Mitolona Hahazo Ny “Fo amam-Panahy” i Israëly Ao anatin'ny Ady An-tserasera Momba An'i Palestina

"Infographics: What Would You Do?" by Israel Defense Forces via Flickr (CC BY-SA 2.0)

“Fanehoana an-tsary: Inona no mety ho ataonao?” avy amin'ny Hery Fiarovana Israeliana, tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Nosoratana sy nadikan'i Leila Nachawati. Nivoaka tao amin'ny tranonkalan'ny gazety Espaniola Eldiario.es mpiseho isanandro amin'ny fiteny Espaniola ny dikan'ity lahatsoratra ity.

Ny fanafihan'i Israely an'i Gaza tamin'ny 2009 no trangam-pifandonana voalohany indrindra natao resabe tety anaty media sosialy. Na ivelany, na tao anatin'ny Lemak'i Gaza, samy nampiasa ny Facebook, Twitter, YouTube sy ireo sehatra hafa avokoa ireo olom-pirenena sy mpikambana tao amin'ny Hamas mba hitantaràna, handraketana ary hanamelohana ireo fanafihana tamin'izany. Saingy sty mafy toto sy tsara lamina toy ny an'ny (IDF) Hery Fiarovana Israeliana ny nampiasàn'ireny vondrona ireny ireo sehatra ireo.

Dimy taona taty aoriana, rehefa niverimberina ireo trangam-pahafatesana sy faharavàna ao Gaza, nampitomboin'i Israely ho avo roa heny ny fampilezankevitra ataony anaty aterineto, ao anatin'ny ezaka ataony hanehoana amin'izao tontolo izao ny lafy iray malefadefaka aminy.

Tolona hakàna ny “fo sy fanahy” aty anaty aterineto

Arahana tatitra mafonja any anaty media hatrany ny hetsiky ny tafika Israeliana, izay natao mba hanalefahana ny fiantraikany eo amin'ny fomba fijerin'ny olona manerantany. Avy amin'ilay “Cast Lead” manaitaitra tamin'ny 2009 mankany amin'ilay nazavainy fa “Protective Edge” -n'ny taona 2014, mandatehezana maro “hasbara” maro (fampielezankevitra mpomba ny Israeliana, amin'ny fiteny Hebreo) no novokarina mba hanehoana ny lojikan'ny tontolon'i Israely.

Tamin'ny 2008, tena talohan'ny nanombohan'ny fanafihana an'i Gaza indrindra, nanapa-kevitra ny mpitondra Israeliana hanolo ny tafatafa mahazatra fanao tamin'ny mpanao gazety rehefa fotoanan'ny ady, ka naka ny fanapahan-kevitra midadasika be nifototra tamin'ny fampiasàna ny media sosialy. Yarden Vatikai, manampahefana fahiny tao amin'ny tafika, niarahany tamin'ny  Ministeran'ny Fiarovana sy ny Masoivohonì Jiosy no namolavola ireo taridàlana ho an'ilay fampielezankevitra.

Iray tamin'ireo hetsika no natodika tamin'ny fampianarana ireo manamboninahitry ny tafika mikasika ny resaka haitao vaovao momba ny media, natao tao amin'ny Foibe Iraisan'ireo vondron-tafika tao Herzliya.

“Raha resaka fampitàna ny hafatray, dia ny media vaovao no tompon'ny hoavy”, hoy Avi Benayahu said, mpitondra tenin'ny Hery Fiarovana tamin'ny Febroary 2009. “Nikisaka ho ao amin'ny aterineto ny IDF mba hàka ny fo amam-panahintsika”.

Ny YouTube no tena nampiasaina ho fototra voalohany ijoroan'ilay fampielezankevitra, nahatonga ny tafik'i Israely ho ny tafika voalohany nametraka fantsona YouTube azy manokana. Ahitàna videoblog ao amin'io fantsona io ka ao no ahitàna ilay mpitondra tenin'ny tafika mamaritra ireo fanafihana ho “hetsika fiarovan-tena amin'ny maha-olona.”

Ny ezaka ‘hasbara’ tamin'ny 2009 dia nahitàna fifandraisana mivantana tamin'ny mpanao gazety avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Nalefa saika ho efa isanandro vaky ny hafatra SMS ho an'ireo mpanao gazety an'arivony, ireo diplaomaty sy bilaogera mpanefy toe-tsaina, niampy tahirin-kevitra an-taratasy ho an'ny gazety, fotoana fampahafantarana sy fitsidihana ireo vondrom-piarahamonina Israeliana tanyNegev, any amin'ny sisintany iarahana amin'i Gaza.

"When is a House a Home?" visualization by Israel Defense Forces.

“Rahoviana ny trano no ho trano?” fanehoana nataon'ny tafika Israeliana.

Talohan'ny fananiham-bohitra tao Gaza, nokaramain'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny i Niv Calderon, Israelina manampahaizana manokana momba ny tetikady ety anaty media sosialy. Iraka nomena azy ny hamorona “efitrano iray tsy mbola nisy toa azy iketrehana ady mba hampiroboroboana ny fampielezankevitra Israeliana manerana ny tany.” Araka ny tenin'i  Calderon, “Misy ady iray atao amin'ny media, ary ny olom-pirenena tsirairay, ny solosaina tsirairay, dia miaramila avokoa”

Haneen Zoubi, Talen'ny ivon-toerana I’lam Media Center ho an'ireo Arabo sy Palestiniana ao Israely no nanondro ny fandrakofana ireo fanafihana tamin'ny 2009 ho toy ny “endrika mahatsikaikin'ny Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety.” 

Tamin'ny 2006, nandritry ny fananiham-bohitra tao Libanona, nampangainy ny gazety Israeliana, tamin'ny nilazany azy ireo ho “nivily tamin'ny anjara andraikitra maha-mpanao gzetyazy ireo, tsy nisy fampilazàna na fialàna tsny. (…)  Tahaka ny tsy nahavita intsony nanao ny asany tamin'ny fomba matianina izy ireo satria nanjary voabaikon'ny “fitiavan-tanindrazana”. 

Avital Leibovich, Talen'ny Fanaovana Gazety Iraisam-pirenena ho an'ny IDF , etsy ankilany, nilaza ho “gaga tamim-pifaliana” tamin'ny fandrakofana iraisam-pirenena natao an'ilay fifandonana, na dia tan anatin'ireo media noheveriny ho tsy miandany sy tsy mpomba an'i Israely aza. “Ela ny ela, takatr'izao tontolo izao ihany fa ny Hamas no mpihetraketraka,” hoy izy.

Fitàran'ny ezaka “Hasbara”

Dimy taona taty aoriana, nitombo ny fitsabahan'ny tafika tamin'ny fandraketana sy fanelezana fampielezankevitra, tamin'ny alàlan'ny lahatsary YouTube sy ireo kaonty ofisialy tao amin'ny Facebook sy Twitter, izay mamoaka tsy mitsahatra riaka-nà hafatra.

Ny tetikadin'ny media amin'izao andro izao dia ahitàna fampitan-kafatra an-tsary izay miezaka ny manome fanamarinana ny lojikan'i Israely ao anaty sary iray sy fomba tsotra tahaka ny nampiasain'ny tetikasa Visualizing Palestine izay efa nahazo loka, izay nifantoka tamin'ny fanehoana ireo fiantraikan'ny fibodoana ny Lemak'i Gaza amin'ireo Palestiniana.

Asehon'ny iray amin'ireo fanehoana an-tsary isan'ny miely be ny maha-lasa ho lasibatra ny trano iray any Gaza. “Rahoviana ny trano iray no trano ary rahoviana izy io no mivadika ho lasibatry ny tafika?”, hoy ny vakin'ny sary, ho setrin'ny fiampangana hoe midaroka tsy misy fanavahana ireo trano any Gaza ny Israeliana. Iray hafa no mampitaha ny “fomba ataon'i Israely hiarovany ny olon-tsotra” amin'ny. “fomba ataon'ny Hamas mahatonga ny olon-tsotra ho tandindonin-doza.”

Fanehoana an-tsary iray mahery vaika (jereo etsy ambony) no mampiseho bala afomanga miraraka any aminà renivohitra maro erantany, ka isan'ireny i New York, Londona ary Paris. 

Mantenana ireo mpisera amin'ny aterineto hizara ilay sary ny sary maherisetra iray manaitra maso raha toa izy ireny “mihevitra manana zo hiaro tena i Israely”. 

Ilay fampielezankevitra “hasbara” 2014 koa dia ahitàna lahatsary dokambarotra izay mipoipoitra rehefa misy mpampiasa mijery ilay lahatsary Youtube. Ny Ministera Israeliana misahana ny Raharaham-Bahiny no mitantana ilay kaonty ary miaty lahatsary marobe fampielezankevitra fanaratsiana ny Hamas. 

Teo anelanelan'ny 2009 sy 2014, nitatra be ireo ezaka ka nahitàna ampahany betsaka tamin'ny fiarahamonina Israeliana tafiditra tamin'ny ady tety anaty aterineto, narahana fifantohana mafy tamin'ireo anjerimanontolo. Araka ny lahatsoratra iray navoakan'ny Haaretz tamin'ny Aogositra 2013, niaraka tamin'ny Fikambanam-pirenenan'ireo Israeliana mpianatra, niomana ny hanofana “andiany miafina” avy any anatin'ireo anjerimanontolo miisa fito ao Israely ny Biraon'ny Praiminisitra, mba hirotsaka handra an-tànana ny diplaomasia (hasbara) ety anaty aterineto. 

Screen capture of YouTube Channel for Israel's Foreign Affairs Ministry.

Dikasarin'ny fantsona YouTube an'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny ao Israely.

Ny taona 2014, nanambara ny fisianà fampianarana momba ny ady anaty habaky ny serasera ny Anjerimanontolon'ny Haifa mba hiadiana amin'ny famadihana an'i Israely ety anaty aterineto ho tsy ara-drariny.Bar-Ilan, ny Hebrew University ary ny Ben Gurion University ireo anjerimanontolo hafa nandrindra ireny hetsika fampielezankevitra ireny

Mifangarika amin'ny sarim-paharavàna avy ao Gaza ny tantara lazain'ny milina fampielezankevitra avy ao Israely. Ny 16 Jolay fotsiny, ankizy efatra no matin'ny fiaramanidina Israeliana raha mbola teo am-pilalaovana teny amin'ny tora-pasika, ary nomontsanin'ny tifitra nataon'ireo fiara mifono vy Israeliana ny hopitaly tao Wafa ao Gaza. hatreto, olon-tsotra ny 77 isanjaton'ireo niharan-doza, fihetsika tondroin'ilay Israeliana mpahay tantara, Ilan Pappé, ho toy ny “famongorana taranaka atao mian-dàlana“.

Manosika fitantarana iray izay lavin'ny Israeliana sasany mafy tokoa ilay fampielezankevitra amin'ny media ataon'ny tafika. Ireo hetsika tarihan'olon-tsotra ety anaty aterineto, toy ny Mamaky fahanginana sy ny B'Tselem, arahan'ireo hetsi-panoherana ataon'ny vahoaka, dia mivoy tantara tena samihafa amin'ny avoakan'ny ofisialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.