Diso Ambany Loatra Ny Karama Farany Ambany ao Meksika. Mifanaraka Amin'ny Lalàmpanorenana Ve Izany?

Cortesía de http://juantadeo.wordpress.com/

Sombiny amin'ireo entana ao anatin'ny haron-tsakafon'ny fianakaviana amin'ny ankapobeny.  Sary avy amin'i Juan Tadeo.

Arakaraky ny jeografia ny karama farany ambany ao Meksika. Ao amin'ny faritra tondroina hoe “A” (tahaka ny tanànan'i Mexico sy ireo tanàndehibe manamorona ny ranomasina Baja Californie, Nuevo León, ary Sonora), mandray 67,29 pesos (eo amin'ny 5 dolara eo) amin'ny asa 8 ora isan'andro ny olona.

Mpiasa firy ao Meksika no tsy maintsy mivelona amin'izany mari-karama ity? Manana ny valin'izany i Juan Pablo Becerra Acosta mpanoratra gazety:

No pocos ciudadanos. De acuerdo a los datos más recientes del INEGI, 6.7 millones de mexicanos perciben un salario mínimo. Eso representa 15.1 por ciento de la población ocupada en el país.

Misimisy ihany izy ireo. Araka ny tahiry farany indrindra voaangon'ny  INEGI [Ivotoeram-pirenena misahana ny antotanisa sy ny jeografia], Meksikana 6,7 tapitrisa no mandray karama farany ambany. Izay mandrakotra ny 15,1% n'ireo miasa ao amin'ny firenena.

Tsy tafiditra ao anatin'ity antontanisa ity ireo olona miasa tsy ao anatin'ny sehatra ara-dalàna.

Araka ny fehezan-dalàna laharana faha-123 ao amin'ny Lalàmpanorenan'i Meksika, ny karama ambany indrindra ao amin'ny firenena dia tokony mahantoka ara-materialy ny ankohonana, ny filàna ara-tsosialy sy ara-kolontsaina ary ny fianaran'ny ankizy.

Raha ny zava-misy, na dia izany aza, karama farany ambany tahaka ny ahoana no ahafahan'ny mpiasa ao Meksika mivelona andavanandro?

Toa hita fa tsy ampy hividianana hen'omby kalitao antonony iray kilao ny 67,29 pesos, izay eo amin'ny 80 pesos (na 6 dolara) eo ny vidiny. Etsy andaniny kosa, ampy hividianana tortillas [sary] iray kilao, atody iray kilao, ary ronono voadio iray litatra ilay karama – sokajiana fa foto-tsakafon'ny Meksikana ireo rehetra ireo. Na dia afa-po aza ny kibo, dia misy ny vola kely tavela ho amin'ny filàna hafa, tahaka ny fitaterana.

5 pesos ny saran-dalana mandroso fotsiny amin'ny Metro, iray amin'ireo fitaovam-pitaterana mahazatra ao an-drenivohitr'i Meksika. Izay midika fa 10 pesos isan'andro no lany farafahakeliny, eo amin'ny 15 isan-jaton'ny karama [isan'andro] ambany indrindra ao an-tanànan'i Mexico raha handeha hiasa sy hody avy miasa. Raha lazaina amin'ny teny hafa, rehefa tapitra ny tontolo andro niasana karama ambany indrindra, dia tsy mba afaka mividy hamburger iray, frity sy zava-pisotro meksikana antonontonony, izay eo amin'ny 70 pesos (5,26 dolara amerikana) eo ny vidiny.

Establecimientos de comida rápida en México. Foto de http://juantadeo.wordpress.com/

Kianjan'ny sakafo maivana ao Meksika. Sary avy amin'i Juan Tadeo, nahazoan-dalana.

Tsara ny mampitaha ny karama farany ambany ao Meksika amin'ny karama alòa amin'ireo mpiasam-panjakana. Mandray 2.018,70 pesos isam-bolana (eo amin'ny 151 dolara Amerikana eo) ny mpiasam-panjakana antonony. Ny mpiasam-panjakana sasany, tahaka ny lehiben'ny departemanta ao amin'ny National Cancer Institute kosa dia mandray 28.027,09 pesos isam-bolana ( 2 107 dolara Amerikana). Ny filoham-pirenena, Enrique Peña Nieto, kosa mandray 142.117,76 pesos, araka ny loharanom-baovao ofisialy, izay mitovy amin'ny 10 685 dolara  amerikanaisam-bolana.

Mpisera Twitter iray nanao ity fampitahana manaraka ity:

 [Hoy ny vakin'ny fanazavana, ” 65 pesos ny karama 8 ora isan'andro raha 6 dolara any Etazonia mifanandrina amin'ny 10 dolara ny karama isan'ora izay mitovy amin'ny 125 pesos ao Meksika. Saingy rehefa mitaraina ny Meksikana, dia lazaina izy ireo mba tsy hanakorontana ary hiverina hiasa. “]

Vao haingana ilay senatera Meksikana, Alejandra Barrales avy amin'ny Antoko Ankavia Revolisiona Demokratika (Democratic revolution) no nizara ity tahiry manaraka ity :

Nanomboka tamin'ny taona 2000 hatramin'ny 2011 [nandritra ny fitantanan'ny PAN], iray amin'ireo manana karama farany ambany indrindra ao amin'ny firenena Amerikana Latina i Meksika.

Ny fanamarihan'i Barrale dia namaly ireo fitarainan'ny mpanohitra avy amin'ny Antoko Hetsika Nasionaly (National Action) (PAN), izay nijoro ho mpiaro ireo mpiasa nijaly tao Meksika. Naneho hevitra mikasika ny tolo-kevitry ny PAN mba handinihana indray ny tahan'ny karama ny mpisera Twitter Fher Garcia :

Raha te-hanao zavatra mikasika ny karama farany ambany marina ireo mpikambana ao amin'ny PAN, dia tokony hiaina amin'izany aloha.

Raha jerentsika hoe inona no azo amin'ny karaman'olona iray, raha raisina amin'ny voasoratry ny lalàna, ary mifangarika amin'ny karama ambany indrindra tena azo, dia miteraka ahiahy lehibe amin'ny karama farany ambany amin'izao fotoana izao izany ary miteraka fisarasarahana lalina eo amin'ny saranga [samihafa] izay mamely ny fiarahamonin'i Meksika amin'izao fotoana izao, ary angamba manitsakitsaka ny Lalàmpanorenann'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.