Nankafy Ny Mondialy 2014 Tao Brezila? Toa Tsy Faly Kosa Ity Firenena Efa Tompon-daka In-dimy Ity

GermanyChampion

Alemaina, tompon-dakan'ny Mondialy 2014 tao Brezila, taorian'ny lalao famaranana tao Estádio Maracanã. Sary avy amin'i himanisdas tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0).

Raha nampiantrano ny Mondialy tamin'ny volana Jiona 2014 i Brezila, tsy nanatri-maso ny lanonana fanatanjahan-tena malaza indrindra manerantany ihany izy fa niatrika fitroarana ara-tsosialy ihany koa. Manoloana ny fandaniana goavana sy ny zava-bita mahavaky fo nataon'ny ekipam-pirenena, manana ny antony ny Breziliana raha nikorontana.

Nifantoka matetika tamin'ny endriky ny fankalazana nandritra ny lalao mondialy tao Brezila ireo fampahalalam-baovao mahazatra manerantany, kanefa ampahany tamin'ny zava-misy ihany izany. Na dia eo aza ny kolontsaim-pitiavana baolina kitra ao amin'ny firenena, nanjary tetikasa mampifanditra ankehitriny ny fampiantranoana ny Mondialy ao Brezila fa azo sokajiana ho tsy fahaizana mandray andraikitra eo anivon'ny fiarahamonina. Mikasika ny fandanian'ny governemanta no tena manahirana voalohany indrindra. Lafo dia lafo tanteraka ny fikarakarana ny lalao, ary niteraka teritery maro amin-javatra hafa izany ny vola azo tamin'ny fikirakirana. Noho ny fisian'ny Mondialy no niatrehan'i Brezila ny fiakaran'ny fihetsiketsehana, fitokonana ary tsy fananan'asa.

Tamin'ny volana Jiona 2014, niresaka momba ny “hasosorana tamin'ny Mondialy,” ireo bilaogera ao amin'ny The Hill, nanazava ny fahasorenana ankapobeny tao amin'ny firenena izay setrin'ny fitantanana tsy mahomby ataon'ny governemanta:

The cost of new stadiums and the accompanying infrastructure have certainly created jobs, but they have also redirected scarce funds away from such basic needs as education, healthcare and better transit. The $11 billion being spent to prepare for the games is not registering with citizens. More than half of people polled in April said that the games would bring more harm than good. And the Rousseff government's campaign promises of a new social contract have faded almost as quickly as the ebullience of having won the rights to host the Cup itself.

Niteraka asa tokoa ny saran'ireo kianja vaovao sy ny fotodrafitrasa miaraka amin'izany, saingy nanjary nifindra lalana ihany koa ny fanampiana efa kely amin'ny filàna fototra tahaka ny fampianarana, fitsaboana sy ny fanondranana sy fanafarana entana. Tsy nierana tamin'ny olom-pirenena ny vola 11 miliara dolara nolaniana nikarakarana ny lalao mondialy. Nilaza ny atsasa-manila mahery amin'ireo olona nanaovana fanadihadiana tamin'ny volana Aprily fa hitondra zava-doza kokoa ny lalao fa tsy hitondra zavatra tsara. Ary toa nanjavona haingana dia haingana tahaka ny horakora-pifaliana noho ny fahazoana ny fampiatranoana ihany koa ny fampanantenana fifanekena ara-tsosialy vaovao avy amin'ny governemantan'i Rousseff nandritra ny fampielezan-keviny.

Nanoratra tao amin'ny gazety El Pais i Antonio Jiménez Barca fa nanamaloka ny Mondialin'i Brezila ireo fihetsiketsehana, izay mampiseho ny tsy fisian'ny fanohanan'ny vahoaka ilay fifaninanana. Manana olana goavana kokoa ny firenena, hoy izy.

Yo no estoy en contra de la Copa, señor. Pero sí en contra del dinero que se ha empleado en la Copa y que se podrá haber gastado en otras cosas, como salud, educación y transportes.

Tsy manohitra ny Mondialy aho, andriamatoa, fa manohitra ny vola nampiasaina tamin'ny mondialy izay tokony nolaniana tamin'ny zavatra hafa, tahaka ny fahasalamana, ny fampianarana ary ny fitaterana.

Nandany volabe tsitokotsiforohana tokoa i Brezila. Nilaza ny gazetiboky Arzantina iray vao haingana fa nampiasa vola teo amin'ny 12 miliara ny komity mpikarakara ny mondialy tao Brezila, volabe indrindra teo amin'ny tantaran'ny lalao mondialy.

Nunca antes se erogaron tantos billetes para las canchas que albergarán los encuentros de la Copa. [..] Brasil será el eje del mundo durante 30 días. La Copa está en marcha y las sensaciones cambiarán, quizá con los resultados.

Mbola tsy nisy teo aloha izany hoe tapakila marobe nozaraina hoan'ireo toerana izay hampiantrano ny lalao mondialy. Hifantohan'ny sain'izao tontolo izao mandritra ny 30 andro i Brezila. Eo an-dalana ny Mondialy ary hiova ny fihetseham-po, ary angamba hisy ny vokatra.

Nitombo arakaraky ny fandrosoan'ny mondialy ny habe sy ny hamafin'ny fihetsiketsehana, ao ireo fihetsiketsehana goavana indrindra miseho ao amin'ireo tanàna lehibe tahaka an'i Rio de Janeiro, São Paulo, sy Recife. Araka ny filazan'ny gazety El Pais, namely an'i Brezila ireo fihetsiketsehana goavambe nandritra ny lalao, na dia teo aza ny fanapaha-kevitry ny governemanta hanafoana ny fiakaran'ny saran-dalana amin'ny fitateram-bahoaka.

A diferencia del lunes (17 de junio de 2013), cuando en todas las protestas se escuchó un reclamo preciso y concreto en boca de la mayoría, esta vez no surgió ningún elemento unificador, ningún cántico que primara sobre todos los demás. La corrupción, el exceso de gastos en el Mundial de 2014, la educación, la salud… Todas esas cuestiones se reflejaban en las cartulinas de los manifestantes. Pero ninguna reinó sobre la otra.

Tsy tahaka ny tamin'ny Alatsinainy (17 Jiona 2013), raha niray feo naneho ny fitarainany manokana ao anatin'ny fiaraha-mientana ireo mpanao fihetsiketsehana, tsy nisy ny siinga mampiray tamin'ity fihetsiketsehana vaovao ity. Kolikoly, fampianarana, fahasalamana, fandaniana mihoam-papana amin'ny Mondialy – nilanja sorabaventy miresaka izany rehetra izany ireo mpanao fihetsiketsehana. Tsy misy lohahevitra tena nisongadina.

Raha nangina ny toe-draharaha ara-tsosialy taorian'ny fiandohan'ny Mondialy, nifarana tamin'ny faharesena mahamenatra azon'i Brezila manoloana an'i Alemana tamin'ny 8 Jolay ny fialamboly. Nampiasa ny diezy #BrasilEliminado (#BrazilOut) ireo mpiserasera mba hanasongadinana ny faharesena. Ny ampitson'ny faharesena, nitatitra momba ny fitroarana tao São Paulo ilay mpisera Twitter Breziliana Márcio Pinto Santos, ary toa miandry fitroarana ara-tsosialy hafa sahady amin'ny endrika miketrona:

Avelao hanomboka ny fihetsiketsehana … #BrazilOut [rohin-dahatsoratra mankany amin'ny lahatsoratra miresaka fitroarana ao São Paulo.]

Tao Venezoela, nitovy hevitra tamin'izany ireo mpisera Twitter :

Izao no fanombohan'ireo fitroarana ao Brezila. #BrazilOut

Eny tokoa, fihetseham-po tsy mba hoe tsy fahita firy antserasera ny vazivazy ratsy mikasika ny fahamontsanan'i Brezila :

Nilaza izy ireo fa novidiana sy nandòavam-bola ny fandresen'i Brezila tamin'ny Mondialy, kanefa mino aho fa tsy misy fahatsarany ny taratasim-bolan'ny filoha Breziliana Dilma Rousseff. #BrazilOut

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy tamin'ny 11 Jolay, mpanoratra gazety Peroviana Pedro Canelo nanontany hoe, “Tahaka ny ahoana ny andro tsy nahazoan'i Brezila ny Amboaran'ny Mondialy?” Mamaly ny fanontaniana napetrany ihany, nilaza i Canelo fa diso fanantenana i Rio de Janeiro nandritra ny alina, tsy nahitana ilay ambiasiny mahavariana amin'ny fahatsapa-pireharehana fa voadona ny hambom-po. Nijoro vavombelona i Canelo fa tsy nahitana herisetra teny an-dalambe, saingy nahamarika izy fa mety hisy izany fitroarana mbola tsy mipoitra izany :

No hay desmanes, tampoco protestas, solo tristeza y nostalgia en Brasil. Hay que cuidarse igual, caminar seguro por las calles iluminadas y con resguardo, y tampoco salir innecesariamente por la noche. Un dolido hincha brasileño con tragos encima puede reaccionar mal ante la mínima preocupación. Nos despide triste el país más alegre del mundo.

Tsy misy fahatezerana na fihetsiketsehana ao Brezila, fa alahelo sy embonembona fotsiny ihany. Na dia izany aza, tokony ho malina hatrany. Avelao hazava ny arabe sy ny fialokafoana, ary aza mandehandeha tsy amin'antony amin'ny alina. Aorian'ny fiarahana misotrosotro, mety hampanaonao foana amin-javatra tsy misy dikany ny mpanohana an'i Brezila iray tezitra. Manao veloma farany mampahonena hoan'ny firenena miramirana indrindra manerantany izahay.

Raha fiatrehana korontana ara-tsosialy ao anatin'ny fampiantranoana ny Mondialy no resahana, tsy toe-javatra miavaka ny zavatra iainan'i Brezila. Raha nandrombaka mondialy in'enina ny ekipam-pirenen'izy ireo, mety mba hafa indray no fiafarany. Amin'ny lafiny maro, ny Mondialy 2014 no hany fifaninanana baolina fandaka lehibe indrindra, miteraka fitroarana ara-tsosialy ao amin'ireo toerana tsidihany, indrindra ao Amerika Latina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.