Syriana Iray any Brezila: Tafatafa Niaraka Tamin'i Rami Alhames, Mpiara-miasa Ao Amin'ny Global Voices

The Young Syro-Brasilian Hames family. Photo used with Rami permission

Fianakaviana tanoran'i Hames, Syro-Braziliana. Sary nahazoana alalana avy tamin'i Rami no nampiasaina azy

Mitondra ireo tantara sy sarim-piainan'ny olona ho anao ireo mpanoratra sy mpandika teny miasa an-tsitrapo ho an'ny Global Voices. Fa ny tena mahavariana, samy manana ny tantarany mendrika ny ho tantaraina daholo ireo mpiasa an-tsitrapo ireo.

Iray amin'ireny mpiasa an-tsitrapo ireny i Rami Alhames. Lazainy ao amin'ny mombamomba azy ao amin'ny Global Voices ho Syriana any Brezila izy, nefa misy zavatra maro hafa amin'io mpiara miasa mazoto io. Mahay fiteny maro, manoratra sy mandika teny ho amin'ny Arabo, Angilsy ary Portiogey izy. Manana ny bilaoginy manokana koa izy, ary hita matetika ao amin'ny Twitter. Injeniera ihany koa izy ary ray-nà zaza roalahy kely. 

Niresaka taminy aho tamin'ity lohataona ity, nandritry ny fientanentan'ny Fifaninanana Iraisam-pirenena izay nahazo an'i Brezila.

Global Voices (GV): Mba lazalazao anay fohifohy hoe ny mombamomba anao ary ny hoe ahoana ny nahatonga anao tao amin'ny GV. 

Rami Alhames (RA): Syriana Injeniera amin'ny resaka mekanika aho, izay nipetraka sy niasa taminà firenena efatra tany amin'ny Faritra Afovoany Atsinanana talohan'ny nahavery asa ahy tany Bahrain ny taona 2011, ary voatery niampita ny ranomasimbe niaraka tamin'ny vady Breziliana/ Syriana, izay bevohoka 5 volana, ho any amin'ny firenena lehibe indrindra any Amerika atsimo. Nahafantatra ny GV aho raha nitady tamin'ny google ny anaran'i Amira (mpanoratra sy mpandefa lahatsoratra avy ao MENA) izay namako. Na izany aza, tany Brezila ary nandritra ny fotoana tsy nananako asa, niditra tamin'ny GV amin'ny fiteny Portiogey aho mba hanatsarako ny voambolana Brezilianako, avy eo dia lasa mpanoratra, mpandika teny ary mpanampy amin'ny famoahana lahatsoratra ho any amin'ny GV arabo aho.

GV: Fantatsika fa efa anjato taonany izao no efa niaina finaritra tany Brezila ny Syriana. Toa nitambotsitra anefa izany tao anatin'ny folo taona faramparan'ny taonjato faha 20. Inona no afaka lazainao anay momba ny zavatra niainanao? Ahoana ny mampitovy sy mampiavaka an'i Brezila sy Syria? 

RA: Tonga tany Brezila, ary tany Amerika Atsimo ireo Syriana mpifindra monina voalohany, tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahasivy ambinifolo ary nisy andiany faharoa taorian'ny ady lehibe voalohany. Nantsoina hoe Tiorka izy ireo satria pasipaoro Tiorka. Amin'ny maha vaovao ahy, nihaona tamin'ny taranaka fahatelo tamin'ireo mpifindra monina ireo aho; mirehareha amin'ny fototra niaingany ireo tanora Arabo, fa tsy mahalala kosa ny Arabo izy ireo fa ny anaran-tsakafony ihany. Mety ahitanao vato efa tamin'ny 3000 A.D (taona taorian'ny nahaterahan'i Kristy) any Syria, raha lazaina ho “firenen'ny ho avy” kosa i Brezila, izay tsy ahitànao izany tantara fahiny izany. Firenena tena malalaka be amin'ny zon'olombelona, resaka politika ary ny demokrasia i Brezila. Syria kosa teritery sady manakaiky kokoa ny kolontsainy tatsinanana sy ny fifandraisana eo amin'ny mpianakavy izay ahitanao teny faneva tsy azo ihoarana izay manaraka anao eny foana. 

GV: Raha mpisava làlana namakivaky ny resaka zo sy fahalalahana eo amin'ny Aterineto i Brezila, Syria kosa malaza ratsy amin'ny maha-fahavalo faran'izay ratsy indrindra an'ny Aterineto azy. Araka ny eritreritrao, inona no afaka na mila ataon'ireo Syriana mpikatroka mafana fo mba hamaky izany olana izany? 

RA: Eny, mitarika eo amin'ireo firenena voalohany nametraka fitsipika tsara amin'ny fahalalahan'ny Aterineto i Brezila, ary tsy nivoaka avy tamin'izao fotsiny izany. Nampiseho ny fahaizany mamorona ireo Syriana mpikatroka mafana fo nandritra ny fanovàna (revolisiona) Syriana, fa afaka mbola mianatra bebe kokoa amin'ireo Breziliana mpiaro ny zo izy ireo ny amin'izay fomba hampiasàna ny faharanitan-tsainy ho amin'ny ady atao amin'ny fanaraha-maso ataon'ny fitondràna Syriana, izay nampiasa ny Aterineto hanampenam-bava sy hitazonana ireo mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana. Manohana ny tetika hanoherana tsy misy herisetra ny governemanta amin'ny Aterineto aho, izay tsy hampisy loza eo amin'ny ain'ny vahoaka. Nanoratra lahatsoratra maro ary nilaza fomba fanao tsara momba izany indrindra ny GV.

GV: Inona ny hevitr'ireo Syriana any ampielezana ao Brezila amin'ny zavatra miseho any amin'ny firenena nahaterahany? Mizarazara sahala amin'ireo Syriana ao anatiny ve izy ireo? Misy hetsika karakaraina ve, indrindra rehefa fandefasana ny fanampiana sy ny fitsinjovana ny hafa no resaka? 

RA: Ny tena marina, tena mizarazara tsara ho mpanohitra sy mpomba ny governemantan'i Assad ireo Syriana ao Brezila. Raha mahita olona manohana ny fidarohana baomba ataon'ny governemanta amin'ny anaran'ny hoe ” ady amin'ny fampihorohoroana” ianao, tena vitsy ireo tolotra ho hitan'ny be sy ny maro noho ny tsy fahampian'ny fampahafantarana eo amin'ny haino aman-jery, izay manana ny anjara toerany lehibe mba hitondra ny fampahalalàna eo amin'ny vahoaka. Sady amin'izay indray, maro amin'ireo Breziliana no mieritreritra fa fototra olana tsy mety hifarana ny fifandirana any “Afovoany Atsinanana”, noho izany, tsy dia miraharaha an'izany izy ireo.

GV: Tamin'ity taona ity, toa any amin'ny Brezila daholo ny mason'ny rehetra noho izy nampiantrano ny Fiadiana izay ho tompondakan'ny baolina kitra erantany, sy ny fivoriana NetMundial amin'ny fitantanana ny Aterineto. Inona ny dikan'izany ho an'ny firenena raha araka ny hevitrao? 

RA: Raha azo lazaina ho tombony sy rehareha eo anivon'ny firenena maneran-tany, ho an'ny zon'olombelona sy ny teknolojia, ny NettMundial, tsy nizotra araka ny niheveran'ny governemanta Breziliana azy kosa ny Fiadiana izay ho tompondaka erantany amin'ny baolina kitra. Nanomboka tamin'ireo tetikasa nisy fahataràna, ireo fanorenana nirodana, ary ireo fanoherana an-dalambe izay nanehoan'ny vahoaka ny tsy fanekeny ny kolikoly, izay ezahan'ny governemanta sy ny FIFA afenina ao ambadik'ilay lalao malaza be, izay tahaka ny ivavahana mihintsy any Brezila. Tsy ny Breziliana rehetra no tia loatra ny baolina kitra ka tsy mahita na inona na inona, ary mamela heloka sy manadino ireo elefanta fotsy nentin'ireo mpanao politika mitady harena tsy misy fiafaràny.

Rami speaking during the Cumbre Mundial de Indignados in Mexico in December 2012 an event focusing on popular uprising around the globe

Rami mandray fitenenana nandritra ny Cumbre Mundial de Indignados tany Mexico ny volana Desambra 2012, hetsika miompana bebe kokoa amin'ireo fitroaran'ny olona manerana ny tany tontolo.

GV: Inona ny sasantsasany amin'ireo zavatra tena ankafizinao ?

RA: Tiako izao i Gabriel Garcia Marquez ary ilay “Zato Taona Naha-irery”-ny. Ao anatin'ireo mpanoratra tena ankafiziko koa i Muhammad Al Maghut. Mihaino an'i Fairouz aho ary tia ny mozika tatsinanana tahaka ny itiavako ny jazz -n'i Frank Sinatra. Pizza no sakafo tena ankafiziko ary ny firenena mampalaza azy : Italy no ekipa notohanako tamin'ny Fiadiana tompondaka erantany. Mahita ny tenako mandehandeha ao amin'ny tanin'ny “Seigneur des anneaux” (Mpanjakan'ny Peratra) aho sady mankafy ny tantara an-tsary rehetra mandalo avy ao.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.