Dibo-Drano Ny Tanànan'i Mizia Ao Bolgaria Taorian'ny Tondradrano Lehibe

Collecting food and water with names of the people who help and send aid. (Facebook.)

Tsara vintana i Bolgaria ka tsy tratran'ny fahasimbàna faran'izay ratsy nateraky ny tondradrano nahatsiravina tamin'ny volana May 2014, raha toa ka fahafatesan'olona maro no hita tao Bosnia-Herzegovina, Serbia, ary tany amin'ny faritra hafa, sy faharavam-panànana nitentina Euro an-davitrisa maro. Fa vokatry ny fisian'ny oram-be tamin'ny faran'ny volana jolay anefa , dia miara-mangirifiry amin'ireo tanàna mpifanolo-bodirindrina aminy i  Bolgaria taorian'ilay tondradrano. 

Nandritry ny fotoanan'ny orana voalohany indrindra tamin'ny fiantombohan'ny volana jona, dia tratran'ny tondradrano i Varna, tanàna lehibe fahatelo ao Bolgaria, izay seranan-tsambo stratejika lehibe sy havokavoka ara-toekarena. Olona am-polony maro no namoy ny ainy ary tranobe maro no rava tanteraka, niteraka faharavam-panànana vinavinaina ho Euro an-tapitrisany maro. Nandrava tanàn-dehibe maro hafa koa io tondradrano mahery vaika io, toa an'i Veliko Tarnovo sy Dobric.

Taorian'ny fahavoazan'i Varna, nanatri-maso ny onjanà tondradrano faharoa i Bolgaria, fa ity farany ity no tena nanimba zavatra betsaka raha oharina tamin'ilay voalohany. Olona an-jatony no tsy nanana trano fonenana intsony ao avaratra andrefan'ny tanànan'i Mizia, tondraka ny reniranon'i Skat nohon'ny firotsahan'ny orana tsy nisy fitsaharany. Trano fonenana mihoatra ny 100 no rava na nahitàna fahasimbàna goavana, ka vinavinaina ho Euro an-tapitrisa maro no ilaina amin'ny fanamboarana ny simba rehetra. Namindra toerana mponina maherin'ny 500 ny vondrona miaro ny vahoaka, araka ny tatitra dia 2 no olona maty ary 10 no tsy hita nanjavonana.

Namely tanàn-dehibe iray ahitàna mponina miisa 4,000 ny onjan-drano tafakatra 16-foot (tokony ho 5 metatra) ny haavony. Fara-andro ny tany Mizia. http://t.co/nZ2WUa2tUO Nanome fanampiana ny Helikoptera ‘Cougar’  pic.twitter.com/GyDRVN8mdr

— İnterfree (@gunerih) August 4, 2014

Eny amin'ny vohitra kely iray no misy an'i Mizia, ary misy tohodrano namboarina manodidina ny tanàna. Milaza ireo mponina ao an-toerana fa nihisatra loatra ny fanamboaran'ireo manampahefana ireo mitete tamin'ireny tohodrano ireny — fiampangàna iray izay lavin'ireo manampahefana ao amin'ny fitondram-panjakàna. Naneho ny ahiahiny mikasika ny olana eo amin'ny tsy fahaiza-miasan'ny governemanta amin'ny fandaminana ny ezaka fanampiana ireo niharan'ny tondradrano ihany koa ny mponina ao Mizia, ny biraon'ny vondrona miandraikitra ny fiarovana ny mponina ao amin'ny firenena no mpitantana izany miaraka amin'ny fanampian'ny Vokovoko Mena   Bolgara, ny mpamono afo ao an-toerana, ary ireo olona mirotsaka an-tsitrapo. (Amin'izao fotoana izao, mbola tsy manana governemanta voafidy hitantana ny firenena i Bolgaria, satria nametra-pialàna tamin'ny 23 jolay 2014 ny birao mpitantana teo aloha, ka kabinetra vonjimaika no navelan'izy ireo eo amin'ny toerana mandra-pahatongan'ny fifidianana manaraka.)

Nibitsika sary iray avy eny an'habakabaka ahitàna ny faharavàna nateraky ny tondradrano tao Mizia ny vohikala fampitàm-baovao Bolgara iray :

GALLERY: Fijery avy eny an'habakabaka ny fahavoazana ao Mizia. http://t.co/TDkOFXpfcB pic.twitter.com/SBuOFbs506

— Vevestibg (@vevestibg) August 3, 2014

Namorona vondrona Facebook ny vahoaka Bolgara mba handrindràna ny fanangonana ireo fanampiana rehetra hatolotra ho an'ireo niham-boina tamin'ny tondradrano tao Mizia. “Manangona vaovao mikasika ny zavatra rehetra tena ilain'ny vahoaka ao Mizia ankehitriny ilay vondrona : sakafo sy rano amin'ny tavoahangy”, hoy ireo mpitantana. Nanome teny fanomezan-toky hanolotra mpirotsaka an-tsitrapo, fanampiana vonjy taitra, ary tohana ara-bola ny Vokovoko Mena Bolgara. Nanao hetsika fanentanana hitadiavam-bola ihany koa ny Vokovoko Mena hanangonana fanampiana ara-bola sy ara-pahasalamàna ho an'ireo traboina tamin'ny tondradrano tao Bolgaria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.