Lahatsarin-Jazakely Syriana Avotra Avy Amin'ny Korotam-Baton'ny Trano Ravan'ny Baomba

A screenshot of a YouTube video by Nour Media Center showing the rescue operation

Pikantsary tao amin'ny lahatsary YouTube avy ao amin'ny Foibem-baovao Nour, mampiseho asa vonjy voinaage

Vitsy dia vitsy ny vaovao tsara avy amin'ny ady mamotika an'i Syria amin'izao fotoana izao. Vao tamin'ny herinandro lasa, nanitsy indray ny isan'ireo namoy ny ainy tao anatin'ny ady mihoso-drà eo amin'ireo tafika matoky ny Filoha Bachar Al-Assad sy ireo andia-tafika manohitra ny fitondrany ny Firenena Mikambana ka maherin'ny 191000 ireo namoy ny ainy. Nalahelo ny Kaomisaria Ambonin'ny Firenena mikambana misahana ny Zon'Olombelona, Navi Pillay fa “tsy hisy fiafarany” ny toe-draharaha

Manoloana ny toe-draharaha mahamatroka izao, andeha hiverenana indray ny iray tamin'ireo fotoana vitsy nampitràka an'i Syria tamin'ny taon-dasa. Hoan'ireo izay tsy mino ny zava-mahagaga, ity sombiny iray.

Inty lahatsary mampiseho zazakely Syriana avotra soa aman-tsara rehefa sarona tanteraka tambanin'ny antontam-bato amam-biriky tao an-tranony voadaroky ny baomba barika tao Aleppo, tanàna faharoa lehibe indrindra ao Syria, izay efa nahazo mpijery maherin'ny tapitrisa tao amin'ny kaonty YouTube maromaro.

Nalefan'ny Foiben'ny Media Nour voalohany tamin'ny teny Arabo, nozarain'ny tranokalam-baovao euronews sy ny mpisera YouTube Cometotruth tamin'ny 24 Janoary 2014 ity lahatsarim-pahagagana mampiseho zaza nierem-pahafatesana ity.

Nilatsaka ny vaovao mahafaly herinandro taorian'ny fanavotana azy tamin'ny 29 Janoary 2014. ATJEH CYBER WARRIOR nizara lahatsary ahitana dikan-tsoratra amin'ny teny Anglisy izay mampiseho fa zaza vavikely antsoina hoe Ghina ilay zazakely avotra soa aman-tsara ity :

Ghina is alive again after she was pulled from under the rubble. The warplanes shell the buildings, but human beings and children are the victims. Ghina lost her mother when they were buried under the rubble due to shelling. Ghina was lucky, but her mother wasn't. Now Ghina lives with her father and six siblings in their displaced house that lacks the minimum necessities of life.

Velona soa aman-tsara indray i Ghina rehefa noesorina tao anaty korontan-trano rava. Midaroka baomba amin'ireo tranobe ireo voromby mpiady, saingy ny olombelona sy ny ankizy no lasibatra. Namoy ny reniny i Ghinâ raha tototry ny korontan-trano rava noho ny fipoahan'ny baomba izy ireo. Tsara vintana i Ghina, saingy tsy toy izany kosa ny reniny. Miara-mipetraka amin'ny rainy sy ireo mpiray tampò aminy enina i Ghina ankehitriny ao amin'ny trano nifindran'izy ireo izay tsy mba misy na dia zavatra bitika indrindra ilaina amin'ny andavan'andro akory aza.

Iray amin'ireo ankizy Syriana an'arivony nizaka mafy ny vokatry ny ady an-trano, izay manitsaka ny fahatelo taonany, i Ghina. Maherin'ny 191.000 ireo olona namoy ny ainy tao anatin'ny ady mihoso-drà hifehezana an'i Syria eo amin'ireo tafika matoky ny Filoha Bachar Al-Assad sy ireo andian-tafika manohitra ny fitondrany, izay nijoro nandritra ny fihetsiketsehana Lohataona Arabo manerana ny renim-paritra. Lasibatry ny fipoahan'ny baomba barika i Ghina. Baomba nararaky ny governemanta tao amin'ireo faritra misy sivily na dia nisy aza ny fanamelohana avy amin'ny iraisampirenena.

Te hanampy ireo ankizy ao Syria? Jereo ny lahatsoratray “Children Crisis in Syria” (Krizin'ny Ankizy Ao Syria) [mg=amin'ny teny malagasy] raha te-hahafantatra bebe kokoa momba izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.