Mpiampanga Ny Tsy Mety Avy Ao Amin'ny Tafika Israeliana Manaporitsaka Resaka Fanafihana Valifaty Ataon'ny Tafika Amin'ny Olon-tsotra

Eran Efrati

Eran Efrati

Miaramila fahiny ary serzà tao amin'ny tafika Israeliana i Eran Efrati, 28 taona no lasa mpiampanga. Nosamborin'ny manampahefana izy ary nalaina am-bavany momba ny fikarohana nataony mikasika ny fampiasàna fitaovam-piadiana tsy manaraka ny lalàna ao Gaza.

Ny Talata 29 Jolay, nilaza tao amin'ny Facebook i Efrati fa naharay vaovao avy aminà loharano ao anatin'ny Hery Fiarovana Israeliana (IDF) manambara izay lazainy ho ny tena antony marina amin'ny vonomoka atao ao Shuja'iyya izay nitranga sivy andro talohan”io, ny 20 Jolay, ka nanondroany fa olon-tsotra no nataon'ny miaramila Israeliana ho lasibatra sy novonoina mba ho sazy tamin'ny nahafatesan'ny miaramila tao anatin'ny andian-dry zareo.

 

Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy dia tao amin'ny faritr'i Gaza aho ary nahazo tatitra avy amin'ireo miaramila ao, izay manaporitsaka vaovao ho ahy. Anaty dingan'ny famoahana tantara roa goavana ao anatin'ny gazety Amerikana aho, saingy misy zavatra sasantsasany efa azoko zaraina avy hatrany aminareo dieny izao: nanome vaovao mikasika ny famonoana Palestiniana nataon'ireo mpitily tao amin'ireo tanàna manodidina an'i Shuja'iyya mba ho sazy tamin'ny nahafaty ireo miaramila tao anatin'ny andiny misy azy ireo miaramila ao anatin'ireo andiany roa samihafa ao anatin'ny faritr'i Gaza. Taorian'ny tifitra nahazo ireo fiara mifono vy mpitatitra ny tafika Israeliana, izay nahafaty miaramila fito avy amin'ny Borigady Golani, dia nanao vonomoka tao amin'ny manodidina an'i Shuja'iyya ny tafika Israeliana. Andro iray taorian'ilay vonomoka dia marobe ireo Palestiniana tonga hitady ny havany sy ny ankohonany tany anaty korontam-paharavàna tany. Ao anatin'ny iray amin'ireo lahatsary nakarina ao amin'ny YouTube, Salem Shammaly ilay tovolahy Palestiniana iray teo am-piantsoana ny anaran'ireo havany sady mikaroka any anaty korontan-javatra no voatifitra tampoka teo amin'ny tratrany ary lavo. Segondra vitsy taorian'izay dia mbola nisy tifitra roa fanampiny avy amin'ireo mpitily niantefa teny amin'ny vatany, nahafaty azy teo noho eo. Hatramin'ny nivoahan'ilay lahatsary, tsy nisy valinteny ofisialy avy amin'ny mpitondra tenin'ny IDF (tafika Israeliana) aloha hatreto. Androany dia azoko atao ny mitatitra fa ny baiko ofisialy nalefa ho eny am-pelatanan'ireo miaramila tao Shujaiyya dia ny haka ireo trano Palestiniana hatao ho tobin'ny mpisava làlana. Avy eny amin'ireny toby ireny, namaritra tsipika mena tao an-eritreriny ireo miaramila, ary nanapaka hevitra samirery ny hitifitra ho faty izay rehetra sahy mandingana azy io. Na iza na iza mandingana ilay tsipika dia raisiny daholo ho loza mitatao ho an'ny tobin-dry zareo, ary dia rariny ho azy raha raisiny ho lasibatra. Io no fomba fisainana ofisialy ao anatin'ireo andiany ireo. Nolazaina tamiko fa ny mba hanamaivanan'ireo miaramila ny fikorontanan-tsainy sy ny alahelony tamin'ny namoizany ireo miaramila mpiara-dia taminy (zavatra tsy nosedrain'ny IDF intsony efa an-taona maro nandritry ny hetsika nataony tany amin'ny faritr'i Gaza sy Cisjordanie) no antony iray tsy ofisialy, hamalian-dry zareo izany amin'ireo Palestiniana mpialokaloka tao amin'ny manodidina. Eo ambanin'izay dia mody lazain-dry zareo fa “loza mananontanona ny ain'ireo” miaramila no anatanterahany fanafihana iray efa voaomana mialoha ho valifaty atao amin'ireo olon-tsotra Palestiniana. Manampy isa ireo tantara sasany mitovy aminy izay niarahanay i Amira Hass nanadihady momba ny “Hetsika Firaka Mitsonika” ireny tantara ireny. Efa mihamanakaiky ny isa tamin'ny vonomoka nataony taona 2009 ny isan'ny maty izay tsy mitsahatra ny mitombo.
Maherin'ny 1.100 no maty tao Gaza, 80 isanjato raha kely indrindra no olon-tsotra tamin'ireo. Ankehitriny, nahzoana alàlana ny hamoahana fa raha kely indrindra dia miaramila efatra no matin'ny tifitra bala afomanga tany amin'ny faritra iray fitobiana tao ivelan'i Gaza, ary miaramila iray hafa no maty tao Gaza. Manampy isa ireo miaramila 43 efa namoy ny ainy izy ireo. Fantatsika fa mbola hisy tsy ho ela ny hetsika valifaty hafa hatao ary tena zava-dehibe ny tsy tokony hikombonantsika vava. Fotoana izao handraisana ny arabe sy ny media sosialy. Hitakiana amin'ireo solotenantsika, na aiza ianao na aiza, hampiato ny fanohanana io vonomoka io sy hibodoana avy hatrany ny fanjakan'i Israely mandra-pitsahatr'ity fananiham-bohitra ity, hanalàna ny sàkana ary hanomezana fahalalahana ny Palestiniana. Samy te-ho amin'ny toerana sahaza azy sy amin'ny fotoana mety avy isika rehetra rehefa injay handona ny varavarantsika ny tantara, ary mandòna ny varavaran'i Gaza indrindra ny tantara ankehitriny. Mila manapaka hevitra ianao haka izay lafy tianao haleha ao anatin'ny tantara.

Ankoatry ny fisamborana sy fakàna am-bavany, dia nobahanana ihany koa ny Mailaka sy ny kaontin'i Efrati ao amin'ny Facebook ary toa hoe naharay fandrahonana ho faty izy hikendrena ny hampanginana azy.

 

Tato anatin'ny andro vitsivitsy dia nisambotra sy naka am-bavany ahy ny manampahefana, mikasika ny asa fikarohana nataoko momba ny fampiasàna ireo fitaovam-piadiana tsy manaraka ny lalàna tao Gaza, nobahanana ny mailaka sy ny kaontiko Facebook, Ary naharay torohevitra henjana be aho fa hoe tandindonin-doza ny aiko ka mila mangina sy milamina aho. Saingy tsy mankaiza tsy mankaiza aho. Mety hakaton-dry zareo indray ny fantsom-pifandraisako, saingy tsy midika izany fa hoe tsy eto aho, hahita làlana hatrany aho hampitàna ny vaovao ho any aminareo, ary matoky anareo aho amin'ny fampitàna azy, ento midina eny an'arabe izany. Ary takio amin'ireo solontenanareo, ny governemantanareo ny hampiatoany ny famatsiana io fandripahana amin'ny anaranareo io, bodoy Israely ary atsaharo ny fandatsahan-drà ao Gaza. Mijery anareo izao tontolo izao, an-dalam-panoratana ny tantara.
Matoky anareo aho

Nitranga nandritry ny fifampiifirana henjana teo amin'ny tafiky ny Hamas sy ny miaramila Israeliana ilay vonomoka tao Shuja'iyya. Niafara tamin'ny fahafatesana Palestiniana 72, ka 17 tamin'ireo no ankizy. Niteraka fahafatesana miaramila Israeliana 13 ihany koa io.

Ny Hetsika Firaisankina Iraisam-pirenena no namoaka ilay lahatsary ahitàna ilay Palestiniana naratra notifirin'ny mpitily ary afaka jerena eto ambany. [Tandremo: Maherisetra ity lahatsary ity, ilaina ny fahatsiarovantenan'ny mpijery.].

Nofaritan'ny Amnesty International ho mifanahantsahana amin'ny heloka an'ady ilay vonomoka:

Ny daroka baomba tsy mitsahatra atao amin'ireo tranon'olon-tsotra any amin'ireo faritra maro ao Gaza, hatramin'ny fandarohan'ny Israeliana ny hopitaly iray, dia manampy ny lisitry ny heloka an'ady izay mitaky fanadihadiana tsy miandàny faran'izay maika, hoy ny Amnesty International.

[…]

Nolazain'ny miaramila Israeliana fa natao lasibatra i Shuja’iyyeh, faritra iray be mponina misy eo amin'ny olona 92.000 eo ho eo any atsinanan'i Gaza satria izy no “mànda tsara aro” fitehirizana ireo bala afomanga, misy tonelina ary foibe fibaikoana. Naverimberin'ny tafika Israeliana sy ny manampahefana ao amin'ny governemanta fa efa andro maro talohan'ny nanafihana azy no nilazàna ireo olon-tsotra mba handao ny faritra.

Kanefa, maro ireo olon-tsotra tao Shuja’iyyeh sy ireo faritra hafa no tsy nandao ny toerana satria tsy manana toerana haleha. Feno hipoka ireo sekoly an'ny UNRWA sy ireo fotodrafitrasa hafa nosokafana natao ho toeram-pialofana. Tsy mahafaka ny andraikitry ny tafika Israeliana amin'ny fiarovana ny olon-tsotra manoloana ny lalàna iraisam-pirenena momba ny maha-olombelona akory ny famoahana fiampitandremana mba handaozana ny faritra manontolo.

“Ny zera baomba tsy misy fitsaharany ao Shuja’iyyeh sy ireo faritra sivily hafa ao Gaza, hatramin'ny fandefasana bala afomanga atao an-jambany mankany Israely dia mitaky fandraisana andraikitra faran'izay maika avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena mba hisorohana ny hisian'ny fanitsakitsahana vaovao indray. Tokony hametraka fahirano ho an'ny roa tonta amin'ny resaka fitaovam-piadiana ny Firenena Mikambana, ary tokony haaton'ny firenena rehetra avy hatrany ny fandefasana fitaovam-piadiana mankany Israely, Hamas, sy ireo vondrona Palestiniana hafa mitam-piadiana any amin'ny faritr'i Gaza ,” hoy i Philip Luther.

Medecins Sans Frontieres/Doctors Without Borders dia niampanga ny daroka baomba an-jambany ataon'i Israely :

“Raha toa ny manampahefana manamafy fa ny hamotika ireo tonelina mankany Israely no tanjona amin'ireo fanafihana an-tanety, ny hitantsika kosa eny an-kianja dia zera baomba an-jambany ary olon-tsotra no maty amin'izany,” hoy i Nicolas Palarus, mpandrindra ny tetikasan'ny MSF ao Gaza.

Tamin'ny fotoana nanaoratana ity, nahafatesana Palestiniana maherin'ny 1.650 ary naharatràna efa ho 9.000 ilay lazain'i Israely fa “Hetsika Sisintany Fiarovana”. Telo ambienimpolo ihany koa ny miaramila Israeliana maty, miampy olon-tsotra roa sy teratany Thai iray. Manodidina ny 400 no naratra.

Ilaina ny manamarika fa ankoatry ny maha-mpikambana azy ao amin'ny Anarchists Against the Wall sy ny mpomba ny BDS Boycott from Within, Efrati dia mpikambana ao amin'ny Breaking The Silence (Mamaky Fahanginana), ONG Israeliana ivondronan'ireo miaramila taloha tao amin'ny IDF izay ny tonjony dia “hanaitra ny fahatsiarovantenan'ny olona momba ny zava-misy iainana isanandro any amin'ireo Tany Voabodo.”

Ity ny lahateny iray nataony tao Colorado, ampahany tamin'ilay fihodinana an'i Etazonia nomena anarana hoe The Soldier and the Refusenik (Ilay miaramila sy ny fandàvana fifindrà-monina) niarahany tamin'i Maya Wind volana vitsy lasa izay:

Araho ny fandrakofanay lalindalina kokoa: #Gaza: Mitombo Ny Taham-pahafatesan'ny Olon-tsotra Amin'ny Fanafihan'ny Israeliana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.