Miady Amin'ny Fanorisorenana an-Dalambe ao Buenos Aires ny AtréveteBA ao amin'ny Hollaback

A screenshot of the AtréveteBA website.

Pikantsarin'ny haba-tranonkalan'ny AtréveteBA.

Nosoratan'i Paula Gonzalo tamin'ny teny espaniola ity tantara ity ary nivoaka voalohany tao amin'ny Periodismo Ciudadano, haba-tranonkala miompana amin'ny fanoratan'olo-tsotra gazety. 

Ny AtréveteBA dia sampan'ny hetsika Hollaback miorina ao Buenos Aires, izay naorina hanangonana tahirin-kevitra sy hiadiana amin'ny fanorisorenana an-dalambe. Hita ao amin'ny habaka amin'ny teny espaniola ny sarintany nomerika, blaogy ary loharanom-pampafantarana ahafahana tsy manakona ny olana, ahafahana manome feo ireo lasibatry ny fanorisorenana an-dalambe mihoatra ny 150 ao Arzantina. I Inti Tidball, mpanorina sy mpikatroky ny fikambanana mpanao asa-soa hatramin'ny oktobra 2010, no mpandrindra ny  Hollaback Buenos Aires.

Fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-barotra ny Hollaback ary mijoro amin'ny tanàna 79 sy firenena 26 ary ahitana tenim-pirenena valo samihafa. Hetsika iraisampirenena ivondronan'ny tambajotran'ny mpikatroka manana iraka hamaranana hatreo ny fanorisorenana an-dalambe, handrisihana ny isian'ny adi-hevitra sosialy ary hampivelarana tetikady vaovao hiantohana ny fahafahan'ny rehetra tsy tombo sy hala amin'ny toeram-bahoaka izy io.

Nandrafitra fampiharana am-pinday ahafahana mitsongo die eo noho eo sy mitatitra (mitoroka) amin'ny alalan'ny hafatra an-tsoratra (sms) ny vondrona. Avondrona ao amin'ny sarintany iray ny toroka fanorisorenana an-dalambe hitan'ny mpiserasera. Manome fanazarana maimaim-poana ho an'ireo te-hanangana haba-tranonkala ao an-tanànany na ny manodidina azy ihany koa ny Hollaback. Hanamorana izany, dia manolotra “atrikasam-panabeazana ho an'ny sekoly, oniversite, sy vondrom-piarahamonina izy ireo sy mampandray andraikitra ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny fampitam-baovao mahazatra sy sosialy.” Ny tanjona dia ny hananganana hetsika iraisampirenena mandrava ny fahanginana amin'ity resaka fanorisorenana an-dalambe ity, izay heverin'ny Hollaback fa tetezana miampita mankany amin'ny herisetra ara-pananahana. Manolotra fanazarana ara-teknika hanohanana ny fivelaran'ny sampana vaovao ny fikambanana.

sdfdsfsdf

Afisy nataon'ny AtréveteBA vonona izay mivaky hoe, “Hafatra ho an'ny vehivavy: Tsy misy antony tokony hiaretanao amin'ny filazan'ny hafa amin'ny vatanao eny an-dalana. Mety ny filazanao amin'ny lehilahy hamela anao irery. Anontanio azy ireny raha tian-dry zareo atao tahaka izao ihany koa ny anabaviny na ny zanany vavy. Iangavio ry zareo hanam-panajana. Raha misaki-tanana anao izy ireo na manaraka anao dia torio!”

Manasongadina loharanom-baovao ilaina voasoratra amin'ny teny Espaniola amin'ny fomba iatrehana ny fanorisorenana an-dalambe ny haba-tranonkalan'ny fikambanana avy ao Buenos Aires, hita ao ny tahirin-kevitra momba ny ady iraisampirenena amin'ny fanorisorenana an-dalambe, ireo anganongano momba ny fanorisorenana, fampafantarana ny fomba fiarovan-tena, antotanisa sy ireo famaritana ny fanorisorenana, fanaovan-draharaham-panohanana ireo izay iharan'ny herisetra, ary ny sarintany mampiseho ireo faritra ahitana fanorisorenana miverimberina matetika sy tantara avoakan'ny mpiseraseran'ny haba-tranonkala.

I Amerika Latinina moa dia efa fonenan'ny Atrévete Bogotá Colombia, Atrévete México DF, Atrévete Puerto Rico, Atrévete Querétaro México, ary ny Atrévete Santiago de Chile.

Lasa vava ady lehibe amin'ny tolona hanohanana ny miralenta ary indrindra ny tolona iadiana amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy ny fanorisorenana am-bava. Ny fanorisorenana an-dalambe – izay manakana mivantana ny fahafahan'ny vehivavy hivezivezy ankalamanjana – dia efa heloka bevava ankehitriny any Belzika, firenena misy ilay lalàna mpisava lalana mampandoa onitra 50 ka hatramin'ny 1000 euros (sahabo ho 70 ka hatramin'ny 1350 dolara amerikana) na mety hampigadra hatramin'ny herintaona, ny manao fanehoan-kevitra manambany ny vehivavy na manao tolo-kevitra hanao firaisana.  Ny fanekena ity lalàna ity moa dia tosika avy amin'ilay horonantsarimihetsika fanadihadiana mitondra ny lohateny hoe “Femme de la rue” avy amin'i Sofie Peeters, tanora monina ao Brussels, izay mampiseho ny hamaroan'ny siasiaka, fiteny tsy maotona, ompa, eny fa na dia hatramin'ny fisisihana hanao firaisana ara-nofo aminy izay zakainy ao an-tanànany. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.