Mitady Mpitarika Manana Zotom-po Handrafitra Ny Fandrakofana An'i Amerika Latina Ny Global Voices

Photo credit (clockwise): uploaded by @freddyvilla on Twitter, from the Mídia Independente Facebook page,  by Camila Nóbrega – from the Rede de Comunidades e Movimentos contra a Violência Facebook page, from the Espetáculos de Circo do Projeto  ncora Facebook page, from the blog Rostros sin Ácido, from Hondurus by Flickr user Michael Mulvey, CC-ND-2.0, by @EmisorasUnidas on Twitter, ‘Censored’ bird openly shared on Twitter.

sary (clockwise): navoakan'i @freddyvilla tao amin'ny Twitter, tao amin'ny takelaka Facebook an'ny Mídia Independente , nataon'i Camila Nóbrega – avy amin'ny takelaka Facebook an'ny Rede de Comunidades e Movimentos contra a Violência, avy amin'ny takelaka Facebook an'ny Espetáculos de Circo do Projeto ncora, avy  amin'ny blaogin'i Rostros sin Ácido, avy amin'ny Hondurus an'ilay mpampiasa Flickr Michael Mulvey, CC-ND-2.0, an'i @EmisorasUnidas tao amin'ny Twitter, ‘Censored’ bird izay nozaraina tao amin'ny Twitter tamin'ny fomba malalaka.

Mahafehy fiteny roa sy manana fahalalàna momba an'i Amerika Latina ve ianao, manome lanja ny fahamarinana, fitoviana, ny finamànana miampita sisintany ary mazoto hatrany manao karoka amin'ny aterineto? Tia miasa ao an-trano? Mitady olona toa anao ny Global Voices!

Miandraikitra ny fanangonam-baovao miseho isan'andro ao amin'ny faritra misy azy no asan'ny mpamoaka lahatsoratra avy ao Amerika Latina, manoratra sy manambatra ireo tantara ampitain'ireo mpanoratra sy mpandika teny mahafatra-po ao amin'ny vondrom-piarahamonintsika tsy ankanavaka, mampivelatra ihany koa ireo loharanom-baovao rehetra tsara fototra amin'ny aterineto mba hitazonana ny lohan-daharana ao an-toerana eo amin'ny sehatra sosialy, politika ary ny hafanàm-po ao amin'ny aterineto.

Tokana ihany ny birao fampitam-baovao — tsy hita maso izy io, mpirotsaka an-tsitrapo ny mpanoratra ao amintsika, amin'ny fiteny maro ny loharanom-baovaontsika ary hita mivantana ato amin'ny aterineto. Ny ifantohan'ny fanangonam-baovaontsika dia amin'ny vaovao amin'izao fotoana izao, ny olana misy eo amin'ny fahalalahana maneho hevitra, ny sakantsakana rehetra ety amin'ny aterineto, hafanàm-po, ary tantara maro izay zara fa voatatitra na tsy dia asehon'ny haino aman-jery mahazatra.

Ireo andraikitra sahanina:

Tomponandraikitra amin'ny fampitam-baovao avy any Arzantina, Bolivia, Shili, Kolombia, Costa Rica, Ekoatera, El Salvador, Goatemala, Honduras, Meksika, NiKaragoa, Panama, Paragoay, Però, Orogoay ary Venezoela.
Manoratra, manamarina, ary mamoaka ireo tantara izay hita hoe mandresy lahatra sy manan-danja ao amin'ny faritra misy azy ao amin'ny aterineto.
Mampiditra ireo tranga marim-pototra miseho ao anatin'ny tantara atolotra ho an'ireo mpamaky tsy ankanavaka.
Manao izay rehetra vitany mba ho lohan-daharana eo amin'ny famokarana ireo tantara, buzz ary ireo zava-miseho matetika any amin'ny haino aman-jery sosialy sy ny haino aman-jerin'ny mponina ao amin'ny faritra.
Mamokatra ny raki-tahiry  misy ireo loharanom-baovao ao amin'ny aterineto azo itokiana sy voaara-maso tsara manerana ny faritra misy azy.
Mitantana ireo mpanoratra mahafatra-po sy ny fiaraha-miasa.
Manaja ny fe-potoana farany sy ireo zavatra rehetra takiana ao amin'ny fanmpakàrana lahatsoratra.
Mahafoy fotoana hatrany ho an'ireo vondrona ao amin'ny aterineto ao amin'ny faritra, birao fampitam-baovao ary ireo vondrom-piaraha-monina rehetra.
Miara-miasa ao amin'ny aterineto miaraka amin'ireo  vondrom-piarahamonina, manaraka ny torolàlana amin'ny resaka famoahana, iraka sy kolontsaina ato amin'ny Global Voices.

Ireo mpifaninana voafidy dia tokony:

Mahay miresaka tsy am-pihambahambana amin'ny fiteny Anglisy sy Espaniola.
Manana fahalalàna betsaka eo amin'ny resaka fampitam-baovao sy/na mikasika ireo zon'ireo mpanao hetsika mafàna fo rehetra.
Mahay mihaino ny fomba fijerin'ireo mpanoratra ao amin'ny faritra.
Mahay mamantatra ny olona sy ny feon'ny vahoaka azo inoana ao amin'ny faritra.
Mahatakatra ny fihetsiketsiky ny haino aman-jery mahazatra ny rehetra, ny gazety misy eo an-toerana ary ireo haino aman-jery sosialy misy ao amin'ny faritra misy azy.
Mahalala ny zo dizitaly, ny  fahalalahana maneho hevitra, ireo olana rehetra mifandraika amin'ny fikatrohana an-kafanam-po sy ny fihetsiketsehana hita ao amin'ny faritra misy azy.
Manana loharanom-baovao voaporofo tsara ary traikefa eo amin'ny fanoratana vaovao.
Mahavita manoratra miaraka amin'ny fihetseham-po sy fahafantarana tsara ny olana rehetra misy ao an-toerana ary mizara izany amin'ny mpamaky rehetra tsy ankanavaka.
Manana traikefa amin'ny fitarihana.
Manana tambajotra aterineto matanjaka sy azo itokiana tsara.
Afaka miasa mandritry ny 30 ora ao anatin'ny herinandro.

Raha te hametraka ny fangatahanao ianao dia:

Alefaso alohan'ny 15 Aogostra ny antontan-taratasy misy ny mombamomba anao rehetra (Curriculum vitae) sy ny taratasy mirakitra ny zotom-ponao (lettre de motivation) amin'io asa io izay mampisongadina ny asanao ary manazava tsara ny antony tokony hisafidianan'ny Global Voices anao. Alefaso amin'ny mailaka aty aminay amin'ny adiresy adminjobs@globalvoicesonline.org izany ka apetraho eo amin'ny faritra asiana ny antony ny anaranao arahan'ny soratra hoe ”Mpamoaka lahatsoratra mikasika ny Amerika Latina”.

Vakio eto ireo antony miisa 8 tokony hiasanao amin'ny vondrona Global Voices

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.