Fifampitifirana Nampifindra Toerana Ireo Mponina Tao Arsal

Nipoaka ny fifandonana teo amin'ireo tafika Libaney sy ny mpikomy Islamika ao Arsal, tanàndehibe Libaney ao amin'ny faritra tendrombohitra akaikin'ny sisintany Syriana. Nandritra ny fananiham-bohitra tao Libanona, nahasambotra miaramila 19 ireo mpiady, ahitana mpikomy avy ao amin'ny Fanjakana Islamika izay manjaka ao amin'ny tetezatanin'i Syria sy Irak ary nilaza fa avotsotr'izy ireo ireo miaramila ho takalon'ny famotsorana ireo mpikomy Islamika nogadraina ao amin'ny fonjan'i Libanona, araka ny tati-baovao.

Mponina marobe no nitsoaka ny faritra hatramin'ny nanombohan'ny ady tamin'ny 2 Aogositra, saingy tafahitsoka anaty herisetra kosa ny sasany nandritra ny dimy andro nisian'ny ady.

Farafahakeliny miaramila 17, mpikomy 50 ary sivily maherin'ny 40 no namoy ny ainy araka ny filazan'ny Daily Star.

Taorian'ny fialan'ireo mpikomy sy tamin'ny nidiran'ny tafika Libaney tao an-tanàndehibe tamin'ny 8 Aogositra 2014, nisioka vaovao farany avy ao amin'ny faritra ilay mpanao gazety Kareem Shaheen, nanasongadina ny manjò ireo mponina, anisan'izany ireo Syriana mpialokaloka marobe.

Nilaza tamiko ny dokotera tao Arsal fa sivily 400 no naratra notsaboina tao amin'ny hopitaliny, mpialokaloka ny ankamaroany.

Nilaza ny mpitsabo fa matahotra valifaty sy faneriterena ireo mpialokaloka taorian'ny zava-nitranga tao Arsal.

Mihitsoka ao amin'ny sisintanin'i Libanona ireo mpialokaloka Syriana 2000, satria mihevitra izy ireo fa ny fandehanana any amin'i Assad no tsara kokoa noho ny mijanona ao Arsal. Eritrereto mandritra ny fotoana fohy izany toe-javatra izany

Fianakaviana am-polony no mirohotra miverina ao Arsal amin'izao fotoana izao. Tsy avelan'ny mpiambina miampita ao anefa ny mpanao gazety.

Araka ny filazan'i Shaheen, tsy afaka niverina nody tany an-tranony ireo mponina noho ny antony ara-piarovana

Nalefan'ny tafika Libaney niverina ireo fianakaviana niezaka nody tany an-tranony ao Arsal. Toa tsy mahafehy tanteraka ny faritra ny mpitandro ny filaminana.

Nadim Houry, tale lefitra ao amin'ny Fanarahamason'ny Zon'Olombelona ao Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra nanamarika fa tsy noraharahiana nandritra ny adihevitra mikasika ny zava-mitranga ankehitriny ireo mponina sivily ao amin'ny faritra .

#Lebanon: Ao anatin'ny tontolo manohana ny tafika ankehitriny, tsy dia misy firy ny resaka vokadratsin'ny ady tao Arsal tamin'ny herinandro lasa tamin'ireo sivily mba re tamin'ny fampahalalam-baovao.

Raha ny marina, ny tafika no tena nifantohan'ny resaka antserasera satria naneho ny fanohanany ny tafika manerana ny sehatra media sosialy tamin'ny fanehoana firaisana sy fitsipahana ny fisaraham-bazana ara-pivavahana ny Libaney: nisy ny Fisantaran'andraikitra ho fanohanana ny tafika iray ohatra nanasa ny vahoaka mba hanolotra fanomezana na hirotsaka ho mpilatsaka an-tsitrapo arakaraky ny fahaizan'izy ireo. Nivezivezy tao amin'ny aterineto ny sarin'ireo miaramila namoy ny ainy nandritra ny fifandonana, tahaka ity lahatsoratra avy amin'ny orinasan'ny fifandraisandavitra tao amin'ny Facebook ity. Nampiseho ny faharerahan'ny miaramila mihitsy ohatra ny mpanolotra vaovao ao an-toerana iray raha nanolotra vaovao tamin'ny fahitalavitra.

Tsy iadian-kevitra #AlJadeed pic.twitter.com/bNZZO95k5U

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.