[Tandremo: Maherisetra] Lahatsary Avy Ao Gaza Mitatitra Ny Namonoan'ny Tifitra Bala Afomanga Israeliana An'i Ramy Ryan, Mpanao Gazety

Nivoaka ety anaty aterineto ny lahatsary iray mampiseho ny daroka nataon'ny Israeliana avy eny an-habakabaka ka nahafaty an'i Ramy Ryan, mpanao gazety tao Gaza sy ny fanafihana natao ny fiara iray mpamonjy voina niaraka tamin'ireo mpiasa mpanao famonjena. Tandremo: Tena maherisetra be ity lahatsary maharitra 6 minitra ity, ilaina araka izany ny fahatsiarovan-tenan'ny mpijery.

Mampiseho fiara roa mpamonjy voina tonga malaky teo amin'ny toerana nitrangan'ny antambo ilay lahatsary nakarin'i  Abu Shaar ho ao amin'ny YouTube, toerana nahitàna an'i Ramy Ryan nanangona vaovao momba ny zava-misy. Eo amin'ny 15 segondra ao anatin'ilay lahatsary, nahavoa ilay fiara ny bala afomanga voalohany. Efatra ambinifolo segondra taorian'izay ny daroka bala afomanga faharoa.

Mandritry ny segondra maromaro, ny hany hitantsika dia setroka sy mponina miantso vonjy, “Ya Allah” (Andriamanitra ò) narahan'ny “Allahu Akbar” (Lehibe Andriamanitra) sy ny “La Ilaha Illa Allah” izay samy hiakan'ny very fanahy avokoa.

Eo amin'ny 0:40 segondra , ny daroka fahatelo. 0:55, daroka faha-efatra. 1:09, ny fahadimy. Mitsangana ilay mpaka sary ary hitantsika ireo olona ampolony mitsirara amin'ny tany, toa maratra sy miezaka ny mandositra manatona rindrina daholo mba hahita fialofana. 1:20, ny daroka faha-enina. 1:32, ny faha-fito. 1:47, ny faha-valo. 1:57, ny faha-sivy. Eo amin'ny 2:00 mikisaka indray ilay mpaka sary ary mandady mankeny amin'ireo lehilahy maratra eo ankaviany. 2:07, ny daroka faha-folo. 2:20, mikisaka ny mpaka sary hankeo aminà lehilahy iray naratra izay mikiaka ny hoe “Ya Allah, Ya Mohammad”. Eo amin'ny 2:40, azony sary ny lehilahy iray hafa tsy mahatsiaro tena na maty. Eo amin'ny 2:50, miafina miaraka aminà andian-dehilahy maratra izy. Hoy ilay lahy antitra eo amin'ny 3:00 “Tsy vitako, tsy vitako.” no sady mandringa. Eo amin'ny 3:27, rentsika ny bala afomanga iray hafa.

Ao amin'ny 3:50, hitantsika eo amin'ny tany i Ramy Ryan, mitsirara anaty rà mamonto ny tany. Maty izy. Lehilahy iray no miteny amintsika hoe “Jereo, jereo. Mpanao gazety. Jereo.” no sady asehony antsika ny soratra “Press” an'i Ramy Ryan. An-katezerana no anambaràn'ilay lehilahy amintsika hoe “asehoy amin'ny Firenena Mikambana! Asehoy amin'izao tontolo izao! Asehoy amin'ny Vokovoko Mena! Asehoy amin'ireo Arabo mpamadika! Mpamadika daholo izy rehetra ireo!”.

Nitsahatra ny bala afomanga ary misamaritaka ny olona. Rentsika ireo olona mitomany ny havany maty. Manomboka amin'ny 4:20, ny vokatr'ireo fanafihan'ny Israeliana no raketin'ilay mpaka sary.

A photo of journalist Ramy Ryan, from Susan's Facebook page.

Sarin'i Ramy Ryan, avy amin'ny pejy Facebook an'i Suzan Jb Mustafa.

Nanomboka nivezivezy teny anivon'ireo mpikatroka mafàna fo tao an-toerana ilay lahatsary ary nalain'ny “Global Revolution Twitter Channel” an'ny Occupy Wall Street:

Vao izao: lahatsarin'ny namoanoan'ny tafika Israeliana androany tao #Gaza an'i Ramy Ryan, mpanao gazety,

Ilay Jiosy-Amerikana, mpanoratra, Naomi Wolf izay lasibatry ny fampielezankevitra avy amin'ireo vaovao mivoaka avy ao Gaza, miaraka amin'ireo mpanjohy azy, dia nizara ity sata manaraka ity nilazàny ny tsy fankasitrahany  ilay famonoana:

Ity no zavatra nahatsiravina indrindra hitako nandritry ny andro niainako. Fanamby ataoko anao ny hijery azy io manomboka amin'ny voalohany hatramin'ny farany. Ny fahafatesan'i Rami Ryan. Vavaka, tomany , tsy fisian'ny toerana hiafenana na hialofana, ary tsy ampy isa hisahana ireo maratra na miala aina ireo sisam-paty na naratra sisa tavela. Fipoahana tsy mitsahatra. Hamindra fo aminay anie Andriamanitra. Ho voasazy hanarina mandritry arivo taona hoavy noho io izahay ..
https://plus.google.com/+OTPGlobal/posts/fe8JbR9Djrm

Ary fotoana fohy talohan'izay, nandefa ity tononkalon'i Wilfred Owen ity izy:

 
Toy ny efa lasa fomban-drazana mampalahelo eto amin'ity tany voabodo ity ny hoe farànana aminà hiram-pisaonana foana ny andro. Ho an'i Ramy Ryan, tanora 22 taona mpaka sary — 22 taona ny tatitra sasany — izay maty nefa nitafy ny akanjony misy marika PRESS / MPANAO GAZETY. i Wilfred Owen, poety tanora nanoratra ny hiram-pisaonana etsy ambany no ao an-tsaiko, izay maty koa nandritry ny Ady Lehibe Voalohany. Ho an'ireo ampolony maty androany tamin'ilay fanafihana tao an-tsena ihany koa io tononkalo io, ary ao anatin'ny fanantenana ny hahasitrana haingana ireo 200 mahery voamarina fa naratra avy amin'ilay fipoahana[…]

Ny 30 Jona dia ain'olona 131 no nafoy tao Gaza. Tamin'ny fotoana nanoratana, 1.361 no isan'ny maty tao Gaza, ka ankizy ny 315 tamin'ireo. Hatramin'ny 8 Jolay nanombohan'i Israely ilay fanafihana goavana namelezany ilay faritra mirefy 40 kilometatra ao Gaza, maherin'ny 6.780 no naratra. Nodarohan'i Israely baomba ny sekoly, toeram-pilalaovana, hopitaly, toby sy toeram-pialofana, nitondra nankany amin'ny taham-pahafatesan'olon-tsotra hatrany amin'ny 75%. Ny 28 Jolay, nodarohan'i Israely ilay hany toby mpamatsy herinaratra tao Gaza, nahatonga ireo olona 1,8 tapitrisa monina ao hiaina anaty haizina. Satria darohan'ny tafika Israeliana ireo toeram-ponenana manodidina, an'aliny ireo nanjary tsy nanan-trano hipetrahana ary voatery nialokaloka anaty toeram-pialofana tsizarizary.

Io no fanafihana fanintelony nataon'ny tafika Israeliana tao Gaza tao anatin'ny 6 taona. Ny faneriterena tafahoatra ataon'i Israely amin'ny faritra Palestiniana ao Gaza no antony mahatonga izao tontolo izao sy ny Firenena Mikambana hanondro io zara-tany io ho “faritra bodoin‘” i Israely

Araho ny fandrakofanay lalindalina kokoa: #Gaza: Mitombo Ny Taham-pahafatesan'ny Olon-tsotra Amin'ny Fanafihan'ny Israeliana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.