Tanora 100 No Mifaninana Hisalotra Ny Mpianatra Mahay Teny Alemana Indrindra Manerantany

Logo der internationalen Deutscholympiade (iDO), Verwendung genehmigt.

Fangon'ny Olaimpiadin'ny Alemana Iraisampirenena, nahazoana alalana.

Tonga tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Frankfurt ny mpifaninana amin'ny Olaimpiadin'ny teny alemana manerana izao tontolo izao tamin'ny 3 Aogositra 2014. Niainga hatrany Afghanistan, New Zealand, Kamerona, Shina, Romania, Iran ary firenena hafa maro izy ireo mba hitsapa ny fahaizan'izy ireo ny teny alemana mandritra ny roa herinandro ao amin'ny Olaimpiadin'ny Teny Alemana Goethe-Institut.

Ny teny faneva amin'ity fifaninanana teny alemana lehibe indrindra manerantany fanao isan-taona izay tontosaina ao Frankfurt am Main tamin'ny 3 ka hatramin'ny 16 aogositra ity dia manao hoe “Manokatra varavarambe (maro) ny [teny] Alemana”. Anelanelan'ny 14 ka hatramin'ny 19 taona ireo mpianatra tokotokony ho 100 avy amin'ny firenena 49 ahitana ny kaontinanta rehetra ireo. Ry zareo ireo no nandresy tamin'ny dingana fifanintsanana nasionaly notontosain'ny Goethe-Instituts any amin'izay firenena ijoroany ary misolo tena ny fireneny amin'ny fifaninanana ao Alemaina. Ny mpampianatra teny alemana an-dry zareo no miara-dalana amin-dry zareo amin'izany.

Ny devoaran'ny mpifaninana dia ny manangana sy manaingo an-tsary gazety iray sy manao fanolorana (mivaofy hevitra am-pitenenana). Ankoatra ny fitsarana ny fahaizan-dry zareo ny teny, dia homen'ny vondrom-pitsara iraisampirenena naoty ihany koa ny fahaizana kolontsaina maro sy ny fahaizana miasa ao anaty ekipa iray.

Tafiditra ao anatin'ny programa ihany koa ny fandehanana an-tongotra mitety tanàna, dia mankany amin'ny mozea, fivoahana ankalamanjana sy fanatanjahantena isan-karazany, ary indrindra ny Jahrmarkt der Kulturen, na ny Foaraben'ny Kolontsaina. Amin'ny fandraisana anjara amin'ny lalao takariva sy fanatrehana lanonana sy rindrankira – ka ao anatin'izany ny tontosain'ny tarika Revolverheld – dia tsy vitan'ny mandalina ny fahaizana teny alemana ihany ry zareo fa mahazo namana maro vaovao ihany koa.

Ny Goethe-Institut dia namoaka tao amin'ny YouTube ity video dingana savaranonando notontosaina tany Romania ity :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.