Mandalina Ny ‘Fotoam-piovàn'ny Kanto Sy Ny Fampielezan-kevitra’ ireo Mpanakanto Any Skopje

Ny Kooperacija (“Cooperation” na Fiaraha-miasa, teny Makedoniana entina hilazàna ny tranombarotra enta-madinika any amin'ireo tanàna kely), vondrom-panakanto tsy mampidi-bola fa mamelon-tena, dia nampiantrano fampirantiana nitondra ny lohateny hoe “Fotoam-piovàna: Ny Kanto ho Fanentanana Fanoherana ny Tsindrihazolena” [en, mk, misy sary] tany Skopje, vao tsy ela akory izay.

'Fear makes the world go round' by Ines Efremova. Photo by Kooperacija, used with permission.

‘Ny tahotra no mampihodina ny tany’ hoy Ines Efremova. Sary avy amin'ny Kooperacija, nahazoana alalana.

Araka ny tatitra [mk] nataon'ny fanangonam-baovao maromaro mitatitra momba ny kolontsaina [mk], anisan'izany ny SEE Cult [sr] any Belgrade, nampiranty asa avy amina olon-tsotra sy vondrona mpanakanto malaza maro izany hetsika izany. Hita tamin'izy ireo ny asatanan'i Vitaly Komar, IRWIN, Santiago Sierra, DETEXT, ary koa ny an'ireo mpanakanto mavitrika indrindra avy amin'ny faritra, tahaka an-dry Nemanja Cvijanović, Ibro Hasanović, Igor Toševski, Kristina Gorovska & Jure Lavrin, Ines Efremova, Filip Jovanovski, O-P-A, sy ny sisa.

Nanoritsoritra izany fampirantiana izany tao amin'ny pejiny ny vondrom-panakanto nanatontosa azy:

Kooperacija dia tetikasa mikendry ny hetsika ara-kanto ivelan'ny sehatry ny asa, ka misarika fomba fijery vaovao amin'ny famoronana sy ny fanandramana ny kanton'ny vanim-potoana ankehitriny […]

Ny tetikady voalohany amin'izany dia fakàna ireo toerana malalaka manerana ny faritry ny tanàna, sy ny fampirantiana amin'ny alalana andianà hetsika tsy ampoizina. Ny vokatra kendrena amin'izany dia ny adihevitra mametra-panontaniana mitondra ho aminà fanorenana indray momba ireo toerana mampiahiahy anatin'ny kanto, ary ny famokarana tontolo hahafahan'ny fifanankalozan-kevitra, ny traikefa ary ny fahalalahana maneho hevitra hitsiry.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.