Mafy Tsara Ve Ireo Sazy Avy Amin'ny Tandrefana Ho an'i Rosia?

Western sanctions have hit Putin hard, but are they tough enough? Images mixed by Tetyana Lokot. Original image by superputin.ru is licensed under CC BY 3.0.

Nandona mafy an'i Poutine ireo sazy avy amin'ny tandrefana, fa mafy tsara tokoa ve izy ireo? Sary natambatr'i Tetyana Lokot. Ny sary tena izy avy amin'ny superputin.ru dia ambanin'ny lisansa CC BY 3.0.

Mbola namely mafy an'i Rosia tamin'ireo sazy faran'izay henjana ihany ny tandrefana, nilaza fa tena lasa zava-dehibe tokoa ankehitriny ny fitohizan'ny fanampian'i Rosia ireo mpisintaka any atsinanan'i Okraina. Na dia nanapaka samirery ny hanome karazana sazy maro aza ny fiadidiana Obama, iray andro nialoha ny fanafihana ny sidina Malaysia 17, ilay loza an'habakabaka no tena nanosika ireo Eorôpeana handray fanapahan-kevitra mafimafy kokoa. Lasibatr’ ireo karazana sazy vaovao mafimafy kokoa ny mpikambana ao amin'ny governemanta sy ireo orinasa, ny banky, ny teknolojia, ny injenieria, ny fitaovam-padiana, fa mbola lavitry ny kapoka tena mampangirifiry marina an'i Rosia: ny indostrian'ny entona. Tsy mahagaga izany.

Miankina tanteraka amin'i Rosia ireo firenena Eorôpeana amin'ny iray ampahatelon'ny filàny entona; tsy marisika ny hampitondra faisana ny tenany ihany izy ireo. Hisy fiantraikany amin'ny fitrandrahana entona ao Rosia ihany anefa any aoriana any ireo sazy avy amin'ny Vondrona Eorôpeana ireo , noho izy manasazy ny resaka teknolojia amin'ny fizahàna sy fitrandrahana ny entona. Na dia ny sazy ihany aza no hany fitaovana afaka entin'ireo tandrefana mba hampiova hevitra an'i Rosia, manamafy ireo manampahaizana sasany fa mbola malefaka be ireo raha oharina amin'ireo nomena an'i, ohatra hoe, Iran, Korea Avaratra, ary Syria. Tokony atao mafimafy kokoa, hoy izy ireo.

Mety mbola malefaka ireo sazy ireo ka tsy hampiova hevitra an'i Vladimir Poutine. Ny sasany aza moa milaza fa vao mainka hanamafy ny fanjakany ireo, satria ataony izay rehetra afaka ataony, mba hialàny amin'ny tandrefana ary hampiroborobo ny indostrian'ny fireneny. Toy izany indrindra no fijerin'i spydell mpampiasa LJ azy, izay manoratra fa tsara ho an'i Rosia ihany ny farany rehefa tena jerena ireo sazy ireo, satria hamerina ny fitiavan-tanindrazan'ireo sangany izany, hampiroborobo ny indostria nasionaly, ary hanery an'i Rosia hampivelatra ny fiharian-karenany.  nofaranan'i Spydell hoe:

Санкции положительны во всех отношениях и являются мощнейшей дозой стимуляторов для экономики. В краткосрочной перспективе пертурбации возможны, но в долгосрочной перспективе очевиден явно положительный эффект. В некотором роде США и ЕС в последние 4 месяца сделали для России больше полезного, чем российские чиновники за последние несколько лет.

Tsara amin'ny lafiny rehetra ireo sazy ireo, ary fatra matanjaka handrisika ny fampiroboroboana ny toe-karena. Mety hisy fikorontanana eo amin'ny fohy ezaka, fa tsy maintsy hisy vokany tsara ireo eo amin'ny lafiny lavitra ezaka. Raha jerena amin'ny lafiny hafa, nanao zavatra tsara ho an'i Rosia i Etazonia sy ny Vondrona Eorôpeana tato anatin'ny 4 volana noho ny nataon'ireo mpiandraikitra Rosiana hatram'izay taona maro lasa izay.

Tsy ny rehetra no miray hevitra amin'izany. Mieritreritra ny sasany ao amin'ny RuNet fa hiantraika amin'ireo vahoaka Rosiana ny tena fahavoazana fa tsy amin'ireo olona matanjaka eo amin'ny fitondrana akory. Nanoratra tao amin'ny Facebook toy izao i Boris Nemtsov, lehiben'ny mpanohitra :

Общий долг российских банков и компаний 650 млрд долларов. Заплатить в течении года надо 100. Золотовалютные резервы 470 млрд. Заплатят, но ставки по кредитам и инфляция вырастут, а рубль ослабнет.

Зарплаты и пенсии будут заморожены, уровень жизни медленно, но верно начнет падать. За безумную войну заплатит народ, который пока еще рукоплещет “вождю”.

650 lavitrisa dolara ny fitambaran'ny trosan'ireo banky sy ireo orinasa Rosiana. Mila mamerina 100 lavitrisa dolara izy ireo amin'ity taona ity. Misy volamena fiandry mitentina 470 lavitrisa ao. Handoa izy ireo, fa hiakatra koa ny tahan'ny zanabola ary ny fidangan'ny vidim-piainana, ary hihen-danja ny vola rouble.

Tsy hihetsika intsony ny karama sy ny volan'ny mpisotro ronono, ary tsy maintsy hidina na dia handeha tsikelikely aza ny fari-piainana. Hizàka ny vokatr'ity ady maloto ity ireo vahoaka mbola manohy mitehaka ny “mpitondra” amin'izao.

Toy izany koa, nandefa bitsika toy izao i Alexey Navalny:

Toy izao ny dikan'ilay kabarin'i Obama “Ataontsika mihaosa ihany ny toekaren'ireo, izay efa mangozohozo.” Amin'ny farany, miditra amin'ny zavatra tsy azo ialàna i Poutine ary isika rehetra no hizaka ny vokatr'izany rehetra izany.

Ny sasany mbola mahavita mananihany ihany . Nibitsika i @korobkov, milaza ireo tetikasa goavan'ny Sovietika hanao lalàm-by mampitohy an'i Yamal sy i Baikal-Amur, 

Valiantsika amin'ilay asa goavana be ao Yamal sy BAM ireo sazin'i Barak Obama!

Nanosika an'i Olga Romanova haneho hevitra tao amin'ny Facebook, ny tsy naha-tao anaty lisitra ny Sberbank, iray amin'ireo banky lehibe indrindra ao Rosia (na dia fantantsika aza, fa tafiditra tao anatin'ireo karazana sazy maro faramparany ho an'io sehatra io ny Sberbank, ny tena enjana hatramin'izao – GV),

ВТБ, Банк Москвы, Россельхозбанк в списке санкций. Сбера нет. Беспокоюсь за Грефа Г.О. – не объявят ли его теперь пятой колонной?

Ao anatin'ny lisitry ny nahazo sazy ny VTB, Bankin'i Maosko, ary ny Bankin'ny tantsahan'i Rosia. Sberbank anefa tsy ao. Manahy ny amin'ny German Gref [ilay lehiben'ny Sberbank] aho. Ho ataon'ireo ho andry faha dimy ve izy?

Boris Nemtsov, indray, nandray ho zavatra matotra kokoa ny antony tsy naha-tao an'i Sberbank , ary nahita fa fanapahan-kevitra niharo fahamalinana izao. Nanazava tao amin'ny Facebook izy:

Почему американцы ввели санкции против ВТБ и Россельхозбанка, а против Сбера – нет? Причины две: санкции против Сбера, где хранят свои сбережения 70% российских вкладчиков, означают наезд на сбережения миллионов граждан страны. Такие санкции позволят пропагандистам из Кремля все свалить на Америку и настраивают уже через кошельки народ против Запада.

У ВТБ и Россельхоза вкладчиков значительно меньше, а возглавляют их чекист Костин и сын чекиста Патрушева Дмитрий. Это санкции болезненные для Путина и не смертельные для граждан.
Короче, храните деньги в сберегательной кассе!

Nahoana ny Amerikana no nametraka sazy tamin'ny VTB sy ny Bankin'ny tantsahan'i Rosia, fa tsy nanao izany tamin'ny Sberbank? Noho ny antony roa: midika famelezana ny harin-karen'ny olom-pirenena an-tapitrisany ny fanasaziana ny Sberbank, satria ao ny 70 isan-jaton'ireo Rosiana mpametra-bola no mametraka ny tahiriny. Manome vahana ireo mpanao fampielezan-kevitry ny Kremlin izany sazy izany, mba hanomezana tsiny an'i Amerika amin'ny zavatra ratsy mitranga rehetra ary handrisika ny vahoaka hanohitra ny tandrefana amin'ny alalan'ireo mpanjifany.

VTB sy Rosselkhozbank indray dia somary vitsy ny mpametra-bola ao, ary ny lehiben'ireo dia teratany Tcheik [Andrei] Kostin ary zanaka teratany Tcheik, Dmitry Patrushev. Mafy ho an'i Poutine ireo sazy ireo fa kosa tsy mamely loatra ny olom-pirenena. Fehiny, tehirizo any amin'ny bankin'ny fanjakana ny volanao!

Ny fijerin'i Nemtsov hoe “ho mafy amin'i Poutine” ireo sazy ireo, eo ankilany, raha jerena amin'ny valiny sasantsasany anefa, tsy manantena ireo mpampiasa RuNet fa hampiova n'inona na inona ireo sazin'ny tandrefana ireo. Tsy ho azo ovàna hevitra mihintsy i Poutine, ary hijaly ny vahoaka Rosiana amin'ny farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.