Nakaton'ny Manampahefana Ao Bangladesh Ny Trano Iasan'ny Mpivaro-tena Nijoro Efa Ho 200 Taona Izao, Mpivaro-tena An-jatony No Voaraoka Tamin'izany

Ariel view of Kandapara brothel in Taingail, a northeastern city of Bangladesh. Image by Ranak Martin. Copyright Demotix (1/12/2012)

Tranon'ireo mpivaro-tena ao Kandapara, ao Taingail, tanàna avaratra-atsinanan'i Bangladesh tazanina avy aty an'habakabaka. Sary avy amin'i Ranak Martin. Copyright Demotix (1/12/2012)

Nakatona tamin'ny 14 Jolay 2014 ny trano iasan'ny mpivaro-tena ao Kandapara, izay nijoro 200 taona ao Tangail, iray amin'ireo tranon'ny mpivarotena taloha indrindra tao Bangladesh. Fanerena goavana avy amin'ireo mpitondra fivavahana Miozolomana sy ireo mpanao politika ao an-toerana no voalaza fa nitarika ny fanakatonana ny trano iasan'ireo mpivaro-tena, saingy niampanga ireo manampahefana ao an-toerana ho manao fakàna tany an-keriny izay mody lazaina fa noho ny antony ara-pivavahana ny fikambanana nasionalin'ny mpivaro-tena ao Bangladesh.

Mpivaro-tena maherin'ny 759 no voaraoka vokatr'izany. Nampandrenesina ora vitsy mialoha fotsiny ireo mponina, nanohitra izany ireo fikambanan'ny zon'olombelona. Nilaza ny pejy Facebook natokana hiresahana momba ny vehivavy “Women Chapter” fa ahiana ny fiainan'ireo mpivaro-tena voaraoka ary miaina ao anaty tontolo mety ahitan-doza izy ireo.

Manampahaizana momba ny haiamamonina (Sosiology) Laura Agustín nisioka ny fomba nandroahana ireo mpivaro-tena:

Vondrona #sexworkers (mpivaro-tena) Kandapara: «Olona miaraka amin'ny kibay, nilaza taminay izy ireo fa manana adiny iray izahay hialàna raha tsy izany hodoran'izy ireo amin'ny lasantsy ny trano.

Mpisera Twitter, ATM Zakaria nampitandrina hoe:

Hampidi-doza ny fiarahamonina sy ny firenena ny fandroahana ireo mpivaro-tena tsy mena tambiny (na omena ny toerana mendrika ny mahaolona azy.

Mogoje Curfew (tsy mahazo mivoaka ao amin'ny atidoha) nanoratra tao amin'ny bilaogy ​​Sovyata (Sivilizationa) fa tsy araka ny sitrapony no nanaovan'ireo mpivaro-tena ny asany, fa noho ny hasarotam-piainana na faneriterena. Nanoratra izay mety hitranga amin'ireo mpivaro-tena ireo ihany koa ity bilaogera ity raha tsy misy ny famerenana ny zon'izy ireo:

এই লাঞ্চিত এবং অমানবিক জীবন যাপন করা মেয়েগুলো কি করবে তা আমরা না জানলেও অনুমান করতে পারি । তাদের বাইরে কোথাও কেউ কাজ দেবে না এটা নিশ্চিত থাকতে পারেন । বাধ্য হয়ে এরা এইবার এদের খাবার জোগাড় করবে মানুষের বাড়ি বাড়ি গিয়ে ।

Azontsika saintsainina ny hoavin'ireo mpivaro-tena noroahina izay anaovana tsindrihazolena. Tsy hahita asa ankoatra ny ao mihitsy izy ireo. Tsy maintsy hangataka isam-baravarana izy ireo mba hahafahany mamahana ny vavany.

Niroborobo nanomboka ny 1860 hatramin'ny 1880 ireo trano iasan'ny mpivarotena raha tonga avy amin'ny sambo ireo mpivarotra. Sady nanana fotoana izy ireo no nanam-bola ary anisan'ireo mpanjifa voalophan'ireo mpivaro-tena. Mitotaly teo amin'ny 2000 teo ireo mponina vao haingana, anisan'izany ireo mpivaro-tena, ny zanak'izy ireo, ray aman-dreniny sasany,  babus (olo-tiana raikitra / mpanjifa maharitra), ireo mpanera mpijangajanga ary ny tompon-tany.

Tsy ity no tranon'ny mpivaro-tena voalohany nakatona sy mpivaro-tena ao aminy voaroaka ao amin'ny firenena maro an'isa Miozolomana, izay tsy mitsaha-mitombo ny kaonservatisma (fandalana ny nentim-paharazana). Tamin'ny 23 Jolay 1999, nakatona ny tranon'ny mpivaro-tena tao Tanbazar, iray amin'ireo taloha indrindra sy lehibe indrindra ka mpivaro-tena teo amin'ny 2.600 teo no voaraoka tao an-tranony. Ny Kandupatti ao Dhaka, tranon'ireo mpivaro-tena an'arivony maromaro no nakatona manaraka. Ary avy eo tao Magura. Tamin'ny volana Aogositra tamin'ny taon-dasa, voatafika ny tao amin'ny tranon'ny mpivaro-tena ao Madaripur ka mpivaro-tena teo amin'ny 500 teo no simba fananana sy voaroba.

Members from Sex Workers Network of Bangladesh (SWNOB) form a human chain in Dhaka protesting attack on sex workers in a brothel in Madaripur. Image by Shafiqul Alam. Copyright Demotix (29/8/2013)

Mpikambana avy ao amin'ny Tambajotran'ny Mpivaro-tena ao Bangladesh (SWNOB) milahatra ao Dhaka manohitra ny fanafihana ireo mpivaro-tena tao amin'ny tranony ao Madaripur. Sary avy amin'i Shafiqul Alam. Zon'ny mpamorona Demotix (29/8/2013)

Ny zavatra ankapobeny fantatra dia ny fanerena ara-pivavahana sy ara-piarahamonina no ambadiky ny fandroahana tao Tangails Kandapara. Na dia izany aza, nandritra ny valan-dresaka hoan'ny mpanoratra gazety tamin'ny 17 Jolay 2014, nilaza ny Tambajotran'ny Mpivaro-tena, ny fikambanana nasionalin'ny mpivaro-tena ao Bangladesh fa araraotin'ny ben'ny tanàna ny fihevitra ara-pivavahana mba hakàna an-keriny tany iray hekitara sy tapany amin'ny faritra iasana sy onenan'ny mpivarotena ao Kandapara.

Nisy ihany koa ny fiampangana tahaka izany tamin'ny fandroahana tao amin'ny fari-ponenan'ny mpivaro-tena ao Tanbazar sy Madaripur. Nandà izany fiampangana izany ireo olona tompon'andraikitra tamin'ny fandroahana. Nilaza izy ireo fa fiavian'ny asan-jiolahy ireo fari-ponenan'ny mpivaro-tena ireo.

Sex worker formed human chain at front of press club in Dhaka protesting the eviction of Kandapara brothel, Tangail. Image by Mohammad Asad. Copyright Demotix (20/7/2014)

Mpivaro-tena manao filaharana eo anoloan'ny klioban-gazety ao Dhaka ho fanoherana ny fandroahana tao Kandapara, Tangail. Sary avy amin'i Mohammad Asad. Zon'ny mpamorona Demotix (20/7/2014)

Iray amin'ireo firenena vitsy amin'ny firenena maro Miozolomana an'isa tsy mandrara amin'ny fomba ofisialy ny fivarota-tena i Bangladesh. Azo jerena tamin'ny tantara Bengal fahagola ny fivarotan-tena, saingy tsy mba nahazo fankatoavana eo amin'ny sehatry ny lalàna mihitsy ity asa ity, na dia nandritra ny vanim-potoanan'ny fanjanahan-tany Britanika aza. Tamin'ny taona 2000, nankatoavin'ny fitsarana tao an-toerana tamin'ny alalan'ny didim-pitsarana ny asa fivarotan-tena.

Ao Bangladesh, tranona mpivaro-tena 18 sy mpivaro-tena eo amin'ny 200 000 eo no voasoratra anarana manerana ny firenena. Nanambara ny fikarohana vao haingana fa mananika tsimoramora ihany koa ny fivarotan-tenan'ny ankizy.

Kazi Mamun Hossain, bilaogera Bangladeshita am-pielezana nanoratra tao amin'ny sehatra fibilaogina amin'ny teny Bangla, Somewhereinblog:

পতিতাবৃত্তিকে নিষিদ্ধ না করা আবার পতিতাবৃত্তিকে স্বীকৃতি না দেয়ার মতো রাষ্ট্রযন্ত্রের দু'মুখো আচরণের তীব্র প্রতিবাদ জানাই৷ কোনো প্রকার পুর্নবাসনের ব্যবস্থা না করেই পতিতাদের উচ্ছেদ করার তীব্র প্রতিবাদ জানাই৷

Miampanga ny fihazohazoan'ny fanjakana amin'ny tsy fandraràna ny fivarotan-tena sy ny tsy fanomezana ny zon'ireo mpivaro-tena aho. Toheriko mafy ny fandroahana tsy misy famerenan-jo an'ireo mpivaro-tena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.