Misoroka Ny Fanafihan'ireo Elefanta Mpirenireny Amin'ny Alalan'ny Vaovao Alefa Amin'ny TV sy Hafatra An-tsoratra Ireo Siantifika Indiana

Wild elephant destroys residential houses in Dimapur. Image by Caiisi Mao. Copyright Demotix (21/6/2012)

Elefanta mpirenireny manimba ny tranon'ireo mponina ao Dimapur. Sary avy amin'i Caisii Mao. Zon'ny mpamorona Demotix (21/6/2012)

Olona an-jatony vitsivitsy no mamoy ny ainy isan-taona ao India noho ny fanafihan'ireo elefanta mpirenireny satria atosika ao amina toerana kely kokoa ireo biby mba honina ao. Nahita fomba vaovao hamahana ny ady eo amin'ny olombelona sy ny elefanta ao Valparai, Tamil Nadu, ao India ilay Siantifika Anand Kumar sy mpikaroka Ganesh Raghunathan ao amin'ny Fikambanana Fitehirizana ny Zavaboahary  (NCF).

Nanangana tambajotram-baovao momba ny elefanta izy ireo izay ahafahan'ny olona mahafantatra ny fotoana sy ny toerana misy ny elefanta, amin'ny alalan'ny fampiasana fantsona sy finday ao amin'ny faritra. Manaramaso ireo elefanta mandritra ny andro ny ekipa vitsivitsy ary manome vaovao momba ireo toerana alehan'ny elefanta ao amin'ny fantsona fahitalavitra ao amin'ny faritra.

Aseho amin'ny endrika vaovao misesy ao amin'ny fahitalavitra ao amin'ny faritra ireo vaovao isan'andro aorian'ny 4 ora hariva miaraka amin'ny rafitra fanairana haingana isan-karazany mba hanairana ny olona mikasika ny fisian'ny elefanta. Manana raki-tahiry misy ireo mponina eo amin'ny 2500 eo ao amin'ny faritra ny fikambanana ary alefa hoan'ireo olona ao anatin'ny 2 kilaometatra misy ny elefanta ny hafatra an-tsoratra. Nametraka fitaovana (haingo) ao amin'ireo toerana 22 izay misy jiro mena LED mitaratra ihany koa izy ireo mba hanakanana ireo elefanta. Mila mandefa antso tsy raisina (appel manqué) fotsiny ny olona iray mba handefasana ity famantarana ara-maso (hazavana) ity.

Bilaogera Deponti nanamarika hoe:

The co-existence and the conflict are two parts of the same coin.

Ambadika sy ambadika ao amin'ny vola vy iray ny fiaraha-miaina sy ny fifandirana.

 Ao amin'ity lahatsary ity ilay mpanatontosa sarimihetsika malaza Saravanakumarao dia nifantoka tamin'ireo fepetra entina hanampiana hahamora mikirakira teknolojia ho sahaza ny ao an-tampoketsan'i Valparai:

Varun Alagar, mpaneho hevitra ao amin'ny lahatsary YouTube video, nilaza hoe:

This indeed has inspired many people, such great measures are welcome in most vulnerable places, involving conflicts. Please keep up this good work, and may there be co existence in a journey rather than a destination.

Nanome aingam-panahy olona maro tokoa izany, ilaina ao amin'ireo toerana marefo indrindra, mety hiharan'ny ady ny fepetra tsara tahaka izao. Mba tohizo ny asa tsara tahaka izao, ary enga anie mba hisy ny fahaizana miara-miaina amin'ny fivezivezena mihoatra noho ny any amin'ny toerana iray aleha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.