Tsy Manome Lanja Ny bilaogera Ny Rosiana Izay Vao Avy Nankatò Ny Lalàna Mifehy Ny Bilaogera

Alexey Navalny and Dmitry Medvedev are still the most popular bloggers, but RuNet users don't think too highly of them. Images mixed by author.

Mbola anisan'ny bilaogera malaza indrindra i Alexey Navalny sy Dmitry Medvedev, saingy tsy manandratra ambony azy ireo ny mpisera RuNet. Sary namboarin'ny mpanoratra.

Tsy mahafantatra ny fisian'ny lalàna vaovao hoan'ny bilaogera ny ankamaroan'ny Rosiana, ary mihevitra ireo izay tsy mahafantatra izany fa mety ho zavatra tsara izany araka ny fitsapana hevitr'olona natao vao haingana.

Tao amin'ny aterineto fanaovana fitsapa-kevitra hoan'olona maro, nanontany ny Rosiana momba ny fihetsik'izy ireo amin'ny bilaogera sy ny tambajotra sosialy ny FOM (Fikambanana Hevi-bahoaka). Na dia mahazatra ny ankamaroan'ny Rosiana (48% n'ny mponina ankapobeny sy 73% n'ireo mpiserasera aterineto mavitrika) aza ny voambolana “bilaogera”, dia tsy miraharaha loatra ny hasarobidin'ny mibilaogy ny ankamaroan'izy ireo. Ny hevitra tena mibahana dia sady manao zavatra ratsy no manao zavatra tsara ny bilaogera – araka ny filazan'ny ampaha-efatr'ireo efa zatra momba izany bilaogy izany. Anisan'ny bilaogera izay mbola malaza indrindra ao Rosia i Alexey Navalny, ny praiminisitra Dmitry Medvedev, ary ilay andrarezin'ny famoronana Artemy Lebedev.

Lasa lavitra kosa ny Odnoklassniki & Vkontakte izay tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia (jereo ny tabilao), arahin'ny Facebook, Twitter ao anatin'ny 5 voalohany, saingy taraiky kosa ny LiveJournal, fialokalofan'ireo bilaogera miresaka politika izay mahazo isanjato bitika amin'ny fitambaran'ireo mpisera media sosialy.

Social network preferences among Russian Internet users. Screenshot courtesy of fom.ru.

Tambajotra sosialy finidin'ireo mpisera Aterineto Rosiana. Pikantsary avy amin'ny fom.ru.

Nanontany ny Rosiana ihany koa ny FOM mikasika izay fantatr'izy ireo momba ilay lalàna vaovao mifehy ny bilaogera, izay nanankery nanomboka tamin'ny 1 Aogositra 2014. Mbola tsy nahare izany lalàna izany ny atsasak'ireo olona nanaovana fanadihadiana, ary vitsy kosa ny fantatry ny hafa momba izany. Amin'ireo izay efa nahare ilay lalàna indray, ny ankamaroany dia mihevitra fa hevitra tsara izany, mba ho tompon'andraikitra amin'ny zavatra soratany ny bilaogera. Ny mpiseraseran'ny Facebook sy ny Twitter no mahita lafin-javatra ratsy kokoa momba ny lalànan'ny bilaogera noho ireo mpiseraseran'ny tambajotra hafa. Nilaza ny sasany tamin'ireo olona nanasokajy ilay lalàna vaovao ho zava-dratsy fa maneho fanitsakitsahana ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon'Olombelona ireo lalàna vaovao.

Niteraka fanairana teo amin'ny fampitam-baovao tsy miankina sy ny mpiserasera mavitrika ireo ezaka vao haingana nataon'ny Kremlin hamoretana ireo mpiserasera aterineto ao Rosia, saingy toa tsy mahafantatra mihitsy ny loza mety aterak'ireo lalàna vaovao ireo ny ankamaroan'ireo Rosiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.