Gaza : Mpitsabo Sady Mamonjy No Mibitsika Tantara Mahavaky Fo Anaty Rotoroto

Al Shifa hospital's Dr Bassel Abuward sarcastically tweets "6m old (terrorist) infant being treated by Drs to remove shrapnel from his back."

Bitsika feno eso mandratra avy amin'i Dr. Bassel Abuward ao amin'ny hopitalin'i Al-Shifa,  “zazakely enim-bolana (mpampihorohoro)  karakarain'ireo mpitsabo hanalana pitikà bala ao amin'ny lamosiny.”

Hopitaly valo, toeram-pitsaboana sivy ary fiara 14 fitaterana marary no voadaroka baomba hatramin'ny nanombohan'ny fanafihan'i Israely ny tandavan-tanin'i Gaza, feno vahoaka, mirefy 40 km, tery ary iainanà Palestiniana 1,8 tapitrisa. Ny Praiminisitra Britanika David Cameron aza moa dia nilaza an'i Gaza hoe ‘ fonja tafo lanitra’

Mpiasan'ny fahasalamana ny efatra amin'ireo 1.000 maty sy ny 14 amin'ireo 6.000 naratra nandritra izay 20 andro izay araka ny tatitra nataon'ny Minisitry ny fahasalamana any Gaza.

Nahavoa ireo faritra fonenan'olon-tsotra sy sekoly ary toeram-pialokalofana ihany koa ny tifitra nataon'ny fiaramanidina mpiady sy ny fiara mifono vy Israeliana. Vinavinain'ny Firenena Mikambana ho maherin'ny 74 isan-jaton'ireo maty no olon-tsotra.

Na dia ampihorohoroan'ny baomba aza dia mbola mahavita asa mahagaga ihany ny mpitsabo toa an-dry Bassel Abuward, Belal, Saeed Kanafany, ary Mads Gilbert ao amin'ny hopitaly Al-Shifa, hopitaly lehibe indrindra ao Gaza. 

Amin'izao fotoana izao ao Gaza  dia misy zaza teraka avy aminà reny matin'ny tafika Israeliana. AINA IRAY AVY AMIN'NY FAHAFATESANA.

Olon-tsotra an-jatony no mitady famonjena any Al-Shifa, araka ny tatitry ny  Firenena Mikambana any Gaza tamin'ny 20 Jona :

 Vao mainka manaratsy ny toe-draharaha eo amin'ny sehatry ny fahasalamana efa mikorosy ao Gaza ny fifandonana farany teo ka mampitombo ny vesatra lanjain'ireo mpitsabo sy ny mpiasan'ny fahasalamana efa mizaka ny tsy eran'ny aina.

Ity no ady fahatelo natrehan'ny mponin'i Gaza tao anatin'ny dimy taona sy tapany.  Tahaka ny teo aloha ihany dia tsy misy toerana azon'ireo vehivavy, lehilahy ary ankizy handosirana. Tena feno olona ny tandavan-tanin'i Gaza ary ilay sàkana napetraky ny Israeliana nandritra ny fito taona dia midika fa “voarara” ny fivezivezena avy any sy mankany Gaza.

Vavolombelon'ny loza goavana miseho ireo mpitsabo ao amin'ny hopitaly feno olon'i Al-Shifa. Olona maro no indray tsaboina amin'ny farafara iray ao amin'ny trano fitsaboana vonjy taitra. Betsaka ireo zaza vao teraka no maty noho ny tsy fahampian'ny fikarakarana sahaza. 

Andraman'i Israely ravàna amin'ny famonoana ny zanakay sy ny fanaovana ny sisa ho kilemaina ny ho avin'i #Gaza

Tamin'ny andro iray manokana nihoson-dra noho ny fanafihana nikendrena an'i Shejaiya, faritra iray amin'ireo tena be mponina any Gaza dia izao no bitsika nalefan'ny solontenan'ny NBC avy any Shifa :

Tsy mbola nahita na nahatsapa fahafatesana tahaka izay hitako sy tsapako amin'ireto vatana taritina avy any Shejaiya ho any amin'ny tranom-patin'i Shifa androany ireto aho tao anatin'ny 13 taona

Tsy mamonjy aina ihany no ataon'ny mpitsabo fa mitantara ny halehiben'ny loza any Gaza ho an'izao tontolo izao ihany koa ry zareo amin'ny alàlan'ny fibitsihana ny zava-miseho ao amin'ny trano fandraisana vonjy taitra sy ny faharavana hitany eny an-dàlam-podiana na handeha hiasa, eo am-piandrasana ny anjara fiandrasany raharaha.
 

@BelalMd12

Nibitsika ao amin'ny @Belalmd12 i Belal, mpitoraka bilaogy sady mpitsabo, eo am-piandrasana ny anjara fiandrasany raharaha, ary eo ambany baomba. Niseho tamin'ny fandaharana Democracy Now tamin'ny TV mahaleotena Amerikana izy ary nanoratra tantara mahavaky fo ho an'ny “Electronic Intifada”, vohikala iray filazam-baovao amin'ny aterineto izay mifantoka indrindra amin'i Palestina sy ny vahoakany :

Olona am-polony no tonga tao amin'ny hopitalin'i al-Shifa any Gaza tamin'ity alina ity, fotoana niandrasako. Potipotika ny sasany , tapa-doha ny sasany, ary tsy misy endrika ahalalana azy intsony ny sasany na dia mbola velona sy miaina aza […] Tsara vintana izay mpiasan'ny fahasalamana afaka manana fotoana hakana aina kely tsy ampy antsasakadiny akory. Ny sasany mandany izany amin'ny fijerena ireo lelafo sy baomba alefan'i Israely any amin'ny faritra atsinanan'i Gaza, ny sasany kosa maka hery amin'ny kafe ary ny sasany mitsotra fotoana fohy amin'ny tany.    

Ireto ny bitsika sasany avy aminy :

Vita tamin'ny 9 maraina ny anjara fiandrasako ary dia malalaka hibitsika araka izay tiako aho raha mbola velona koa, mazava loatra.

Nisy faty iray nentina tao amin'ny hopitaly. Hitan'ilay mpitsabo fa ny zanany lahy lasa maritiora io. Naka sary azy farany izy.

Asain-dry zareo mifindra toerana izy ireo, ary ary ataon-dry zareo lasibatra rehefa manaraka an'izany. Nokendren'i Israely ny sekoly UNRWA izay nialofan'ny olona.

Mirehareha ny mpitondratenin'ny IDF ary nilaza fa baomba 120 no nianjera tao Alshujaeya, milanja 1 taonina ny baomba tsirairay. Tehirizo ity bitsika ity ho an'ny ICC ( Fitsarana Iraisam-pirenena)

Navelan'ny vokovoko mena fotsiny amin'izao ny olona ary tsy namaly antso amin'ny findainy ry zareo. Inona izany no antom-pisianareo aty ? Mitsangatsangana ?

Izao no nobitsihany rehefa voatifitra sy matin'ny fitaovam-piadiana an'habakabaka Israeliana tonga lafatra ireto ankizilahy Palestiniana  efatra nilalao teo amoron-dranomasina : 

8 tamin'ireo taona vitsy niainan-dry zareo no niainany tanaty fahirano. Tsy mba nanam-bintana velively hijery izao tontolo izao ry zareo ; izao tontolo izao izay tsy niasa saina velively ary tsy niandry

Ity ny hopitalin'i Beit Hanoun, nitovy tamin'ny nanjo ny hopitaly Eoropeana tao Gaza, Al-Aqsa sy ny hopitaly Al-Durra.

 

@DrBasselAbuward

 Nibitsika sarinà hopitaly, faharavana manodidina an'i Gaza ary namerina nibitsika ireo hafatra maneho firaisankina sy fanohanana maneran-tany i Dr. Bassel Abuward.

Olona an'arivony no manao fihetsiketsehana ho an'i #Gaza teny amin'n araben'i Chicago androany. Misaotra.

Tsaroako ny hatezerako tamin'ny nandravana an'i Syria. Mitovy amin'izany ihany no hitako eto Gaza amin'izao fotoana izao.

Raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy nandeha nijery ny tranony ary dia izao no hitany!!!! Sary mendrika teny arivo izao sary izao

Ny zavatra RATSY indrindra niainako dia ny nilaza taminà reny iray nitady ny zanany hoe  MATY daholo ry zareo

Hopitalin-jaza AlDurrah any #Gaza niharam-pahavoazana goavana noho ny tifitra akaiky natao taminà fiaramanidina omaly. 30 no naratra ary 1 maty

Noho ny hamaroan'ireo maratra, mihoatra ny iray ireo marary tsaboina ambony farafara iray Mbola ANKIZY indray

 

@DrSaeedKanafany

Dr. Saeed Kanafy kosa nibitsika ny momba ireo zava-doza sy ny zava-misy iainan'ny mpiasan'ny fahasalamana.

Eo an-tanan'Andriamanitra ilay mpitsabo mpanampy martiora Al Abadlah amin'izao fotoana izao : (araka ny nolazaiko dia voadika ny tsipika mena)

Iharam-pahafihana ny hopitalin'i Beit Hanoun amin'izao fotoana izao. Dikain'i Israely avokoa ireo tsipika mena eny fa na hatramin'ny Hopitaly aza

Tahaka izao no fomba fisotroan'ny mpitsabo rano any Gaza

"The moment you see Doctors crying , Is the moment when you realize all red lines have been crossed" @DrBasselAbuward

“Ny fotoana ahitanao mpitsabo mitomany no fotoana ahafantaranao fa voadika ny tsipika mena rehetra” @DrBasselAbuward

Manome 3,1 lavitrisa dolara an'i Israely  isan-taona i Etazonia ho fiaraha-miasa ara-miaramila. Isaky ny manao fanafihana fandravana sy famonoana any Gaza ny miaramila Israeliana-  ity no fanintelona tao anatin'ny enin-taona- ny UNRWA, antokon-draharaha misahana ny maha-olona vatsian'ny Amerikana, no mizaka ny vokany.

Dr. Mads Frederick Gilbert

Namoaka taratasy misokatra ho an'ny Filoha Obama  ilay dokotera Norveziana, ny  Dr. Mads Frederick Gilbert, izay miara-miasa amin'i Saeed sy Bilal ao amin'ny hopitaly Al-Shafa tamin'ny 17 Jolay. Nanjary nalaza io taratasy io ary naverina navoaka  taminà vohikala maro : 

‘ Manana fo mitempo ve ianao Atoa Obama ?
Manasa anao aho, handany alina iray, indray alina fotsiny, hiaraka aminay aty Shifa. Manova endrika ho mpamafa trano, angamba.
Inoako 100% fa hanova ny tantara izany.
Tsy misy olona manana fo mitempo SY fahefana afaka mivoaka indray alina fotsiny ao Shifa ka tsy hanam-piniavana hampitsahatra ny famonoana atao amin'ny vahoaka Palestiniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.