Filipina: Filohan'ny ‘Ady Amin'ny Kolikoly’ Miatrika Antso Fitsipaham-Pitokisana Noho Ny Fiahiahiana Azy Ho Manao Kolikoly

Philippine President Benigno Aquino III. Photo from the official Facebook page of the government

Filohan'ny Filipina, Benigno Aquino III. Sary avy amin'ny pejy ofisialin'ny governemanta ao amin'ny Facebook.

Nandresy niaraka taminà fiaraha-mientana miady amin'ny kolikoly tamin'ny 2010 i Benigno ‘Noynoy’ Aquino III filohan'ny Filipina. Taona efatra aty aoriana, anaovan'ny sasany antso ho fitsipaham-pitokisana izy noho ny fahitàn-dry zareo fisianà kolikoly ara-drafitra sy resaka “voaibe” ara-politika.

Ilay 177 lavitrisa peso (4,086 lavitrisa dolara Amerikana) tamin'ny Fandaharanasa Fanafainganana ny Famoaham-bola (DAP) no ivon'ny kiana rehetra. Natsangana fotoana fohy taorian'ny nandraisan'i Aquino fitondràna ny DAP. Ilay fandaharanasa, izay noheverina hanetsika ny toekarena, dia namela ireo ao amin'ny mpanatanteraka hamindra vola avy aminà masoivohon-draharaha sy sampana samihafa tao amin'ny governemanta ho any aminà tetikasa hafa izay mahazo avara-patana amin-dry zareo mpanatanteraka.

Natsahatra ny fametrahana ny DAP taorian'ny didy navoakan'ny Fitsarana Antampony tamin'ny 1 Jolay milaza azy ho tsy araka ny lalàm-panorenana. Araka ny lalàna, fahefana manokana an'ny Kaongresy ihany no ahafahana mamaritra tetibola. Rakotry ny kiana ny DAP satria nambara ho toy ny endrika hafa amin'ny fanodinam-bola hamatsiana tetikasa manokan'ny filoha fotsiny ihany. Jinggoy Estrada, loholona avy amin'ny mpanohitra, no nanondro ny DAP ho toy ny loharanom-bola nampiasaina hividianana ireo loholona hanongana ny Lehiben'ny Fitsaràna, Renato Corona.

Napetrak'olona 28 avy aminà vondrona manohitra ny kolikoly  tao amin'ny Kaongresy tamin'ny 28 Jona ny voalohany tamin'ny fitarainana fangatahana fitsipaham-pitokisana. Ny 23 Jolay kosa ny fitarainana faharoa, nosoniavinà 25 mpitarika mpianatra avy amin'ireo anjerimanontlo samihafa. Ao anatin'ny fifanaraham-piaraha-miasa ho Fanamafisana ny Fitandroana ny Filaminana iarahana amin'ny governemanta Amerikana. Napetrak'ireo mpikatroka mafàna fo tany amin'ny Kaongresy tamin'ny 24 Jolay ny fahatelo tamin'ny fangatahana fitsipaham-pitokisana. Lazain'ireo mpitory fa nanitsakitsaka ny fandraràn'ny lalàm-panorenana mikasika ny fisian'ireo andian-tafika vahiny sy toby miaramila ao amin'ny firenena izy.

Nivatravatra ny Filoha Aquino niaro ny DAP tao anaty kabary nivantana nalefanandritry ny ora mahabe ny mpijery tamin'ny fahitalavitra, tamin'ny filazàna fa ara-dalàna ilay fandaharanasa ary miteraka tombontsoa ho an'ny vahoaka satria hery iray manentana ho amin'ny firoboroboana ara-toekarena. Ity kisary eto ambany ity, navoakan'ny governemanta, dia manome ireo tetikasa sasany ambany fiahian'ny DAP izay lazaina fa mampitombo ny fiomanan'ny firenena hiatrika ireo loza mahatsiravina voajanahary :

dap projects

Saingy nampiasa antontan-taratasy an'ny governemanta i Ibon, progresista iray mpanolotsaina momba ny lalàna, mba hanehoana fa zara raha misy ny fandraisana anjaran'ireo tetikasa DAP amin'ny toekarena:

DAP Infographic

Maro amin'ny mpitazana no manamafy fa sarotra ny hanosika ilay fitsipaham-pitokisana handeha lavidavitra kokoa noho ny hamafin'ny fitondràna ao anaty Kaongresy, rantsana manana ny fahefana hanenjika araka ny lalàna ny manampahefana iray ao amin'ny governemanta amin'ny resaka fitsipaham-pitokisana.  Kanefa ilay mpanao lalàna fahiny, Teddy Casino, niteny hoe hitànana ny filoha ho tomponandrakitra amin'ny DAP sy olana maro hafa ilay fitsipaham-pitokisana :

Tokony hiomanana io. Sady koa, amin'ny fomba hentitra no ilazàn'ny fanapahan-kevitry ny SC hoe  nanitsakitsaka ny Lalàna sy ny Lalàm-panoreana ny Filoha. Ny dingana manaraka ny lojika dia tokony ho tazonina ho tompon'andrakitra izy. Satria tsimiatimanota ny Filoha, ny hany fomba tena hitànana azy ho tompon'andraikitra dia, voalohany ny fitsipahana azy, avy eo ny fanenjehana azy araka ny heloka bevava vitany.

Araka ny lazain'ilay bekotromaroholatra amin'ny fikatrohana, Carol Araullo, lasa hàlam-.bahoaka isanandro vaky ny filoha noho ny resabe manodidina ny DAP satria ampahany betsaka amin'ny vahoaka no mahatsiaro ho nivadihan'ny governemanta iray sàngany izay nampanantena azy fanovàna taminà kabary fandresen-dahatra nahasintona olona tokoa :

Manonofy antoandro Ing. Aquino raha mihevitra fa afaka ny hahavory mpanohana tampotampoka eo avy amin'ny vahoaka efa ela nampatoritoriana tamin'ny filazàny fa fitondràna tsara/miady amin'ny kolikoly… Tany an-tsofin'ny marenina no niantefa ny teny mafonja nataony ho an'ny vahoaka mba “hamatotra lambakely mavo” haneho fanohanana ny fitantanany ka nahatonga ny mpitondra teniny hilaza tamin'ny vahoka tsy handray izany ho zavatra matotra.

Kanefa, mbola manana mpiaro hatrany ny filoha. Mino, ohatra, ny bilaogy  Perspectives in Development and Evaluation (Vinavinam-pandrosoana sy Tombana) fa ara-dalàna tanteraka sy mitondra soa ho an'ny vahoaka ny DAP.

Mila vola misimisy ihany na fahafahana mahazo vola ny Rantsana Mpanatanteraka mba hahafahana manatontosa ny tanjony. Tsy iombonako ilay soso-kevitra hoe mihodina tanteraka tsy misy vola ny Mpanatanteraka (na ny Mpanao Lalàna). Tsy azo sainina tsotra izao izany. Na ireo tale jeneralinà orinasa aza anie ka omena vola e.

Mandritra izany fotoana izany, nandrisika ireo mpisera ny fanentanana iray atao ety anaty aterineto mba handefa saripika ahitàna azy ireo miaraka aminà hafatra momba ny DAP ho an'ny Filoha Aquino. Maro tamin'izany no nanontany ny antony tsy mba nahitàny tombony tamin'ny DAP na teo aza ireo fanamafisana naverimberin'ny governemanta fa hoe nanosika ny toekarena teo an-toerana sy nanatsara ny fari-piainan'ny mahantra ilay fandaharanasa.

"The education budget is insufficient. Where is the DAP Mr. President?"

“Tsy ampy ny tetibola ho an'ny fanabeazana. Aiza ilay DAP Atoa Filoha?”

"Where is the DAP that you boasted for [supertyphoon] Yolanda victims? We don't feel it."

“Aiza ny DAP natao ho an'ireo tra-doza tamin'ny [rivomahery] Yolanda dradrainao? Tsy mahatsapa izany izahay.”

"Why are many still unemployed these days when you said we are your boss?. Where did DAP go?"

“Nahoana ny maro no mbola tsy an'asa amin'izao andro izao, rehefa nilaza ianao fa ianao no deba? Lasa aiza ny DAP ?”

“A Radical Nut”, mpikaroka sady mpikatroka mafàna fo, manamarika hoe ny fitantanana ny dingana fitsipaham-pitokisana ataon'ireo mpiara-dia ara-politika amin'ny filoha no hamaritra ny endrik'ilay krizy politika misoko mangina io.

Mifehy tanteraka ny Antenimiera ny fitantanana Aquino ary, tahaka ny fitondràn'i  Arroyo, hampiasa izay rehetra tsindry sy fitaovana rehetra eo am-pelatanany – isan'izany ny vola manokana avy amin'ny filoha – hanaovana an-terisetra ny ho valin'ilay fitsipaham-pitokisana…. Saingy ho an'ny vahoaka, manasongadina fotsiny ny fahalòvan'ny rafitra politika ireo rehetra ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.