Mibilaogy Momba Ny Fiainana Sy ny Fahafatesana Ao Gaza i Dalia Alnajjar, 20 Taona

Gaza residents clean after an Israeli bombing. Source: Dalia al-Najjar's blog

Mponin'i Gaza manadio ny tanàna taorian'ny daroka baomba Israeliana. Sary: bilaogin'i Dalia Alnajjar

“Ny fanoratana no vatofantsika ampiasaiko hanakana ahy tsy ho rendrika ao anatiko”. Izany no asehoan'i Dalia al-Najjar (20 taona) ao amin'ny bilaoginy, gazetin'ny fiainana ao Gaza. “Nanapa-kevitra aho hanokana ny fiainako hitantara ny fijalianay satria mahatsiaro aho fa tokony hanao zavatra hoan'ireo martiora ny fahavelomako.”

Farafahakeliny, Palestiniana 1900 no namoy ny ainy, maherin'ny 10.000 kosa ireo naratra ary 450.000 no nifindra toerana hatramin'ny daroka baomba mafonja antsoina hoe “sisim-piarovana” nataon'i Israely tamin'ny tetezantany amoron-dranomasina manana halavana 40 kilaometatra tamin'ny 8 Jolay. 

Ny famerana tafahoatra apetrak'i Israely amin'ireo sisintaniny Palestiniana ao Gaza sy Morondrano Andrefana no mahatonga ny ankamaroan'izao tontolo izao sy ny Firenena Mikambana hihevitra fa “bodoin'i” Israely io faritra io. Bemidina miaramila fahatelo nataon'i Israely tao Gaza tao anatin'ny enintaona ity.

Na dia eo aza ny zava-misy mampahonena iainany, dia antsa hoan'ny fiainana ny bilaogin'i Dalia. Miainga amin'ireo fihetseham-po tamin'ny daroka baomba tao amin'ny oniversiteny ka hatramin'ny fanisana ireo vondrona mpanadio hanangana indray ny tanàna avy amin'ny korontana. Voaravaky ny hatsikana mampatahotra, mitondra antsika mankany amin'ny horohoro amin'ny fahitana imaso ireo fipoahana tsy an-kiato manozongozongozona an'i Gaza ireo lahatsoratrany.

I sat on the couch hugging myself, leaning my head against my drawn-up knees watching my siblings sleeping around me. The scary thing about staying alive is that you keep waiting for death, you can hear the voice of the rocket flying over you before it hits its target.. each time I hear the sound, I shut my eyes, my shoulders go up and my neck sinks in, waiting it to blow me to pieces.. after hearing the explosion, I breath saying ”woah that was close!” ..that happened over a hundred times all night long. I can’t describe the panicky, fears and pain I feel, my hair is falling, I’m pretty sure I’ll be wearing a wig after this nightmare, if I survived.

Naka aina nitsotsotra teo ambonin'ny seza lava aho, mitorovoka manankina ny lohako amin'ny ranjoko no sady mijery ireo mpiray tampo amiko matory manodidina ahy. Ny zavatra mampatahotra raha mbola velona dia ny fiandrasanao ny ho faty, mandre ny feon'ireo balafomanga manidina ao amboninao alohan'ny ianjerany any amin'izay kendreny… isaky ny mandre izany feo izany aho, manakipy maso, miakatra ny sandriko ary tery ny tendako, miandry ahy ho potipotika… rehefa avy mandre ny fipoahana, misento aho ary miteny hoe ”eny, tena akaiky izy izany !”… niseho in-jato mahery isak'alina izany. Tsy aiko ny hamaritra ny fahatairana, ny tahotra sy ny fangirifiriana tsapako, mihintsana ny voloko, mino mihitsy aho fa mety hitondra solovolo (perruque) aorian'ity nofiratsy ity, raha velona soamantsara aho.

Mampahafantatra antsika ny fianakaviany sy ireo namana akaiky azy ihany koa i Dalia:

My sister, Sara, was already up. I asked her about the news I missed while sleeping for 3 hours.
”You really don’t want to hear about it”  she said with a sad voice.
”What happened?” I violently asked.
“They targeted our university”
“What, when, how WHY WHY WHY !!” I yelled
”I tried to call Mr. Netanyahu to know why, but  he’s not picking up”

Efa taitra sahady i Sara, rahavaviko. Nanontany azy izay vaovao niseho nandritra ny torimasoko adiny telo aho.
”Tsy te-handre  izany vaovao izany ianao” hoy izy miaraka amin'ny feo malahelo.
”Fa inona no nitranga?” hoy aho nanontany somary mafimafy.
“Nikendry ny oniversitentsika izy ireo”
“Inona a?, oviana, nahoana NAHOANA NAHOANA NAHOANA !!” hoy aho nihiaka
”Niezaka niantso an'Andriamatoa Nétanyahou aho mba hahafantatra ny antony, saingy tsy noraisiny mihitsy ny finday”

Araho ny bilaogin'i Dalia al-Najjar raha hamaky tantara voasoratra tsara momba ny fiainana sy ny fahafatesana ao Gaza, ary hamaky momba ny fitsidihany ny toby fialokalofana vonjimaika hipoka olona nandritra ny fampitsaharana ady 72 ora vaovao noho ny maha-olona teo ambanin'ny volana fenomanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.