Soavaly “Trojan” Rosiana Mankany Okraina

Trojan transformers. Images mixed by Kevin Rothrock.

Soavaly “Trojan”. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Fanamarihana mialoha avy amin'ny mpandika lahatsoratra ho amin'ny teny malagasy: Ny soavaly “Trojan” (vakio hoe toroàhianina) izay fantatra amin'ny teny frantsay hoe “cheval de Troie” dia noraisina avy amin'ny tantara nosoratan'ilay Grika mpamerin-teny antsoina hoe Homère gr:Ὅμηρος anisan'ny mpandrafitra ny literatiora sy ny fomba fitenenana sy fandaha-teny tandrefana amin'ny ankapobeny.

Ora vitsivitsy monja taorian'ny fampitandreman'ny OTAN fa mety “mety hitranga” ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina ao ambadiky ny fanomezana fanampiana fifamonjena mahaolona, dia nanambara i Moskoa fa hisy ny iraka alefa any Okraina atsinanana hitondra fanampiana. Niteraka fifanenjanana teo amin'ny faritra ny fanapahan-kevitr'i Rosia, saingy tsy ela taorian'izany dia nanambara ny filoha Okrainiana Poroshenko fa nifampiresaka tamin'ny filoha Obama amin'ilay iraka fifamonjena mahaolona izy, tamin'ny famoahana fa handray anjara amin'izany ny Vokovoko Mena. Rosia—miaraka amin'i Etazonia, Alemaina, ary ny firenenkafa—no handray anjara ao anatin'ny vondrona iraisampirenena hitondra fanampiana ao Luhansk.

Amin'ny fisian'ny vondrom-pirenena maromaro miaradia hamonjy ny vahoaka mijaly ao Luhansk izao, moa va ho mora ny milaza azy ho vaovao tsara?

Indrisy anefa fa tsy misy ny mora pasohana tahaka izany eo amin'i Okraina sy i Rosia. Tamin'ity maraina ity (talata), nilaza i Okraina fa holaviny ny fidiran'ny “convoy” fiarabe miray lalana/miara-dalana miisa 280 avy any Rosia, izay lazaina ho mitondra fanampiana mahaolona anarivony taonina. Miahiahy amin'ny fikasan'i Rosia ny miaramila Okrainiana, milaza fa miandry ny Vokovoko Mena aloha hanamarina ny ao anatin'ireo fiara rehetra ireo.

Ny misiterin'ireto filaharan'ny fiarabe zavontany mizotra mankany amin'ny sisintany Okrainiana ireto no mampitarika ny sain'ny maro ao amin'ny RuNet haminavina izao ao anatin'ireo fiarabe ireo—na izay ahiahian'ny miaramila Okrainiana ho ao anatin'izy ireo. Maro no manondro azy ireo ho mety ho “fanafihana amin'ny alalan'ny soavaly Trojan”—hevitra mivoaka ho azy avy amin'ny fitovitovian'ny voambolana rosiana eo amin'ny miray lalana “convoy” (konvoi) sy ny soavaly (kon’).

Soavaly Trojan 2014: Iraka fifanampiana mahaolona avy any Rosia hoan'i Donbas.

Fanampiana miara-dalana avy any Rosia.

Rosiana mpiserasera malaza amin'ny aterineto Market, fanta-daza amin'ny fanehoany hevitra momba an'i Rosia sy i Okraina sy ny momba ny tsenam-bola, mieritreritra fa lasa fatra-piahiahy tafahoatra ny Tandrefana :

Izao no fahitan'ny Tandrefana ny fanampiana eo amin'ny mahaolona avy any Rosia.

Noho ny fahazoana aingam-panahy avy amin'ny kolontsaim-bahoaka vao haingana, dia nananihany i Andrei Maksimov fa tahaka ny mino ny manampahaizana manokana ao amin'ny miaramilan'i Okraina fa mety afa-mivadika ho milina mpiady ny fiarabe rosiana:

Ding! Ding! Tratran'ny miaramila manampahaizana manokana ao Tymchuk ny hevi-petsin'i Kremlin.

Ny hafa lasa nanamarina any amin'ny hafatra tsy voamarina mivoaka any amin'ny media sosialy rosiana ny porofon'ny tetikadin'ny soavaly “Trojan”. Nanangona sary avy amin'ny pejy iray ao amin'ny VKontakte efa voafafa, nampiseho fiara miaramila voaloko fotsy ny mpisera LiveJournal Andrei Malgin. Namoaka sary miaraka amin'ny hafatra ilay mpiserasera tamin'ny fanoratana hoe “Fanampiana mahaolona hoan'i Donetsk sy Luhansk,” mifanindran-dalana amin'ny sary hafa izay mampiseho mazava ny fisian'ny miaramila ao amin'ny faritra. Tsy porofo tsy azo lavina ireo sary ireo, fa mbola mametraka indray fa sarotra mandray lesona ireo miaramila rosiana amin'ny mahazava-dehibe ny tsy fisehosehoana ao amin'ny media sosialy.

Na dia kely dia kely aza ny mety hisian'ny fanafihana rosiana amin'ny alalan'ireo fiara maro miara-dia mitondra fanampiana mahaolona, ny fifanandrifiam-potoana teo amin'ny fampitandreman'ny OTAN amin'ny fivangongoan'ny tafika rosiana eny an-tsisintany dia efa mihoatra noho ny ampy hanairana sy hanaovan'ny mpiseraseran'ny RuNet karazam-pampihomehezana sy fampitahorana, miainga avy amin'ny tantara grika fahagola ka hatramin'ny kilalao japoney manana endrika fanta-daza amin'ny fahaiza-miady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.