Bilaogera Tao Gaza Mibitsika Ny Tantara Mampangitakitaka Nialàny Ireo Fanafihana Fiaramanidina Israeliana Teo Am-piampitàna Ny Sisintany Tao Rafah Ho Any Ejipta

Nalan Al-Sarraj

Sarin'i Nalan Al-Sarraj tao amin'ny Twitter

Nananararaotra ny fampitsaharana fifandonana teo amin'i Israely sy ny Hamas, andian'olona nisy Palestiniana 70 teo ho eo no nandositra niala ny tranony ary niezaka ny ho any Ejpta niampita ny sisintany tao Rafah ary tsy nahita afa-tsy ny hoe nikatona sy tsy nisy olona tao. Efa fotoana vitsivitsy ilay andian'olona no voafandrika teo anelanelan'i Ejipta sy Gaza mandra-pamohan'i Ejipta ny sisintany.

“Nanomboka nivavaka izahay no sady nitomany niomana ny ho faty amin'ny fotoana rehetra”

Tao anatin'ireo izay niezaka ny handositra i Nalan Al Sarraj, 23 taona, bilaogera namako, izay nibitsika hatrany mikasika ny zavatra niainany tao Gaza hatramin'ny nanombohan'i Israely fanafihana iray hafa, telo herinandro lasa izao. Zanaka vavin'ny teratany Libiana iray, ny reniny ary izy no samy nanantena ny ho any Ejipta niaraka taminà teratany vahiny hafa.

Tamin'ny resany tamin'i  Dan Cohen avy amin'ny Mondoweiss sy Lia Tarachansky avy amin'ny The Real News Network, nofariparitany toy izao ny toe-draharaha :

Mampivarahontsana ny toe-draharaha misy eto. Olona maherin'ny 70 izahay, zaza amam-behivavy no betsaka, ary manana pasipaoro vahiny ny ankamaroany, Ejiptiana ny antsasany. Tsinjoko ny setroka sy afo, ary hitanay ireo fipoahana tena akaiky ny toerana misy anay. Nambaran'i Israely ho faritra mihidy i Rafah ka noho izany na ny hivoaka io toerana io aza tsy azonay atao akory.

Nanomboka nanao daroka baomba mavesatra tao Rafah ny tafika Israeliana, nataony lasibatra hatramin'ny hopitaly, 90 minitra taorian'ny nanombohan'ilay fampitsaharana poa-basy 72 ora noho ny maha-olona tao Gaza. Palestiniana fitopolo no maty ary an-jatony hafa no naratra tao Rafah, nampitombo ny isan'ny maty tao Gaza hanakaiky ny 1511, ankizy ny 330 tamin'ireo.

Ireto manaraka ireto ny bitsika nalefany vantany vao tonga tao amin'ny sisintany Ejiptiana izy sy ny reniny ary ny rahavaviny sy namana iray:

Ny zava-doza nampivarahontsana indrindra teo amin'ny fiainako no niainako androany

Niainga aho handositra ho any Ejpta niaraka tamin'ny reniko (teratany vahiny) sy @KayanAlSarraj ary @deemamesha ary voafandrika teo anelanelany ! #gaza

Tena faran'izay akaiky ny fielezan'ny rivotra voapoizina sy ny zera baomba, nanomboka nivavaka no sady nitomany izahay niomana ny ho faty amin'ny fotoana rehetra

Tsy nahazo tambajotran-tserasera intsony izahay, faritra midadasika anelanelan'ireo vavahady roa Palestiniana sy Ejiptiana #gaza

Sisintany Ejiptiana nakatona noho ny fanafihana totoafo nataon'ny Israeliana tao amin'ny faritra ary mampidi-doza ny hamakivaky an'i rafah handeha hiverina indray any #gaza

Voafandrika teo ambanin'ny tifitra sy ny fanafihana an'habakabaka izahay. Teo amin'ny 120 teo no mpiara-dia. Vahiny ny ankamaroany. Nikiakiaka nitady vonjy nandritry ny tontolo andro

Androany aho mangataka izao tontolo izao hanohitra io rafitra tsy manaja ny maha-olona io. Angatahako ianareo mba hijery ny maha-olona anareo ary hanakana an'i #Israel . #gaza

Nandritra izany rehetra izany, tsy maintsy nanao tongotra an-katoka izahay nivoaka ny sisintany Palestiiana satria naharay antso izahay fa mety ho lasibatra amin'ny fotoana rehetra io

Nihazakazaka nitomany no sady nitrotro izay ankizy azo avotana izahay. Marobe namonjy ny sisintany Ejiptiana. Hita namonjy namoaka anay ry zareo

Ny zava-mahatsiravina niainanay ! Tonganay hatrany amin'ny teboka hoe niara-nivavaka niomana ho tratry ny fanafihana an-habakabaka manaraka

Nandalo tamin'izay nodiavin'i al sheja'a sy khoza'a i Rafah ! Vonomoka. Tsy ampy andro iray akory, naherin'ny 100 ireo maritiora  #gaza

Soa ihany, mba afaka mahita fitsaharana kely i Nalan izao, fiadanana izay tsy ny maro amin'ireo Gazaiana no afaka hahazo azy.

Novohan'ny Ejiptiana ihany ny sisintanin-dry zareo nony farany. Ao amin'ny efitrano malalaky ny vavahadin-tsisintaniny izahay no hatory anio alina. Ho voaaro kokoa noho ny tany amin'ny nisy anay.

Hatramin'ny 8 Jolay nanombohan'i Israely ilay fanafihana goavana namelezany ilay faritra mirefy 40 kilometatra ao Gaza, maherin'ny 6.780 no naratra. Nodarohan'i Israely baomba ny sekoly, toeram-pilalaovana, hopitaly, toby sy toeram-pialofana, nitondra nankany amin'ny taham-pahafatesan'olon-tsotra hatrany amin'ny 75%. Ny 28 Jolay, nodarohan'i Israely ilay hany toby mpamatsy herinaratra tao Gaza, nahatonga ireo olona 1,8 tapitrisa monina ao hiaina anaty haizina. Satria darohan'ny tafika Israeliana ireo toeram-ponenana manodidina, an'aliny ireo nanjary tsy nanan-trano hipetrahana ary voatery nialokaloka anaty toeram-pialofana tsizarizary.

Io no fanafihana fanintelony nataon'ny tafika Israeliana tao Gaza tao anatin'ny 6 taona. Ny faneriterena tafahoatra ataon'i Israely amin'ny faritra Palestiniana ao Gaza no antony mahatonga izao tontolo izao sy ny Firenena Mikambana hanondro io zara-tany io ho “faritra bodoin’” i Israely

Araho ny fandrakofanay lalindalina kokoa: #Gaza: Mitombo Ny Taham-pahafatesan'ny Olon-tsotra Amin'ny Fanafihan'ny Israeliana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.