Nanambara Ny Fampahalalam-baovam-panjakana Ao Shina Fa Tsy Nandalo Fizahana Ireo Vary Novaina Zenetika Eny An-tsena

Rice field in China. Photo by Flickr user Leniners. CC BY-NC 2.0

Tanimbary ao Shina. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Leniners. CC BY-NC 2.0

Nahita vary novaina zenetika namidy tany amin'ny faritany atsimo roa ny CCTV, haino aman-jerim-panjakana ao Shina, izany no filazana faharoa nataony momba ity raharaha ity tao anatin'ny roa taona raha nanohitra mafy ny teknolojia ny hevi-bahoaka.

Nilaza ny tatitra ara-panadihadiana nalefa tamin'ny Asabotsy teo fa hita tany amin'ny tsena tao amin'ny faritany atsimon'ny Hubei sy Hunan ilay vary novaina zenetika (NZ), ny vary izay mijanona ho foto-tsakafo. Nohamafisin'ny Birao manara-maso ny entana miditra sy mivoaka sy ny Biraon'ny Fanokana-monina mandritra ny fotoana voafetra ny fanambaran'ny fahitalavitra rehefa natao fizahana ireo saintonam-bary nalaina tamin'ireo faritany roa ary voamarina tokoa fa misy ny singa miova zenetika.

Niteraka adihevitra manerantany amin'izao fotoana izao ny singa novaina zenetika (SNZ) tao anatin'ny roapolo taona izay. Satria mbola mandrahona ny fahafahan'ny firenena hamelona ny mponina betsaka indrindra manerantany ny fahasimban'ny tontolo iainana sy ny fihenan'ny tany azo ambolena. Mitady vahaolana isan-karazany i Shina, anisan'izany ny teknolojia (NZ) mba hanamafisana ny fiarovana ny fambolena.

Ao Shina, notendrena ho iray amin'ireo tetikasa goavana amin'ny Drafitrasa Fampandrosoana ny Siansa sy ny Teknolojia Nasionaly ao anatin'ny fotoana lava sy antonony ny teknolojia NZ, izay hotantanina hatramin'ny taona 2020, ary nampanantena hampiasa vola mitotaly 20 miliara Yuan i Beijing amin'ny fikarohana goavana amin'ny NZ (fanovana zenetika).

Tamina fanapaha-kevitra manatantara hampandroso ny teknolojian'ny SNZ, nanolotra sertifikà manamarina ara-pahasalamana an'ireo foto-bary roa novaina zenetika sy katsaka novaina zenetika ny Minisiteran'ny Fambolena ao Shina tamin'ny taona 2009 – fihetsika izay noraisin'ny maro ho famantarana fa mety hampihatra ny teknolojian'ny fanovana zenetika (NZ) amin'ny foto-tsakafony ny firenena atsy ho atsy.

Saingy saro-pady ny vary novaina zenetika satria io no tena hohanina betsaka ao atsimon'i Shina sy ny ankabetsahan'ny Han olona avy ao avaratra.

Nanamafy ny minisiteran'ny fambolena Shinoa fa ny vary novaina zenetika dia mbola eo an-dalam-pikarohana ary nilaza izy fa tsy ara-dalàna izay mety ho famarotana azy. Na dia izany aza, ny tatitra tamin'ny CCTV tamin'ny faran'ny herinandro, raha voamarina, dia nanasongadina ny fitantanana tsy mahomby ao amin'ny orinasa tohanan'ny fanjakana izay mety haharitra an-taonany maro ny ny fandresen-dahatra ny vahoaka ho amin'izany.

“Mino aho fa efa miparitaka ny teknolojia [NZ] ary raha vao mivoaka ny vokatra novaina zenetika, sarotra ny hanala azy ireny eny an-tsena […] voapoizin'izany ankamaroan'ny vary ao Hunan, Hubei, Anhui ary Fujian”, nanonona mpitantana orinasam-bary iray ao Shanghai ny fahitalavitra araka ny voalaza tamin'ny fiafaran'ny fanadihadiana manokana.

Efa anisan'ny mpanafatra soja novaina zenetika betsaka indrindra manerantany i Shina, fanafarana isan-taona izay mahatratra eo amin'ny 60 isan-jaton'ny soja amidy manerantany.

Taorian'ny tatitry ny CCTV, mpiserasera Shinoa marobe tahaka an'i Laoshao Zetan no niahiahy raha novaina zenetika ny vary ao an-tanànan'izy ireo. Nanoratra tao amin'ny Sina Weibo mitovy karazana amin'ny Twitter izy:

有关部门称,上海市场未发现转基因大米。一个非常疑惑的问题: 转基因食品的安全性到底该如何评估? 

Nilaza ny departemanta tompon'andraikitra fa tsy nahitana vary novaina zenetika tao Shanghai. Sahiran-tsaina amin'ny fanontaniana iray aho: Ahoana no fomba hanomezana naoty ny ara-pahasalaman'ny sakafo novaina zenetika?

 Xiaoyao Yuncheng nanoratra hoe

不管转基因有没有害,法律法规要遵守的吧?既然不准商业化生产转基因产品,为啥走向市场的大米不要求进行转基因成份的检测?检测标准明显有漏洞。

Na mampidi-doza na tsia ny teknolojian'ny SNZ (singa novaina zenetika), mino aho fa tokony hanaja ny lalàna isika? Amin'izao tsy fanomezan-dalana ny varotra voka-bary izao, maninona raha takiana ny hanaovana fizahana ny vary sao misy singa novaina zenetika alohan'ny hampidirana azy eny an-tsena? Misy fahabangana mibaribary amin'ny fenitry ny fanaovana fizahana.

Mpisera Weibo avy ao Nanjing, atsinanan'ny farintany Jiangsu, nitaraina hoe:

为什么都要媒体爆光后才去查啊???难道以前都不知道吗?

Maninona no manao famotorana aorian'ny tatitry ny fampahalalam-baovao??Sa nangina tao anatin'ny aizin'ny tsi-fahalalàna ny [manam-pahefana] tamin'ny lasa?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.