Miondrika Amin'ny Mpitandro Ny Filaminana Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Miaro Ny Demokrasia Any Hong Kong, Fa Tsy Amin'ny Ray Aman-dreniny Mandritra Ny Sakafo

Police arrest a protester during a pro-democracy sit-in in Hong Kong on July 1, 2014. Photo by Xaume Olleros. Copyright Demotix

Nisambotra mpanao fihetsiketsehana nandritra ny fitokonana fitakiana ny demokrasia natao tao Hong Kong ny 1 sy 2 Jolay  2014 lasa teo ny mpitandro ny filaminana. Sary avy tamin'i Xaume Olleros. Fizakàmanana Demotix

Nahasahy nifanandrina tamin'ny mpitandro ny filaminana ireo mpikatroka mafana fo maro be tao Hong Kong nandritra ny fihetsiketsehana fitakiana ny demokrasia nataony vao haingana. Maherin'ny 500 tokoa mantsy ireo mpanao fihetsiketsehana nijanona teo nifanandrina tamin'ireo mpitandro ny filaminana ary nandà tsy hila tamin'ilay fitorevahana natao tamin'ny voalohandohan'ny volana Jolay ary nosamborina noho izany.  

Fa tsy manana fahasahiana toy izany akory anefa ny sasany amin'ireo olona ireo raha miatrika ny ray aman-dreniny eo an-databatra fihinànana ka hiresaka  fanovàna ara-politika. 

Toa manohana ny fijanonana amin'izao ireo olona efa zokinjokiny, mino mantsy izy ireo fa hitondra fikorontanana ara-politika sy ara-toekarena ny fihetsiketsehana sy ny fitokonana. Ireo tanora kosa dia vonona tanteraka ny hiady ho an'ny tena fahalalahana marina, na dia hisy vokany amin'ny ho aviny any aoriana aza izany. Hita matetika mandritra ny resaka ifanaovana mandritry ny fotoam-pisakafoanan'ny mpianakavy io tsy fitovian-kevitra io.

Nampanantenain'i Shina ny hisian'ny fifidianana mivantana any Hong Kong ho an'ny fifidianana izay ho filohan'ny mpanatanteraka amin'ny taona 2017, fa tsy fifidianana avy amin'ny alalan'ny kaomity, fa manantitrantitra kosa ny hoe mbola ho ny komity aloha no mankato ireo mpifaninana. Fari-piadidiana manokana ao Shina i Hong Kong, izay zanatany Britanika fahiny, ary miaina fizakantena betsaka avy amin'ny firenena kaomionista eo ambanin'ilay hevitra hoe “firenena iray, rafitra roa.” 

Satria raisina ho zava-dehibe tokoa ho an'i Shina ny “fitiavan-tanindrazana” eo amin'ny toetra hisafidianana ireo mpitantana an'i Hong kong, araka ny taratasy fotsy navoakan'ny fitondrana vao haingana, ahian'ireo mpanao hetsi-panoherana fa ho olona mpanohana an'i Beijing ihany ireo ho mpirotsaka ao  Hong Kong, ka mody nasiana ny fifidianana mivantana. 

Tato anatin'ny herinandro faramparany teo, mponina avy ao Hong kong an'arivony maro no nilatsaka an-dalambe, ary nahatratra 800,000 no nanao sonia ny fitsapan-kevi-bahoaka tsy ofisialy hitakiana ny zo mba ho afaka hanendry ireo hilatsaka hofidiana. Nanamafy ny fikambanana manao ny hetsi-panoherana “Bodoy am-Pitiavana sy am-Pilaminana ny Afovoany” (Occupy Central with Love and Peace)fa haka am-pilaminana ny afovoan-tanànan'i Hong Kong izy ireo raha tsy manaiky ireo manampahefana.

Na dia eo aza ny fanoherana mahery vaika, namoaka ny tatitra avy aminy momba ny fanavaozana ny fifidianana ny governemanta ao Hong Kong ny herinandro lasa teo, ary namintina fa tsy notohanan'ny maro an'isa ny fahazoan'ny olompirenena misafidy ireo mpilatsaka. Nanoso-kevitra ihany koa ilay tatitra ny hamerana ho roa na telo ny isan'ireo hofidiana.

Nanambatra hery ireo fikambanana olompirenena mpomba an'i Beijing mba hanangona sonia manohitra ny hetsiky ny Occupy Central, nanamafy fa hanimba ny toekaren'ny tanàna io. Nahangona sonia miisa 380.000 hatreto ny ezaka, nandritra ny faran'ny herinandro, raha 800.000 no tanjona.

Niteraka fizarazaràna ara-politika teo amin'ny fianakaviana sy teo amin'ny mpinamana ny fanetsiketsehana nataon'ny roa tonta io. 

Nilaza ny fahalemeny amin'ny resaka politika an-databatra mandritra ny fisakafoanana i Li Fung Ling, mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo izay manohana ny hetsiky ny Occupy Central, naneho hevitra tao amin'ny tranonkala mediam-bahoaka inmediahk.net. Nilaza taminy ny reniny fa mety hanohana ny hetsika fanangonan-tsonia manohitra ny Occupy Central, satria inoany fa manangana korontana be ao Hong Kong ireo mpanao hetsi-panoherana. Nangina fotsiny i Li. Nanazava ny fahasahiranany miatrika ny ray aman-dreniny izy:

我爸媽雖在香港土生土長,卻是七十年代最窮的那群,沒有受過良好教育,大半生替福建人公司打份牛工。對於他們而言,莫講香港不是什麼,其實人都不算什麼。肚皮話事 […]

他們相信,人就是要學懂「適應環境」,中國大陸有錢,帶領香港經濟發展,人人有飽飯食,還罵委屈是十分折墮。可是,或許不是因為他們大半生這樣事事「屈就」,今天都不會捱到我咁大。難道我今天讀多兩錢書就用民主理論去拋他們,罵他們犬儒?我做不到。也恕我不夠智慧,一次一次都無法把話向他們講明白。

Anisan'ireo tao anatin'ny sokajy sosialy nahantra indrindra tamin'ny taona 1970 ireo ray aman-dreniko na dia teraka tao Hong Kong aza. Tsy mbola nahazo fampianarana tsara izany mihintsy izy ireo, ary nandany ny fiainana tamin'ny fiasàna tao aminà orinasa natsangan'ireo olona sasany avy any Fujian, Shina. Amin'izy ireo, tsy hitany ny vidin'i Hong Kong. Na dia ny olombelona aza tsy dia misy vidiny loatra. Ny manao izay hitazomana ny kibony ho feno ihany no tena zava-dehibe. […]

Mino izy ireo fa tokony hianatra “hanaiky ny fiainana” ny vahoaka.  Ankehitriny, manan-karena i Shina ary mitarika ny fivoarana ara-toekaren'i Hong Kong, voky tsara ny vahoaka aty, ka tokony tsy hitaraina hoe tsy manana ny hajany. Angamba, raha tsy niaritra ny fanalam-baràka nandritra ny fiainany izy ireo, tsy ho afaka nanome ahy ny fitaovana rehetra nilaiko tamin'ny fibeazako. Ankehitriny, raha nahazo fampianarana aho, tokony hampiasa izay haiko momba ny resaka demokrasia ve aho hanoherako azy ireo sy hitsikerana ny heviny tsy mety hiova ? Tsy vitako izaho tenako ny hanao izany. Mamelà ahy ny amin'ny tsy fisian'ny teny ahafahako manazava ny  ato an'eritreritro aho.

Nandrafitra taratasy fankaherezana ireo mpikatroka mafana fo ” hiala” amin'ny ray aman-dreniny ny mpampiasa Facebook tsy mitonona anarana iray “Letter to Babamama” (taratasy ho an'ny Dadaneny), mba hiatrehana ny fahasahiranana mifampiresaka ny lafiny politika eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka:

或者你們會打我罵我,但我也必需跟你們誠實,其實我去了七月二日的佔中預演,被拉了。很和平,沒有受傷,也沒有留案底。我很怕說出口,怕家嘈屋閉,怕你們傷心難過。[…]

我愛你們,我也愛香港。我希望你們知道我們不是在搗亂,我希望你們知道我們也是熱愛和平。在這次佔中之前,我們已經做了許多許多。我參加過投票運動,我去過遊行,我試過和平集會,我也寫過無數的意見書。我和很多香港人一樣,都嘗試過很多合法的途徑去表達我們的不滿,但換來的是政府一次又一次的無視。這兩三年,香港市民已退讓妥協得太多。[…]

希望你相信你那個害羞膽小的兒子。

Mety ho bedinareo aho na ho voakapoka mihintsy, kanefa tokony hilaza ny marina aminareo aho. Nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehan'ny Occupy Central ny 2 Jolay teo aho, ary voasambotra. Hetsika tanatin'ny filaminana io. Tsy nisy ny naratra Tsy nisy firaketana heloka ara-panjakana ny fisamborana. Tsy sahy niresaka taminareo ny momba izany aho satria tsy tiako ny hisian'ny fifandirana eo amin'ny fianakaviana, ary ny hampalahelo anareo. […]

Tiako ianareo roa ary tiako i Hong Kong. Antenaiko fa ho tsapanareo hoe tsy mambolyfanakorontanana izahay. Antenaiko fa ho tsapanareo hoe mieritreritra fandriampahalemana izahay. Nanandrana fomba maro aho talohan'ny hetsika Occupy Central. Nandray anjara taminà fifidianana maro aho [distrika sy filankevitra mpanao lalàna], Namonjy famoriam-bahoaka sy nanatevinalaharana ireo hetsi-panoherana am-pilaminana aho. Nanoratra fomba fijery maro ho an'ny fitondrana aho. Toy ireo vahoaka hafan'i Hong Kong, naneho ny tsy fahafalianay taminà fomba ara-dalàna maro izahay, fa milalao anay foana ny fitondràna ary tsy miteny tsy mivolana hatrany. Nandefitra loatra ny vahoakan'i Hong Kong. […]

Miangavy, mba henoy ity zanaka lahikelinareo saron-kenatra ity.

Pejy Facebook iray antsoina hoe “Politics with relatives” (politika miaraka amin'ireo ray aman-dreny), nizara tantara iray hafa momba ny fifandirana eo amin'ny fianakaviana. Mino ireo ray aman-dreny fa tarihin'ireo hery avy any ivelany daholo ny hetsi-panoherana rehetra. Tafiditra anaty fifanakalozan-dresaka ny fihetseketsehana iray manohitra ny fampivoarana ireo Faritra Vaovao any Avaratra Atsinanan'i Hong Kong ho tanàna roa mba hisian'ny trano fonenana bebe kokoa. Manahy ireo mpanohitra fa hamotika ireo vondrom-piarahamonin'ny mpamboly izay sisa tavela ao Hong Kong ilay tetikasa 614-hektara, izay latsaky ny 96 hektara na 16 isanjato no atokana ho an'ny trano fonenana.

Nitaky ilay raim-pianakaviana fa tokony hosamborin'ny mpitandro ny filaminana ireo “tanora tsy tafita” rehetra ka  ampidirina am-ponja ampolo taonany. Tsy nahatàna ny fahanginany intsony ilay zanany lahy ary nitomany raha nitàna ny fitaovana fanaovana kajy entiny hampisehoana amin-drainy hoe ahoana ny mety hahatonga azy ho ” tsy tafita” amin'izao toetoetry ny fifanarahana miafina eo amin'ny governemanta sy ny orinasa ankehitriny izao :

我大學畢業之後如果每月搵萬五蚊,要幾耐先可以儲到首期買一個天水圍ge三百呎單位,之後供樓每個月要供幾多,幾歲先有能力生仔。再講對唔住爸爸,花你咁多錢讀咁多年書,自己都搞唔掂自己,可能要到三十幾歲都仲瀨係屋企痴飲痴食。呢個政府同d商家勾結,塞曬d錢落地產商袋,我地就咁捱法,我真係好嬲好無助。

喊完之後,爸爸靜左好耐,好似有少少動搖

雖然佢好可能繼續相信政府會係東北起樓解決問題,但至少佢宜家覺得d人去示威唔係單純收左美國人錢,無咁憎d示威者。

Hoy aho tamin'ny raiko : Andao ary atao hoe nandray karama 15.000 dolara Hong Kong aho [mifanahantsahana amin'ny 2.000 dolara amerikana] raha mahazo diplaoma. Firy taona aho vao hahangona ny vola aloa voalohany raha hividy tranonà 300 m toradroa any Tin Shui Wai [faritra mora indrindra ao Hong Kong]? Ohatrinona no tsy maintsy aloako ny amin'ny antoka isam-bolana? Dia firy taona aho izany vao afaka mba manana zanaka? Niala tsiny tamin'ny raiko aho tamin'ny volbe naloany ho fampianarana ahy, saingy tsy afaka mividy sakafo ho an'ny tenako akory aho ary mety mbola tsy maintsy mipetraka miaraka amin'ireo ray aman-dreniko hatramin'ny fahatelopolo taonako. Mifandray tendro amin'ireo orinasa ny fanjakàna, ary amin'ny manisaka ny fananam-panjakana ho any anaty paoketran'ireo mpandraharaha amin'ny resaka tany sy trano. Miasa toy ny andevo isika ary tezitra mafy aho fa tsy afa-manoatra.

Taorian'ny famoahako ny alaheloko, nangina nandritra ny fotoana lavalava ny raiko. Toa hita fa somary nanitsy kely ny fomba fiheviny izy.

Na dia mbola mino izay lazain'ny fanjakàna aza izy hoe hanome vahaolana amin'ny fanomezana tany ny fanitarana ny Avaratra atsinanan'ny faritra vaovaon'i Hong Kong, tsy hiteny intsony izy fa voavidin'ny Etazonia vola ireo mpanao fihetsiketsehana, ary lasa tsy dia sosotra loatra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana intsony.

Fandresena kely, angamba, saingy afaka hitondra fiovana lehibe ny fandresena kely maromaro, raha tsy ho an'ny hoavin'i Hong Kong, dia ho an'ny hoavin'ireo sakafon'ny mpianakavy.  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.