Nampametra-panontaniana Mikasika Ny Fiarovana Ny Kianja Ny Fahafatesan'ilay Mpilalao Mpanafika Kameroney Albert Ebossé Tao Alzeria

Screenshot of Albert Ebossé, 1990-2014, Cameroonian striker for JSK Kabylie

Pikantsarin'i Albert Ebossé, 1990-2014, mpilalao mpanafika Kameroney ao amin'ny ekipa JSK Kabylie

Namoy ny ainy tamin'ny Asabotsy hariva teo ilay mpilalao mpanafika Kameroney Albert Ebossé, avy ao amin'ny ekipa JS Kabylie, rehefa voatoraky ny mpijery taorian'ny faharesen'ny ekipany tao amin'ny firenena manoloana ny ekipa USM Alzeria azy tamin'ny isa (2-1), tamin'ny andro faharoan'ny lalao fifaninanana baolina kitra Alzeriana fiadiana ny ho tompondaka. Taitra tanteraka ireo olona akaikin'ity mpilalao ity sy ny tontolon'ny baolina kitra. Namoy ny ainy tao amin'ny hopitalin'i Tizi Ouzou, ao Kabylie (110 km ao atsinanan'i Alger) ity mpilalao Kameroney 24 taona ity noho ny ratra nahazo azy.
Nahatafiditra baolina tokana azon'ny ekipany i Albert Ebossé ary nampisafoaka ireo mpanohana ny JSK ny faharesena tao an-tanànany. Nanomboka nanipitsipy zavatra ireo mpijery tao amin'ny kianjan'i Tizi Ouzou raha iny hamonjy trano fisoloana akanjo ireo mpilalao, voatoraka tamin'izany ity mpilalao Kameroney ity ary izany no nitarika ny fahafatesany.

Mitantara ny fitrangan'ny loza i Kamel Yelsi, mpiara-milalao aminy ao amin'ny JSK Kabylie :

 

En fait, il a reçu deux projectiles: le premier sur le poignet et le second sur la nuque. Albert n'a pas pu l'esquiver, il a été transporté directement à l'hôpital où ils ont fait tout ce qu'ils ont pu. Je ne sais pas quoi dire. C'est le problème de l'Algérie on va dire. Dans pas mal de stades ils sont tellement passionnés que cela fait peur. Ça devient comme de la haine. Alors les insultes qui fusent, à la limite, on peut faire abstraction. Mais les projectiles c'est plus des blocs que de simples cailloux.

Raha ny marina dia voatoraka indroa izy: ny voalohany teo amin'ny hatotanany ary ny faharoa teo amin'ny hatokany. Tsy afa-nihilana i Albert, noentina avy hatrany tany amin'ny hopitaly izy ka natao ny fomba rehetra namonjena azy. Tsy hitako izay lazaina. Andeha atao hoe olan'ny Alzeria izany. Tao amin'ny toerana maromaro tao an-kianja, nafana fo tokoa izy ireo ka lasa nampatahotra. Nanjary toy ny fankahalana. Raha nitosaka ireo fanevatevana, azo tsy noraharahiana ihany. Saingy bolongam-bato no nitorahan'izy ireo fa tsy mba vatokely tsotsotra .

Teraka tao Douala tamin'ny 6 Oktobra 1989 i Ebossé.

Nanatevin-daharana ny ekipan'i JS Kabylie izy tamin'ny Jolay 2013, naneho ny fihetseham-pony voalohany tamin'ny fandraisana azy tao an-tanàna i Ebossé nandritra ny antsafa niarahana tamin'ny JSK TV. Hoy izy tamin'izany hoe :

Tizi Ouzou est accueillante, sa population est sympathique

Mahay mandray olona i Tizi Ouzou, tia namana ny mponina ao aminy

Tao amin'ny habaka sy ny tambajotra sosialy, nivadika hatezerana ny tsy finoana. Malahelo ny toe-javatra nitarika ny fahafatesany ny bilaogy Kameroney Kamtoo :

Ebossé rêvait de porter un jour le maillot des Lions Indomptables. La bêtise humaine a mis définitivement à ses rêves ce samedi 23 août 2014 sur un terrain de football. Là où il avait multiplié les exploits depuis son arrivée en Kabylie.

Naniry fatratra i Ebossé ny hisalotra ny fanamian'ny ekipam-pirenena Kameroney Lions Indomptables indray andro any. Nofaranan'ny adalan'ny olombelona tao amin'ny kianja filalaovana baolina kitra anefa izany nofinofiny izany androany Asabotsy 23 Aogositra 2014. Toerana izay nahavitany zavatra maro hatramin'ny nahatongavany tao amin'ny ekipan'i Kabylie.

Niampanga ny tsy fahampian'ny fiarovana tao an-kianja ny sasany tao amin'ny twitter :

Nahoana i Alzeria no miandrandra hikarakara CAN kanefa tsy mahavita akory miaro ny kianja keliny mahazaka olona 10 000 #Ebossé

Naneho ny heviny ihany koa ny minisitry ny fanatanjahantena ao Côte d'Ivoire:

Nahoana no avela hiditra miaraka amin'ny fitaovam-piadiana ao anaty kianja ireo mpijery? Herisetra any amin'ny kianjan'i Afrika Avaratra.

Maniry i Olivier Enogo (tao amin'i Julie Owono avy ao amin'ny Global Voices) hahatsiaro saina mba hampandroso ny famahana ity olana ity ireo mpiara-milalao baolina amin'i Ebossé :

Chers amis footballeurs, ç'aurait pu être votre tête à la place de celle d'Ebossé. Qui parlera pour ce jeune homme ? Qui défendra sa mémoire ? Qui osera au sein du football international africain dire intelligemment stop à cette bêtise ? Au lieu de vous battre pour des primes, ces restes que les plus puissants veulent bien vous céder, défendez ce qui vous appartient et qui n’ a pas de prix : votre dignité et celle de ceux qui vous ressemblent. Imaginons juste un jour vous vous refusiez de jouer pendant un temps indéterminé, jusquà ce que la FIFA adopte des règles contraignantes, allant jusqu'à la suspension de l'équipe dont les supporters auraient eu des comportements racistes.

Ry namana mpilalao baolina kitra, mety no lohanareo no voa teo amin'ny toeran'i Ebossé. Iza no handray fitenenana amin'ny anaran'ity tovolahy ity? Iza no hiaro ny fahatsiarovana azy? Iza ao amin'ny Baolina Kitra iraisam-pireena Afrikanina no ho sahy hiteny amim-pahaizana hanohitra ity hadalana ity? Raha ilaozanareo miady tambin-karama, izay ambim-bola mba foin'ireo matanjaka ho anareo, maninona raha miaro izay anananareo sy izay tsy voavidim-bola: ny voninahitrareo sy ny olona mitovy aminareo. Saintsaino raha indray andro any, mandà tsy hilalao mandritra ny fotoana tsy voafetra ianareo, mandram-pandraisan'ny FIFA fepetra henjana, hatrany amin'ny fampiatoana ny ekipa izay manana mpanohana nanao fitondrantena manavakavaka.

Nanome baiko hanokafana fanadihadiana ara-pitsarana momba ity fahafatesana ity ny minisitry ny atitany, araka ny filazan'ny filohan'ny Ligin'ny Baolina Kitra matihanina Mahfoud Kerbadj. Ho fanomezam-boninahitra ity tanora mpilalao ity, indro ny lahatsary mampiseho ireo zavatra tsara vitany :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.