Mampiasa Media Sosialy Ny Indiana Mba Hiadiana Amin'ny Fanavakavaham-piaviana Mihatra Amin'ireo Tavaratra-atsinanana

A protest in Delhi against attacks on North East Indians in several places of India.  Image by Rajesh Tandon. Copyright Demotix (18/8/2012)

Fihetsiketsehana tao Delhi manohitra ny fanafihana ireo Indiana avy ao amin'ny fanjakana tavaratra-atsinana tao amin'ny toerana maromaro tao India. Sary avy amin'i Rajesh Tandon. Zon'ny mpamorona Demotix (18/8/2012)

Tamin'ny fanentanana vao haingana momba ilay fandaharana lalao malaza be “Kaun Banega Crorepati“, amin'ny endrika Indiana amin'ilay hoe “Iza no te-ho milionera”, manontany mpifaninana iray avy ao amin'ny fanjakana avaratra-atsinanana ilay superstar Bollywood sy mpanolotra fandaharana Amitabh Bachchan hoe iza no firenena misy ny tanàna Indiana Kohima. Ny valinteny isafidianana dia Shina, Nepaly, India ary Bhoutan.

Mangataka hampiasa vonjiaina ilay mpifaninana, ka nihomehy ny sasany amin'ireo mpijery, nihevitra fa mibaribary ny valinteny. Nilaza taminy i Bachchan fa ny 100 isan-jaton'ny mpijery dia nilaza hoe India. “Zavatra hain'ny rehetra izany” hoy izy taminy.

“Eny Andriamatoa, hain'ny rehetra izany, saingy firy no mino izany?” hoy izy namaly.  

Maro tamin'ireo mponina avy ao amin'ny firenena avaratra-atsinanana, faritra antsoina hoe «Seven Sisters (Fito Mirahavavy)», no miatrika fanavakavahana ara-poko ao amin'ny fanjakana ambiny noho ny endrik'izy ireo Aziatika Atsinanana sy ny kolontsaina samihafa. Nanoratra tao amin'ny lahatsary Youtube ny mpaneho hevitra iray:

I think we Indians are racist towards every region or state (of course its wrong), but just because our fellow north eastern people look unique they are easy targets.

Mihevitra aho fa mpanavakava-piaviana amin'ireo faritra tsirairay isaky ny fanjakana isika Indiana (mazava hoazy ny ratsy aminy), satria miavaka ny olona namantsika ao avaratra-atsinanana ka mora lasibatra.

Niteraka adihevitra momba ny fanavakavaham-piaviana tao amin'ny firenena ireo tranga vao haingana nahitana famonoan'olona noho ny fankahalàna, izay notaterina matetika noho ny fahamaroan'olona mifindra toerana sy avy amin'ny fanjakana maro. Tamin'ny herinandro lasa teo, lehilahy 30 taona avy ao amin'ny fanjakana avaratra-atsinanan'i India no voalaza fa maty voadaroky ny vondron-dehilahy ao amin'ny faritra Kotla ao atsimon'i Delhi.

Tamin'ny volana Janoary, mpianatra iray, Nido Taniam, avy amin'ny fanjakana avaratra-atsinanan'i Arunanchal Pradesh no maty voadarok'ireo mpivarotra izay nanala azy tamin'ny volony.

Ho setrin'izany, nametraka ny Komity Bezbaruah ny governemanta mba hiadiana amin'ny fanavakavaham-piaviana sy ireo olana hafa atrehin'ny vahoaka ao avaratra-atsinanan'i India. Nanolotra ny tatitrany tamin'ny 11 Jolay ny komity ary mandinika izany tatitra izany ny Minisitry ny atitany saingy mbola tsy nisy vokany na fepetra vaovao nambara hatramin'izao.

Na dia izany aza, mitombo ny fanairana mikasika ny olana ary miezaka miresaka izany ao amin'ny media sosialy sy ny aterineto ireo mpikatroka eny ifotony.

Tao amin'ny lahatsary YouTube iray, nanao “andrana fanavakavaham-piaviana” ilay Indiana mpamazivazy TroubleSeekerTeam ka nataony nisy lehilahy iray tao an-jaridaina niantso vehivavy tavaratra-atsinanana iray ho “chinky” (voambolana manaratsy olona Shinoa) sy nampiasa fiteny nanavakavaka fiaviana . Tsy niraharaha ny fifamaliana nisy ireo mpandalo sasany, ny sasany kosa nirotsaka an-tsehatra niaro ilay vehivavy, ary tsy nisy na dia iray aza momba ilay lehilahy.

Enxie Nemi Guite, mpisera YouTube avy ao avaratra-atsinanana, nisaotra ny ekipa nilalao tamin'ilay lahatsary:

I've faced uncountable incidents such like the one in the video, although I have never been defended. It gives me so much pleasure that there are people who care.
I became immune to comments like these from having received it so many times, but now…. I will not be silent.

Niatrika tranga tsy tambo isaina tahaka ity tamin'ny lahatsary ity aho, na dia tsy mba nisy niaro mihitsy aza aho tamin'izany fotoana izany. Mahafaly ahy tanteraka fa misy ihany ny olona mba mitsinjo.
Nanjary tsy iharan'ny fiteny tahaka izany aho rehefa naharay izany imbetsaka taloha, saingy ankehitriny….tsy hangina aho   

Nahazo “tiako” efa ho 63000 ny pejy Facebook, ‘Stop Discriminating People From the North-East India (Atsaharo ny Fanavakavahana ny olona avy ao Avaratra-Atsinanan'i India), izay manohitra ny fanavakavahana ara-poko tahaka izany ary ahitana fanehoan-kevitra matetika ihany koa.

Any ho any, nijery ny antony mahatonga ireo Indiana sasany mandray ny olona avy ao avaratra-atsinanana amin'ny lafiny ratsy ny resaka tao amin'ny Quora, habaka fanontaniana-sy-valiny. Nilaza ny anton'ny fanavakavahana i Vijay Singh avy ao India:

Map of Seven Sisters.

Saritanin'ny “Seven Sisters”.

1. Its Geographically separate from mainland India
2. They represent only 3-4% of India’s population
3. Low participation in Indian politics and agenda
4. Features of the Mongolian race – this causes them to be labeled as ‘Chinese’
5. Clothing – despite India’s huge cultural diversity; the traditional dress all over India for women would be either a ‘salwar kameez’ or a ‘saree’. Only in the North Eastern states, the traditional dress is completely different from these two forms.
6. There is also huge linguistic diversity between these states, and the rest of the nation

1. Ny jeografiany misaraka amin'ny India Tanibe
2.  3-4%n'ny mponina ao India fotsiny izy ireo
3. Ambany ny fandraisana anjara amin'ny politika sy ny fandaharan'asan'i India
4 Manana endrika foko Mongoliana  -. Mahatonga azy ireo ho voapetaka anarana hoe “Shinoa” izany
5. Fitafy – na dia eo aza ny fahasamihafana lehibe ara-kolontsaina; ny fitafy nentim-paharazana hoan'ny vehivavy manerana an'i India dia tokony na «salwar kameez» na «sari». Ao amin'ny fanjakana Avaratra-Atsinanana ihany no samihafa tanteraka amin'ireo fitafy karazany roa ireo ny fitafy nentim-paharazany.
6. Misy ihany koa ny fahasamihafana goavana eo amin'ny fiteny eo amin'ireo fanjakana roa ireo, sy ny firenena ambiny

Miteraka tsy fifankahazoana amin'ny olona tavaratra-atsinana ny fahasamihafana ara-poko sy ara-kolontsaina, asehoan'ity teny mikambakambana nalefa tao amin'ny Anup Chakraborty ity:

Screenshot from Quora

Pikantsary avy amin'ny Quora

Tsy ny endrika Aziatika Tatsinanana ihany no toetra miavaka izay mitarika amin'ny fanavakavahana ao India. Tafiditra ao anatin'ny sata ara-tsosialy, ara-pianakaviana sy ny toeram-piasan'ny olona avokoa ny lokon'ny hoditra, ny lanja sy ny fiteny.

Ohatra, lahatsoratra vao haingana tao amin'ny IndiaCSR, vavahady momba ny fandraisana andraikitra maharitra, nitatitra ny herisetra mihatra amin'ireo mpianatra Afrikanina ao amin'ny renivohitra (metropole). Mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny gazetiboky Hardnews miorina ao Delhi, Sanjay Kapoor nisioka hoe:

Nahoana no mpanavakavakam-piaviana i India? Mahasosotra ny vaovao momba ireo mpianatra avy ao Afrika voadaroka tao Delhi na Bangalore. Ilaina ny miady amin'ity fomba fisainana ity.

Anisan'ny vahaolana ny fahatsapan-tena. Nanakoako niaraka tamin'ny maro tao amin'ny media sosialy ny Fandinihan-tena lalina momba ny fanavakavaham-piaviana Indiana tao amin'ny ScoopWhoop, vavahadim-baovao sy fanehoan-kevitra:

Mpanavakavam-bolokoditra ny Indiana. Hoan'ny vahiny, Hoan'ny tsirairy ary ho azy ireo ihany: http://t.co/cCvvSTAgT1 #Fact [zavamisy] ao #India, matetika afenina.

Tamin'ny alalan'ny media sosialy sy ny tambajotran-tserasera, nivoatra ny fahatsapan-tena iombonana manohitra ny fanavakavaham-piaviana. Saingy tokony ho mbola maro ny fanentanana sy adihevitra momba ny sosio-politika avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra sy ireo sampam-baovao hafa mba hiadiana amin'ity olana lehibe ity. Efa nanomboka ny resadresaka, ary tokony hanaraka ny tongotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.