Loha-laharana Amin'ny Adim-baovao Ao Okraina Ilay Lehilahy Tezitra Indrindra Ao Odessa

Anisan'ny fikarohana lalina tontosain'ny RuNet Echo momba ny tontolon'ny bilaogy amin'ny teny Rosiana ao Atsinanan'i Okraina ity lahatsoratra ity. Trandraho ny andian'ireo fanadihadiana feno ao amin'ny pejy tsy voasivana ao Okraina Atsinanana.

Nanjaka tao Crimea, Donetsk, Luhansk ny ankamaroan'ireo fitroarana taorian'ny fihonganan'i Viktor Ianoukovitch, saingy tsy afa-bela tamin'izany ihany koa ireo faritra hafa tao Okraina. Tamin'ny 2 Mey 2014, nanatri-maso ny sasany tamin'ireo herisetra mahery vaika indrindra tao Okraina hatramin'ny nanombohan'ny krizin'ny separatista ny tanànan'i Odessa, ka olona teo amin'ny 60 teo no namoy ny ainy tamin'ny fifandonana teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana ny Rosiana sy ny mpanohana ny Maidan. Noho ny firehetan'ny afo tao amin'ny Foiben'ny Sendikàn'i Odessa nandritra ny ady no nahafatesan'ny ankamaroan'ireo aina nafoy. Na dia soa ihany aza fa tsy niharan'ny herisetra an-dalambe aza i Odessa, dia mbola mifamatrapatraka ao amin'ny lazain'ny roa tonta hoe “adim-baovao” ny sasany amin'ireo mponina ao aminy.

Zloy_Odessit's LiveJournal avatar.

Solontavan'i Zloy_Odessit ao amin'ny LiveJournal.

Iray amin'ireo mponina ireo i Zloy_Odessit, bilaogera manafi-tava izay adika antserasera amin'ny hoe “Odessiana Tezitra,”. Manavao ny bilaoginy imbetsaka izy isan'andro amoahany ireo vaovao sy hevitra momba ny zava-mitranga ao Okraina, ary manasongadina manokana ny fanentanana ara-miaramila ao Atsinanana. Tahaka ireo mpiteny rosiana marodia misafidy ny LiveJournal ho fampitam-baovaony voalohany i Zloy_Odessit, ary raha ny azy manokana, dia noho ny fahafahana manokana mampihaingo araka izay tiana ny pejy sy ny “fahamoran'ny fahafahana manao karoka”. 

Tamin'ny volana Marsa i Zloy_Odessit no nanomboka ny bilaoginy, saingy nilaza izy fa “tsy vaovao eo amin'ny tontolon'ny bilaogy”. Nanomboka ny bilaoginy izy ho fanehoan-kevitra amin'izay hitany ho “Fananiham-bohitra Rosiana an'i Crimea,” ary nilaza izy fa manoratra bilaogy izy hiadiana amin'ny fandisoam-baovao sy hanehoany ny fijeriny manokana. “Ny tanjon'ny bilaogiko voalohany indrindra dia mampita ny hevitro mikasika ny zava-mitranga ao Okraina hoan'ireo mpiserasea Rosiana”, hoy izy tamin'ny RuNet Echo. “Amin'izao fotoana izao, ao amin'ny LiveJournal, misy ireo bilaogera mpomba ny Kremlin ranofotsiny, terena tazonina ho loha-laharana noho ny fampiasana raboto (bots) marobe.”

Nahazoan'i Zloy_Odessit fahavalo marobe ny heviny manindrona, anisan'izany ny governemanta Rosiana, izay nanivana ny pejiny LiveJournal tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Araka ny filazan'i Zloy, nampiakatra fotsiny ny isan'ireo mpitsidika azony tao Rosia ny zavatra ataony.

В Украине привыкли выслушивать все точки зрения, в России же в крови слушать единую, верную и неоспоримую точку зрения, а все остальное от Лукавого, Госдепа, Анунаков и рептилоидов… не важно от чего, но запретное! Табу!

Eto Okraina, zatra mandre ny hevitra rehetra izahay, saingy ao Rosia, efa mahazatra azy ireo ny mihaino hevitra tokana, marina, tsy iadian-kevitra. Avy amin'ny devoly, ny Sampam-panjakana Amerikana, ny extra-terrestres, na olona androngo ny ambiny… Tsy olana izay fiavian'izy ireo – voaràra izy ireo. Fady

Mihevitra i Zloy_Odessit fa afaka manohitra ny fanaovana ampihimamba ny vaovao ao Rosia ny mpiserasera aterineto.

Пользователь может становится противовесом той или иной точке зрения, высказывать свою индивидуальную и свободную от ограничений и табу. В конце концов, блоггер способен вокруг себя объединять людей – единомышленников, не готовых пока высказываться открыто.

Afaka mampitovy lanja ireo fomba fihevitra hafa ny mpiserasera aterineto, maneho ny fijeriny manokana, tsy misy fetra sy fady. Afaka mampiray ny olona ao amin'izy ireo ny bilaogera amin'ny hariva. Afaka mamondrona ireo manana hevitra mitovy, izay mbola tsy vonona hiresaka an-kalalahana izy ireo.

Raha nanontaniana mikasika ny vinavina momba ny fihavanam-pirenena eo amin'ny separatista sy ny olona manohana ny firaisamben'ny Okraniana i Zloy_Odessit dia namaly am-pahamalinana, mihevitra fa mety ho azo atao izany amin'ireo olom-pirenena tsotra ao Donbass, fa tsy eo amin'ireo mpikomy kosa.

Я сам был неоднократным свидетелем того как люди ратующие за союз с Россией и поддерживавшие аннексию Крыма меняли со временем свою точку зрения. Диалог возможен, безусловно.но диалог с простыми людьми

Ny tenako manokana dia efa nanatri-maso imbetsaka ny fiovaovan-kevitr'ireo mpanohana ny fikambanana amin'i Rosia – ireo olona nanohana ny fanjanahana an'i Crimea. Azo atao tokoa ny fifampiresahana, saingy fifampiresahana miaraka amin'ny olo-tsotra [ihany].

Hoan'ireo mpiady kosa, manasokajy ireo mpikomy ho andian-jiolahy maka ny fahefana an-keriny ampian'ny olom-pirenena Rosiana i Zloy. Miampanga ireo olom-bitsy mpanankarena ao amin'ny faritra antsoina hoe Rinat Akhmetov sy Oleksandr Yefremov tamin'ny famatsiam-bolan'ireo milisy ihany koa izy.

Manana ny asany manokana koa i Zloy_Odessit. Na dia misokatra amin'ny fifampiresahana aza izy, ny tsikerany amin'ireo separatista dia saiky sary avoakan'ny taratry ny tsikeran'ireo bilaogera mpanohana ny separatista tahaka an'i Strajj sy i Colonol_Cassad amin'i Kiev. Mifampiampanga ho manaraka ny governemanta tsy ara-dalàna izay naka fahefana an-keriny sy niankina tamin'ny fampielezan-kevitra maloto izy roa tonta. Mbola hiresaka hatrany ny fijerin'izy ireo amin'izay lazainy ho marina ny roa tonta, saingy sarotra ny mahita olona hanaiky lembenana amin'io teboka io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.