Niteraka Adihevitra Ny Fiara Kelin'ny Papa Fransoà Tao Korea Atsimo

Pope Francis' Visit, Seoul, South Korea, Image by Korea.net (uploaded and shared by Korea.net's Flickr channel) (CC BY SA 2.0)

Fitsidihan'ny Papa Fransoà tao Seoul, Korea Atsimo. Sary avy amin'ny Korea.net (nampiakarina sy nozarain'ny fantsona Flickr Korea.net) (CC BY SA 2.0).

Nofaranan'ny Papa Fransoà tao Korea Atsimo ny fitsidiham-pitokanana ataony, izay niteraka resabe tamin'ny fampahalalam-baovao ny fomba fisehoan'ity lehiben'ny Katolika ity imasom-bahoaka, anisan'izany ny hoe eveka mandeha amin'ny fiara kely tsotsotra, fa tsy amin'ny fiara berline maharo amin'ny bala.

Nalefa mivantana manerana ny firenena ny sarin'ny Papa ao anatin'ny fiara “Soul” (Fanahy), namboarin'ny Kia ao Korea, ary nitarika tombatombana goavana mikasika ny fomba nisafidianan'ny Papa ity fiara manokana ity. Nanazava avy eo ny komity tompon'andraikitra ny fikarakarana ny fitsidihana fa ny Papa mihitsy no nangataka manokana handeha amin'ny fiara kely indrindra vita ao an-toerana, raha mety.

Nalaza haingana tamin'ny aterineto ny lalao ankamantatra momba ny fiara vaovaon'ny eveka, ka nanontany tena ireo Koreana ao amin'ny Twitter raha noho ny anaran'ny fiara no hitaingainan'i Fransoà ny “Soul” (Fanahy), na angamba satria fampiasa mahazatra  amin'ny fitaterana ireo olona manana fahasembanana ity fiara maodely manokana ity. Naneho ny ahiahiny ny sasany fa tsy ampy ny fiarovan-tenan'ny Papa rehefa mandeha amin'ny fiara mahazatra tahaka itony, saingy ny ankamaroan'ny Koreana nanoratra tao amin'ny media sosialy kosa toa nankafy ilay fanapaha-kevitra nisafidy ilay fiara kelikely.

Ny antony mahatonga an'ny Papa mitaingina ny Soul [Fanahy] dia satria, ao Italia, maro ireo olona manamboatra izany fiara izany hoan'ny olona sembana.

Tena ny Soul marina ve no taingenan'ny Papa. Na dia azoko tsara aza ny antony isafidianany ity fiara kely ity, amin'ny fijeriko, mitodika avy hatrany any amin'ireo mpiambina manodidina azy ny saiko, izay tsy maintsy miontana hatrany isa-minitra.

Nahatonga ahy hihomehy ny sarin'ny papa ao anatin'ny Soul satria toa tsy natao ho azy izany. Mampahatsiahy ahy foana ireo olona manana toerana ambony-manana tombotsoa manokana, olona manambola sy fahefana ny fiara berline mainty  – ary toa toy ny hafahafa tokoa ny mahita an'ny papa tsy ao anatin'iray amin'ireo fiara berline.

Angamba tokoa te-handefa fanambarana an-gazety ny Kia mba hidoka-tena fa ny Kia Soul no fiara nofinidin'ny papa. Saingy tokony ho fantany no antony mahatonga izany: nosafidian'ny papa ny Soul satria izy no anisan'ireo fiara mitsitsy indrindra, ary manome lanja betsaka ireo sahirana ihany koa izy.

Fa seho inona ity- mitaingina Soul [Fanahy] ny Papa ary manaraka azy amin'ny fiara berline raitra ireo mpiambina azy. Zava-baovao ho ahy izany. Toa tahaka ny hafahafa, ary mandritra izany, mampihetsi-po ihany koa.

Mba hitoviana lenta amin'ny papa, mieritreritra hivarotra ny fiarako amin'izao fotoana aho ary hividy Soul [Fanahy].

Raha nilaza ny olona sasany tao amin'ny aterineto fa tsy voalanjalanja ny fitantarana ny vaovao momba ny fitsidihan'ny papa, nilaza kosa ny maro hafa fa taratry ny hetahetan'ny vahoaka tanteraka hanana mpitarika tahaka an'i Fransoà ny lazan'ny Papa.

Ny mahatonga ireo Koreana maro ho liana fatratra amin'ny momba ny papa dia noho izy mampiseho izany hoe tena mpitarika marina mahavita zavatra marobe sy mahasarika olona tokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.