entina hilazana hoe, voninahitra lehibe izany ho anay ekipa mpizara, .

The signs of joy of getting a pair of shoes to walk during distribution in Zhemgang district, one of the poorest regions in Bhutan. Image by Help Shoe Bhutan & used with permission.

Ny hafaliana nahazo kiraro entina mandeha an-tongotra, nandritra ny fizarana tao amin'ny distrikan'i Zhemgang, iray amin'ireo faritra tena mahantra indrindra any Bhutan. Sary avy tamin'ny Help Shoe Bhutan. Nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Nizara kiraro tany Zhemgang, distrika mahantra indrindra any Bhutan, ihany koa ny ekipan'ny Help Shoe Bhutan. Nampahatsiahy i Drakpa:

Nanao fanamby izahay ny tsy hanasiana olona na dia iray aza miala ao amin'ny efitra ka tsy hahazo kiraro. Nanomboka niaraka tamin'ny fiantsoana anarana araka ny anaran'ny tokatrano ny fizaràna tao Bardo Tshogpa. Nisy tokatrano niisa 68 tany Bardo Gewog. Ary eo ho eo amin'ny olona 300 eo. Hita tao anatin'ny entana fanampiana ny kiraro, akanjo, kilalao, lamba fitafy vaovao, vatomamy, biskoitra sy ny sisa.

Ny fanentanana voalohany, izay naharitra hatramin'ny volana May 2012, dia nizaràna kiraro teo ho eo amin'ny 1.300. Natomboky ny Zanaka Vavin'ny Mpanjaka Chimi Yangzom Wangchuck, ny volana Jiona 2012, ny fanentanana faharoan'ny Help Shoe Bhutan, niaraka tamin'ny drafitra hizarana kiraro miisa 2.000. An-dàlana ny hetsika, miaraka amin'ny fitambaran'isan'ny voazara hatry ny 21 May 2014, mahatratra 5.996.

Distributing partner Bhutan Dragons Motorcycle Club had distributed 742 pairs of shoes in Pemagatshel. Image by Help Shoe Bhutan. Used with permission.

Nizara kiraro miisa 742 tany Pemagatshel, ny Bhutan Dragons Motorcycle Club, mpiara miasa amin'ny fizaràna. Sary avy tamin'ny Help Shoe Bhutan. Nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Inona no manaraka ho an'ilay fanentanana? Araka ny pejy Facebook-ny, mankany amin'ny fianarana ambaratonga faharoa ireo ekipa mba hampianatra ireo mpianatra hoe ahoana ny fanadiovana ary fanamboarana ny kiraro. Manamarika izao ny lahatsoratra tamin'ny 24 Jolay:

Miezaka fotsiny izahay ny hampandray andraikitra ireo mpianatra  mba hikajiany ny kirarony.
Voalaza matetika ny hoe “omeo trondro ny lehilahy iray, hanan-kohanina mandritra ny andro iray izy. Ampianaro ny fomba fanjonoana izy, hanokatra fivarotan-trondro izy ary hamelona ny iray tanàna”

Afaka arahanao ato amin'ny pejy Facebook-ny ny tetikasa.

Happy kids with recycled shoes. Image by Help Shoe Bhutan. Used with permission.

Ankizy falifaly miaraka amin'ny kiraro efa nampiasaina nasiam-panavaozana. Sary avy tamin'ny Help Shoe Bhutan. Nahazoana alalana ny fampiasana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.