Manapa-kevitra ny Hanakatona ny Vohikala Mpampita Vaovao “House News”, Mpiaro Ny Demôkrasia any Hong Kong, Ilay Mpamorona Azy Voahorohoro

Screen Capture of the House News' Facebook Page. The site had more than 230 thousand Facebook followers before it shut down.

Dikasarin'ny pejy facebook-n'ny “House News”. Maherin'ny 230 arivo ireo mpanaraka azy talohan'ny nikatonany. 

Nakatona tsy nisy fampilazàna ny “House News”, vohikala mpilaza vaovao iray malaza mpiaro ny demôkrasia any Hong Kong nalaina tahaka avy amin'ny Huffington Post, ny 26 jolay.

Nampandre ilay fikatonana tanatinà hafatra navoakany tao amin'ny vohikala tamin'ny 5ora hariva i Tony Tsoi, mpiara-nanorina iray sady mpamatsy goavana ny “House News”. Nanazava izy fa ny faneriterena ara-pôlitika manoloana ireo feo mpanao tsikera sy ny tsy fahampian'ireo mpanentana no nahatonga ny fanapahankeviny hanakatona ilay vohikala.

Noforonina tamin'ny Jolay 2012 ho fanangonam-baovao sy bilaogy ny “House News” ary nivoatra ho anisan'ireo tambanjotra fampitam-baovao nalaza indrindra tao Hong Kong, voasokajy ho faha-57 avy amin'ireo fitsidihana avy any Hong Kong ka hatrany Alexa miaraka aminà mpitsidika 300.000 in-dray mandeha isanandro. Kanefa, tanatin'ireo roa taona lasa, tsy vitan'ilay sehatra fampitam-baovao ny nanintona mpanao dokambarotra maro mba hihazonana ny fandehan'ny raharaha.

Nilaza i Tsoi, izay manohana ireo tetiky ny hetsi-panoherana “Occupy Central” hakàna am-pilaminana an'i Hong Kong afovoany sy hitakiana ny zo hifidy ireo mpifaninana amin'ny fifidianana ben'ny tanàna manaraka, anatin'ilay fanambarana momba ny fanakatonana fa “mihorohoro” izy manoloana ny rivotra politika:

恐懼 原來今天的香港已經變了,做一個正常公民、做一個正常媒體、為社會做一點正當的事,實在不容易,甚至感到恐懼 — 不是陌生,而是恐懼。由於當前政治鬥爭氣氛令人極度不安,多位民主派人士,被跟蹤、被抹黑、被翻舊賬,一股白色恐怖氛圍在社會瀰漫,我亦感覺到這種壓力。還有,作為一個經常往返內地公幹的商人,我得承認,每次過境都會提心吊膽,但這是我過分疑神疑鬼嗎?那種感覺,根本不可能向外人説得清楚。 令我最不安,是家人也感受到這股壓力,終日替我擔心。隨著社會氣氛逐漸緊張,這股壓力在我身邊蔓延的程度令我日益困擾。

Mihorohoro aho. Niova i Hong Kong. Mihasarotra, eny, mampihorohoro mihitsy aza, ny fihetsehana amin'ny maha-olom-pirenena ara-dalàna, amin'ny maha fitaovana fanaovan-gazety na koa amin'ny fanaovana zavatra marina ho an'ny fiarahamonina — tsy hoe mahatsiaro ho voateritery ianao, fa rako-tahotra. Manjary mahatonga ny olona ho be ahiahy ny adilahy pôlitika misy – betsaka ireo olona mpandàla ny demôkrasia no voatsikilo sy voahoso-potaka. Voatsikafona ireo rakiny taloha. Misy fahatsapana ‘Horohoro Fotsy’ manjaka eo anivon'ny fiarahamonina ary mahatsiaro ilay tsindry koa aho. Amin'ny maha-mpandraharaha ahy, izay mitsidika matetika ny Taniben'i Shina, tsy afeniko fa isaky ny mandalo ny sisintany aho, dia matahotra. Marary saina ve aho? Sarotra ny hanazavana ny toe-po amin'ireo olona ivelany. Mahatsapa ny tsindry ny fianakaviako ary manahy ny amiko. Koa satria mihahenjana ny rivotra iainana, manjary mitombo ihany koa ny fanahiana ny tsindry manodidina ahy.

Fari-panjakana manokan'i Shina Kaominista ilay zanatany britanika Hong Kong taloha ary mahazo tombony amin'ny fahaleovantenany amin'ny firenena kaominista araka ny fotokevitra hoe “firenena iray, rafitra roa”. Nihahenjana ny fifandraisan'izy roa tonta tato anatin'ny volana vitsivitsy. Nampanantena fifidianana mivantana voalohany indrindra ho an'i Hong Kong i Shina mikasika izay ho ben'ny tanàna amin'ny taona 2017, saingy nanizingizina fa tsy maintsy ankatoavin'ny kômity ireo mpifaninana. Mametraka ny “fitiavan-tanindrazana” ho toy ny singa iray lehibe takiana amin'ireo mpandrindra an'i Hong Kong ilay tanibe, araka ny taratasy fotsy navoakan'ny fanjakana, ka mahatonga ireo mponina ao Hong Kong sasany hiahiahy fa ho mpifaninana miandany an'i Pékin fotsiny no hosafidian'izy ireo, izay mifanohitra amin'ilay sosokevitra momba ny fifidianana mivantana. Tsy mavitrika ny hanao dokambarotra miaraka amin'ny media mpiaro ny demôkrasia ireo orinasa noho ny tahotra ny hamparikivy ny fifandraisany amin'ny fanjakan'i Hong Kong sy i Shina, izay saika manakana ny fampivoaran'ireo vohikala endrikanà fandraharahana maharitra mifototra amin'ny dokambarotra. Nanoritsoritra ny tsenam-barotra any Hong Kong i Tsoi tao anatin'ny fanamarihana momba ny fikatonany:

從開始,我們當一盤正常生意來做,可是,在不正常的社會及市場氣氛下,主場新聞的廣告收入跟它的影響力,不成比例。主場新聞小本經營(很多熟悉我們的博客可作證),但創辦至今,每月從未達至收支平衡。最大問題是在可見將來,香港社會氣氛只會更見緊張,從生意角度,主場新聞實在看不到曙光。有人問我,主場新聞有沒有出現抽廣告情況,答案是沒有,從未落,何來抽?香港不單止核心價值被扭曲,市場也被扭曲。

Tamin'ny voalohany, nanana endrikanà fandraharahana novinavinaina izahay. Saingy anatinà fiarahamonina sy tsenam-barotra tsy ara-dalàna, tsy mifandanja ny tombony azo avy amin'ny dokambarotry ny “House News” sy ny fiantraikany. Tsy betsaka ny tetibolanay, saingy hatry ny nanombohanay, tsy nanana tetibola nifandanja mihitsy izahay. Ny tena olana goavana dia, atsy ho atsy, hihenjana kokoa ny rivotra iainana ao Hong Kong. Tsy mahita fanantenana intsony izahay raha ny lafiny fandraharahana. Nanontany anay ny olona sasany raha nisy nanaisotra ny dokambarotrany ireo mpanjifanay. Tsia no valinteniko. Voalohany indrindra dia tsy nametraka dokambarotra tao amin'ny vohikalanay mihitsy izy ireo. Mitotongana ny vidy fototra napetrakay, ary ankehitriny dia mitotongana ihany koa ny tsenam-barotra.

Fotoana fohy kely taorian'ny nanambarana ilay fikatonana, tsy azo nidirana intsony ny votoaty tao anatin'ilay vohikala. Nitarika vinavina niparitaka be teo anivon'ireo mpampiasa aterineto izany fanapahankevitra tampoka izany, miely ny resaka fa manamafy ny gejany amin'ny fanaovan-gazety ao Hong Kong i Pékin. Nitsikera tao amin'ny Twitter i Wen Yunchao, Sinoa mpitoraka bilaogy avy any amin'ny tanibe izay mipetraka any Etazonia ankehitriny:

Azo heverina kokoa ho misy ifandraisany amin'ny tahotra ny tena antony nahatonga ny fanakatonana tampoka ny “House News” fa tsy dia ireo fandinihana ny fandraharahana loatra. Azo tarafina ho avy amin'ireo fandrahonana mivantana ny tahotra fa tsy dia avy amin'ny rivotra pôlitika loatra — ilay karazanà fandrahonana miendrika baiko tahaka ny hoe “mikatóna raha tsy izany dia hihatra aminareo izay ho vokany avy eo”. Raha lafiny fandraharahana no anton'izany, tokony nikaroka mpandraharaha hiara-hiasa aminy izy ireo, na hivarotra ny orinasa na koa hikaroka vahaolana hafa.

Nanoratra tao amin'ny Facebook-ny (naverina navoaka tao amin'ny sehatry ny mediam-bahoaka inmediahk.net miaraka amin'ny fahazoan-dàlana avy amin'ny mpanoratra) i Tany Ka Lun, mpanao gazety sady mpilaza vaovao isanandro teo aloha tao amin'ny House News”:

影響力漸見,既喜亦憂。我們這城市,遊戲規則是這樣的,你搞得無聲無息,無人問津,縱使「反動」,說話不中聽,有關方面會隻眼開隻眼閉,無時間關心你。若媒體影響力大,引人注目,還要搞串連,自然會有人搞你。 搞,有很多方式。結業,是政治原因、經濟原因,還是「誤判恐懼」,又怎能分得清楚。

Nahatsiaro faly sahirana aho momba ny akony [House News]. Toy izao ny fitsipi-dalao aty amin'ity tanàna ity: Raha tsy miako eo amin'ny fiarahamonina ny ataonao ka tsy misy miraharaha anao, eny fa na dia “diso ara-pôlitika” aza sy milaza zavatra mahasosotra aza, hody fanina ireo manam-pahefana manoloana izany satria tsy hanana fotoana holaniana aminao izy ireo. Raha vao lasa mibahan-toerana ny fitaovana fanaovan-gazety, ka misarika ny saina sady manjary lasa rohy ho an'ny vondrom-piarahamonina mivoatra, mazava ho azy fa “hanao zavatra” ry zareo. Misy fomba maro “hanaovana zavatra”. Sarotra ny manavaka raha noho ireo antony ara-pôlitika, na noho ny fandraharahana na koa noho ny “tahotra sy hadisoam-pitsarana” izany fanakatonana izany.

Andro vitsivitsy talohan'ny nikatonan'ny “House News”, natao sorabaventy tanatinà gazety enina lehibe tao Hong Kong ny fanomezan’i Jimmy Lai, lehiben'ny media mpiaro ny demôkrasia ho an'ireo demôkraty. Koa satria filohan'ny Vondron'orinasa “Next Media” i Lai, naminaviana i Yip Yat Chi, mpitsikera ireo vaovao mafana, tao amin'ny inmediahk.net fa manatanteraka famoretana goavana ny fanaovan-gazety miaro ny demôkrasia ao Hong Kong i Pékin, ao anatin'izany ny Gazety “Apple Daily” an'ny “Next Media” sy ireo sehatra fanaovan-gazety lehibe hafa ao anaty aterineto:

在其他傳媒歸順下,成為「真理部」的工具時,如果能成功消滅蘋果,在親共傳媒的操作和篩選下,一切反駁聲音便會消失泰半。[…] 因此,不難看到,對蘋果的打擊是如何全方位進行中――先是商戶抽廣告,繼而是黑客攻擊,現在是利用所謂政治捐獻(還被扭曲為「黑金政治」),在資源上削弱(斷其資金),在運作上打擊(增加成本),並在道德上抹黑(撲滅同情),全方位開動,誓要殺之而後快。 當然,今天還有互聯網。網媒越來越多,網絡成為「第五權」,不單協助監察政府,連傳媒也成為監察對象。網媒眾多,個別更甚具影響力。但正因如此,可以預期,中共在宣揚歪理和統戰傳統傳媒有了初步成效時,必會針對網絡開戰[…]

Koa satria manaiky ny hiara-hiasa sady mivadika ho fitaovana ho an'ny “minisitry ny fahamarinana” [fampielezan-kevitry ny Antoko Kaominista Sinoa] ireo fitaovana hafa rehetra fanaovan-gazety, raha afaka mandavo ny Gazety “Apple Daily” ry zareo, dia hisasaka ny feon'ny mpanohitra […] Miharihary be ny famoretana mihatra amin'ny “Apple Daily” – noesorina ireo dokambarotra, notafihan'ireo mpijirika ny vohikala mpitati-baovao. Ankehitriny, ahodin'izy ireo ho “pôlitikan'ny volan'ny kolikoly” ny tantaran'ilay fanomezana ara-pôlitika. Misy lafiny maro isehoan'ilay faneriterena: ireo loharanony (tapahina ny vola miditra aminy), ireo zotra teknika (ampitomboana ny sandan'ny raharaha ataony) ary ny fanaratsiana ara-tsaina (fampanalavirana azy amin'ny fiantran'ny vahoaka). Mazava ho azy, mbola manana ny Aterineto isika. Mihamaro dia maro ireo fitaovan'ny fanaovan-gazety anaty aterineto sady lasa laharana “fahadimy” eo amin'ny sehatry ny asa fanaraha-maso ny governemanta ny Aterineto eo anilan'ny media mahazatra. Lasa mibahan-toerana kokoa ny media sasany anaty aterineto ary azo vinaniana fa, vantany vao vitan'ny Antoko Kaominista ny fananganana vondrona miray eo anivon'ny fanaovan-gazety mahazatra hanaovana fampielezan-kevitra, dia hanomboka ny ady anaty aterineto ry zareo […] 

Nanazava i Yip Ya Chi fa vantany vao nahavita ny lahatsorany izy, dia nanambara ny fikatonany ny “House News”. Izay amin'ireo sehatry ny media anaty aterineto indray no hokendren'io faneriterena io manaraka? Inona no azo atao mba hiarovana ny tontolon'ny fahafahan'ny fanaovan-gazety any Hong Kong? Maro ireo mponina any Hong Kong no manontany tena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.