Famoretan'ny Mpitondra Ao Makaô Amin'ireo Mpikatroky Ny Demôkrasia Mitaky ny Zo Hifidy Mpitondra

Organizers of Macau civil referendum were detained in the first day on August 24. Voting stations in streets were shut down. People can only cast their votes online. Photo source: All About Macau's Facebook. Non-commercial use

Nosamborina ny 24 Aogositra ireo mpikarakara fitsapankevibahoaka tsy ofisialy, izay andro voalohan'ilay fitsapankevibahoaka. Nakatona ireo toby fifidianana teny an-dàlambe. Anaty aterineto ihany no ahafahan'ny vahoaka mandatsaka ny vatony. Loharanon'ny sary: Facebook-n'ny “All About Macau” (Ireo Rehetra momba an'i Makaô). Tsy azo ampiasaina itadiavam-bola

Nanakatona ireo toby fifidianana ho anà fitsapankevibahoaka tsy ofisialy mikasika ny fifidianana malalaka tena izy ao Makaô, faritra iray manana rafi-pitantanana manokana ao Shina, ireo mpitandro ny filaminana, ary nitàna efatra tamin'ireo mpikarakara ny hetsika nandritra ny ora maromaro tamin'ny herinandro lasa teo.

Nilaza ny Birao ho an'ny Fiarovana ny Angon-drakitra Manokana fa mitsipaka ny lalàm-panorenan'i Makaô, izay fantatra fa Lalàna Fototra, ny fanangonana loharanom-baovao mikasika ny tsirairay ho an'ilay fitsapankevibahoaka, satria tsy misy ifandraisany amin'ny resaka fitsapankevibahoaka izany. Niampanga ireo manam-pahefana ho manao fampiasan-kery misy ambadika politika ireo mpikarakara, izay nanomboka nanao ilay fitsapankevibahoaka vao ora vitsy monja fotsiny talohan'izay, ka nanamarika fa nanome an-tsitrapo ny angon-drakony manokana ireo mpifidy mba hanaovana fanamarinana.

Hifidy ny lehibe mpanatanterakany i Makaô, izay zanatany Pôrtogaly fahiny, ny 31 Aogositra. I Fernando Chui Sai-on no hany kandidà tokana, ilay tompon-toerana teo ihany ka nirotsaka hofidiana indray. Mahazo alàlana hifidy ny kaomity ahitana mpisolo tena miisa 400, avy amin'ny sehatra sosialy sy politika, anatin'izany ny kolontsaina, ny finoana, ny asa, ny varotra sy ny indostria, ary koa ireo solon-tenan'i Beijing. Tsy manan-kambara amin'ny fifidianana ny lehibe mpitarika eo amin'ny tanàna ireo Makaô ambiny manan-jo hifidy, izay miisa 270.000. 

Mba hanehoany ny tsy fahafaliany amin'izao rafitra pôlitika tsy misy fahalalahana izao, nikarakara fitsapankevibahoka ho an'ny daholobe ireo vondron'olom-pirenena telo mpiaro ny demôkrasia, mba hanehoan'ireo ny faniriany hisian'ny fifidianam-bahoaka amin'ny taona 2019, ary ahitàna ny haben'ny fanohanan'ny olona ny firotsahan'i Fernando Chui indray. Tsy tahaka ny tahirin-kevitry ny lalàm-panorenan'i Hong Kong izany, satria tsy misy fampanantenana an-tsoratra ho an'ny fifidianam-bahoaka ny lehibe mpanatanteraka ao amin'ny Lalàna Fototr'i Makaô. Manahy ireo mafana fo mpiaro ny demôkrasia fa mety tsy ho afaka hifidy ny lehiben'ny tanàna na oviana na oviana mihitsy ireo olom-pirenena ao Makaô.

Hatreto, maherin'ny 7.000 ireo olom-pirenena ao Makaô nifidy tamin'ilay fitsapankevibahoaka. Nametraka sehatra ahafahana mifidy anaty aterineto sy toby fifidianana miisa dimy eny an-dàlana, izay misokatra ny 24 Aogositra hatramin'ny 30 Aogositra, ireo mpikarakara.

Nanamafy i Fei Te, mpanoratra isanandro ao amin'ny sehatry ny mediam-bahoaka inmediahk.net, fa tsy nanana alàlana ara-dalàna hanao io famoretana io ny mpitandro filaminana:

但奇怪的是,早前澳門終審法院的判辭已指出,儘管民間公投不具法律效力,但法律並無明文禁止,居民是「可以做」的。由此可見,當局完全是當終審法院的判決「冇到」,或純粹藉拉人嚇一嚇公投負責人或欲參與投票的市民,希望儘可能減低投票人數。

Na dia hafahafa tokoa aza izany, ny didy navoakan'ny Fitsaràna Fampakarana Didy Farany ao Makaô dia nanambara fa, na dia tsy zo voarakitra anatin'ny lalàna aza ny fanaovan'ny olom-pirenena fitsapankevibahoaka, dia tsy mandrara ny fanaovana fitsapankevibahoaka ny lalàna; ‘afaka manao’ izany ireo mponina. Noho izany, tsy nijery io fanapahan-kevitra io ireo manam-pahefana, fa kosa mandrahona ireo mpikarakara sy ireo mety hifidy, mba hanenàna farak'izay kely indrindra vitany ny tahan'ny mpifidy.

Nino i Fei fa matahotra ny governemanta sao hiova ho onja vaovao anà hetsi-panoheram-panjakana ilay fitsapankevibahoaka, taorian’ilay hetsi-panoherana ny “volavolan-dalàna fanangonan-karena”, volavolan-dalàna izay mety nanome tambiny ho an'ireo mpiasam-panjakana ambony aorian'ny ialany eo amin'ny toerany sy manala ny filoham-panjakana amin'ny fanenjikenjehana azy noho ny heloka mandritra ny fotoana iasany. Manodidina ny vahoaka miisa 20.000 — izany hoe 4 isanjaton'ny mponina rehetra eo amin'ny tanàna — no nilatsaka an-dalambe ny volana May 2014, ka nanohitra ilay volavolan-dalàna ary nahavita nanery ny governemanta mba tsy handany izany:

[…] 特區政府對自身的管治已失去信心。其實公投內的問題只是「你是否贊成2019年普選特首」及「你是否信任崔世安成為下屆特首」,市民完全可以選擇「不贊成」及「信任」;一個有自信的候選人,應該真金不怕洪爐火,但明顯有人非常害怕面對投票的結果,擔心會成為「離補法」後又一場的反政府風波。

[…] Tsy manam-pitokisana amin'ny fahefany intsony ny governemantan'i Makaô. Ny tena marina, toy izao fotsiny ireo fanontaniana ao anatin'ilay fitsapankevibahoaka, “Manaiky ve ianao fa tokony hofidiana mivantana ny lehibe mpanatanteraka amin'ny taona 2019,” ary koa “Matoky an'i Chui mba ho mpitarika manaraka eo ve ianao”. Malalaka ny hisafidy “Tsia” na “Eny” arak'izany ireo olona. Tokony tsy hanahy amin'izany ny kandidà mahatoky tena. Kanefa, tsy vonona ny hanaiky ny valin'io ny olona sasany. Matahotra izy ireo fa hitondra any amin'ny fihetsiketsehana hafa manohitra ny fanjakana io, taorian'ilay “volavolan-dalàna fanangonan-karena”.

Nampitaha ireo valiny tanatin'ny fitsapankevibahoaka nataon'ny olom-pirenena tany Hong Kong sy ny tany Makaô i Chou Kwok-ping, manam-pahaizana ary mpiaro ilay fitsapankevibahoaka, ka nanao tsoan-kevitra fa matahotra ny resaka fitsapankevibahoaka foana ireo mpitondra rehetra tohanan'ny rafitra tsy misy fahalalahana. Nanao fihetsiketsehana ireo mafana fo mpiaro ny demôkrasia any Hong Kong nandritra ny fahavaratra manontolo, mba hahazoan'izy ireo ny zo hifidy ireo kandidà ho an'ny fifidianana ny lehibe mpanatanteraka ao amin'ny tanàna amin'ny taona 2017, raha toa ka manindry ny hisian'ny sivana mialoha ataon'ny kaomity amin'izy ireo hatrany i Beijing:

今次公投與香港今年6月舉行的公投一樣,引起建制的鞭撻,原因眾說紛紜: 有的說是北京要避免西方民主理念在港澳地區擴散,有的指希望嚇窒市民、特別是公務員不敢去投票,推低投票數字,影響民間公投的認受性。但有一點肯定的是,中港澳三地的建制派,對「公投」有條件反射式的抗拒: 2007年,台灣民進黨試圖在2008年總統大選,同時舉行公投決定是否加入聯合國。由於決議有台獨色彩,引起中國政府強烈反對,港澳的建制亦步亦趨。自此之後,「公投」成為中港澳建制派的敏感詞。

Nanameloka ny fitsapankevibahoaka ataon'ny olom-pirenena misy any amin'ireo tanàna roa ireo ireo hery mpanohana ny fitondrana avy any Hong Kong sy Makaô. Tsy mitombina tsara ny antony. Milaza ny sasany fa tsy tian'i Beijing hiparitaka ao Hong Kong sy Makaô ireo finoana ara-demôkratika Tandrefana. Ny sasany indray milaza fa tian'ireo ampirisihina tsy hifidy ny vahoaka, indrindra ireo mpiasam-panjakana, ary araka izany, hanena ny tahan'ny mpifidy amin'ny fifidianana hatao. Afaka manimba ny fahamarinan'ilay fitsapankevibahoaka izany. Saingy misy zavatra iray azo antoka: nandà ho azy ny fitsapankevibahoaka ireo hery pôlitika manohana an'i Beijing ao Hong Kong sy Makaô, noho ny tantaran'ireo fitsapankevibahoaka tany Taiwan: ny taona 2007, nanomana ny hanao fitsapankevibahoaka ny “Democratic Progressive Party” (Antoko Demôkratika Liam-pivoarana) any Taiwan, mba hangataka ny fanohanan'ny olona ny hiaraka amin'ny Firenena Mikambana nandritra ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2008. Tokony ahitàna ny fahaleovantenan'i Taiwan ny valin'lay fitsapankevibahoaka, ary nitarika fanoherana mafy avy tamin'i Beijing. Nanaraka ny diany ireo hery pôlitika mpanohana an'i Beijing ao Hong Kong sy Makaô [ary nanameloka ny fitsapankevibahoaka tany Taiwan]. Hatramin'izay, lasa teny mahatohina ho an'i Beijing sy ireo hery pôlitika manohana azy any Hong Kong sy Makaô ny teny hoe “fitsapankevibahoaka”.

Raisin'i Shina ho faritany ka tsy mahaleo tena i Taiwan, izay demôkratika. 

Vao maika hanamafy fotsiny, anefa, ny tsy fahafaliana eo amin'ny lafiny sosialy sy pôlitika noho ny tsy fitovian'ny fizaran'ny harena ao amin'ireo tanàna hilalaovana, ny famoretana ataon'ny mpitandro ny filaminana. Tsy mitsaha-mitombo ny isan'ireo mpanao hetsi-panoherana mandritra ireo famoriam-bahoaka isan-taona amin'ny Fankalazana ny Fetin'ny Asa ny 01 May, ny Fetim-pirenen'i Shina ny 01 Oktobra, ary ny Andron'ny Fampitambarana an'i Makaô ny 20 Desambra, satria mihamaro hatrany ireo olom-pirenena Makaô lasa mino fa ny rafitra demôkratika no vahaolana amin'ny tsy rariny miseho eo amin'ny fiarahamonina.

Tonian-dahatsoratra mpirotsaka an-tsitrapo ho an'ny inmediahk.net i Ronald Yick, izay voatonona matetika ato anatin'ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.