‘Iza No Hiaro Ny Mpiaro’ Fanontanian'ny Maro io Raha Mbola Mikaroka Mpamono Olona Ny Miaramila Tao Trinidad & Tobago

Members of the Trinidad and Tobago Defence Force conduct an exercise on Chacachacare Island in conjunction with U.S. forces. (DoD photo by Army Capt. Daisy C. Bueno, courtesy the USASOC News Service's flickr page, used under a CC BY 2.0 license.)

Manao fanazaran-tena miaraka amin'ny tafika Amerikana ao amin'ny nosy Chacachacare ireo mpikambana ao amin'ny tafika mpiaro an'i Trinidad sy Tobago. Sary DoD avy amin'ny Kapitenin'ny tafika Daisy C. Bueno, isaorana ny pejy Flickr-n'ny Antokon-draharahan'ny fanaovan-gazety USASOC. Nampiasàna ny fahazoan-dàlana CC BY 2.0.

Efa ho telo taona izao no nanambaràn'ny Praiminisitr'i Trinidad sy Tobago, Kamla Persad-Bissessar, ny fampiharana ny lalàna “voafetra” momba ny tany misy hotakotaka, endrika ivelany amin'ny ezaka atao hiadiana amin'ny firongatry ny asan-jiolahy. Tsy nijanona ny adihevitra tamin'izany fotoana izany mba hahafantarana raha toa ka fomba mahomby (na ara-dalàna) hamongorana ny firongatry ny herisetra io fepetra henjana izay manitsakitsaka ny zon'ny olon-tsotra io – marihana amin'izany ny an'ireo tanora, ny mahantra ary ny mainty hoditra avy amin'ireo vondrom-piarahamonina tsy dia mankaiza loatra. 

Najanona tamin'ny volana Desambra 2011 ny fampiharana ilay lalànan'ny tany misy hotakotaka, fa karazana ‘déjà vu’ (efa hita) ny herinandro vitsivitsy farany. Taorian'ny tifitra nahafaty miaramila iray tao Laventille, faritra heverina ho tena fieren'ny jiolahy, ny tafi-panjakana izay nitaraina fa any an-tanin'ady ao amin'io ‘toerana mafana’ io dia nampanao fikarohana ilay ahiahiana ho mpamono olona. Voalaza ho nanao ny asany tsy tao ambany fiahiana na fanampian'ny mpitandro filaminana ry zareo. 

Nataonn'ilay kaomisera mpisolo toerana ao amin'ny polisy mazava tsara ny heviny : tsy ara-dalàna izay miaramila manao ny asan'ny polisy ary na iza na iza manamboninahitry ny tafika hita manitsakitsaka lalàna na mampijaly olona dia ho samborina. Nefa amin'ny firenena izay mitontongana ny fitokisan'ny olona ny fampiharana ny lalàna dia maro no misalasala raha toa ka hanampy hiteraka fiforonana fiarahamonina mampidi-doza izay mety hampiroborobo ny jadon'ny tafika sy ny fihenjanan'ny mpitandro filaminana ny fampanantenan'ny Piraiminisitra “hamotsotra ny alikan'ny ady” ( hamela malalaka ny miaramila) ho amin'ireo mpamono olona — indrindra amin'ny fitandroana ny filaminana amin'ny fomba rehetra. 

Mirongatra ny asan-jiolahy any Trinidad sy Tobago nandritra izay folo taona lasa izay noho ny fitomboan'ireo jiolahy mitàm-piadiana izay vatsian'ireo mpivarotra zava-mahadomelina an-tsokosoko. Ankehitriny, eo anivon'ireo resaka mandeha hoe tena manafay tokoa ireo mpanao heloka bevava ny governemanta amin'ny alàlan'ny fampidirana azy ireo ho isan'ny olona karamain'ny fanjakana dia mitaintaina be ihany momba ny heloka bevava sy ny fomba fiatrehana azy io ny mponina.

Manara-maso ireo olana politika ny Wired868, iray amin'ireo bilaogy vitsy ao an-toerana , ary efa nilaza  mialohan'ny nisehan'ilay fanafihan'ny miaramila aza fa ” olana iray monja no misy eto; ary ao amin'ny fitsinjarana ny harena no misy izany”: 

Tamin'ny volana Oktobra 2013, nilaza tamin'ny “Trinidad Guardian” ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Gary Griffth, fa efa hitany ‘ireo olona voarohirohy amin'ny asa maloto izay nanana  fifanarahana manokana tamin'ny fanjakana tao anatin'ny fandaharanasa “Fiainiana sy Fanatanjahantena” [ hetsika iray ataon'ny Ministeran'ny Fanatanjahantena nikendrena mba hahafahan'ireo tanoran'ny ambany tanàna ho afaka hanao ireo hetsika ara-panatanjahantena ho toy ny safidy iray hidirana amin'ny fanaovana asan-jiolahy]. Raha marina io, dia tena misy marina izany ny famatsian'ny fanjakana vola ireo lazainy fa mpifanandrina amin'ny ‘Ady’ ireo ary izany no mahatonga ny fahasarotan'ny toeran'ny mpitandro filaminantsika[…]

Tsy maintsy averintsika dinihana hoe hatraiza ny fandaharanasantsika momba ny fampandrosoana no manome vàhana ny asan-jiolahy, hatramin'ny fanaovana ireo mpanao heloka bevava ho tsy ivelan'ny ara-dalàna fa zavatra tsy azo ialàna […] tsy vahaolana ary tsy azo ekena ho vahaolana ny fanekena ny famonoan'olona feno habibiana, maka ny toeran'ny fitsaràna. 

Tanisain'io lahatsoratra io ihany koa ireo antontan'isa avy amin'ny tranonkalan'ny Sampan-draharahan'ny Mpitandro filaminana any Trinidad sy Tobago hanazavana ny antony ilazàna fa sakàna tsy mampandroso ny fikirakiràna ny heloka bevava ivelan'ny fifehezan'ny lalàna. Eo ho eo amin'ny 25 isan-taona eo ho ny salanisan'ny vono olona feno tsy hitan'ny fitsaràna niseho tany Karaiba nandritra ny 15 taona lasa, saingy efa nihoarana io isa io amin'izao 2014 izao : 

Raha, ny marina, manaisotra ireo tomponandraikitra amin'io fanaovana heloka bevava io, tsy zavatra andrandraina sy manaraka ny làlan-tsaina ve ny fampihenana ny vono olona ? […] Tsy azon'ireo solontenam-panjakana odian-tsy hita ny jadona ataony. Tsy afaka mihevitra ny tsy hanaja lalàna ny olona mba hiatrehana ireo izay tsy miraharaha lalàna.

Nofehezinay izany fanekena izany tsy hoe satria ekenay ny famonoan'olona fa ny mifanohitra amin'izany aza – satria tsy ataonay izany.  Io no fifanoherana. Izany no fisainana anankiroa mifandàka. Izany no tsy mampandeha azy.

Asongadin'ny lahatsoratra iray nosoratan'Atoa Live Wire, mpitoraka bilaogy mamokatra indrindra ao amin'ny Wired868, ny fitondran-tenan'ireo tafim-panjakana fa efa manerana ny faritra izao ny fikarohana ilay namono nahafaty ny  Kaporaly Kayode Thomas :

Manao fanamiana miaramila  ireo mpanao sangy ratsy any Trinidad sy Tobago tato ho ato, amin'izao andro ifehezan'ny miaramila an'i Laventille izao hikarohana izay namono ny Kaporaly Kayode Thomas. Dakàny ny varavarana ary finganiny hidaraboka ny olona toy ny tao Toco tsy misy antoka na manampahefàna voatendrin'y lalàna . 

Nambaran'ny “Trinidad Guardian” tamin'ny Alarobia fa efa voasambotr’ireo lehilahy izay nanao fanamian'ny tafik'i T&T i Duane Skeete tao Grenade – izay karohana noho ny resaka mifandraika amin'ny famonoana an'i Thomas ny rahalahiny – niaraka tamin'ny fanohanan'ireo miaramila avy ao Grenade, tamin'ny alarobia. Tsy mbola nandre vaovao mikasika an'i Skeete ny havany hatramin'izay.  

Ekena fa tsy azo atao ny fisamborana any amin'ny firenen-kafa raha tsy nahazo alàlana tamin'ny Lehiben'ny Fiarovam-pirenena , ny Major Kenrick Maharaj. Nankatoavin'ny Minisitry ny Fiarovana Nasionaly, Gary Griffith na ny Piraiminisitra Kamla Persad-Bissessar lehiben'ny Filankevi-piarovam-pirenena ve io ?

Nentina niala an'i Grenade tamin'ny alàlan'ny angibimby ve i Skeete? Moa ve manana ny sampany toy ny Guantanamo ve i Teteron [ Foiben-toeran”ny Rezimantan'i Trinidad sy Tobago] ?

Raha lazaina amin'ny teny fohy dia toy ny iharan'ny lalànan'ny tany misy hotakotaka i Trinidad sy Tobago.

Tsy mbola nanao fanambarana mazava momba ny zava-niseho ny governemanta hatramin'izao, nefa miaraka amin'izay zava-nisy taloha tamin'ny fotoana nampiharana ny lalànan'ny tany misy hotakotaka tamin'ny 2011 sy ny tsy firaharahian'ny miaramila ny dingana mazava fanao mifandraika amin'izany dia maro no manontany tena,  amin'ireo teny avy amin'ilay calypso an'i King Austin manao hoe ” iza no hiaro ny mpiaro”? 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.