Potehin'ny Polisy ao Bangladesh Ny Voankazo Manga Vokatra Fa Misy Formaldehyde

Dhaka Metropolitan Police jointly conducted a drive at Hatirpul Bazar against the health hazardous chemical, formalin.

Nidina teny amin'ny Bazarin'ny Hatirpul hiady amin'ny fampiasana formol ny Polisy Metropolitana ao Dhaka. Saripikan'i Reaz Sumon. Copyright Demotix (3/6/2014)

Vanim-potoana mahafinaritra ny vanim-potoana manorana sy mandrivotra (Mousson) ao Bangladesh rehefa heniky ny voankazon'ilay vanim-potoana ny tsena. Letisia mena, ampalibe maitso ary voatavo mavo eny ambony talantalana miloko isan-karazany, na mivangongo ao anaty harona sy eny ambony latabatra.

Tadiavina manokana ny manga  mamy sy be nofony, saingy sarotra ny nitady azy tamin'ity taona ity noho ny fidinan'ny polisy hisava ny fampiasana tsy amin'antony ny formol, raiki-pohy matanjaka avy amin'ny formaldehyde ampiasaina hitehirizana vokatra (fantatra amin'ny fampiasana azy hitehirizana faty). Tamin'ny volana lasa teo, nanangana vondrona afa-mihetsika haingana hitsapa ny tahan'ny formol ny polisy, nandraoka sy namotika entana vokatra eto an-toerana sy nohafarana avy any ivelany efa voafatratra.

Ara-boajanahary ny voankazo dia miaty formol 0.03-0.15 part per million (ppm), saingy niditra an-tsehatra miady amin'ny (fampiasana) formol ny polisy, izay mikendry voalohany indrindra ireo voankazon'ny vanim-potoana, izay nahita tahan'ny formol anelanelan'ny 3.5 ppm ka hatramin'ny 46 ppm amin'ny voankazo hita ao an-tsenan'ny renivohitry ny firenena ao Dhaka. Teo ny polisy dia nametraka toeram-pisavana teny amin'ny toerana miditra ny tanàna mitady voankazo efa betsaka formol.

Poizina mahery ny Formaldehyde. Mahafaty olona ny fampidirana 30 mL monja amin'ny taharo miaty formaldehyde 37 isanjato. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay tao Bangladesh, dia nampiasaina tsy misy fatrany tamin'ny hani-maitso, voankazo, hena ary ireo zavatra mety mora lò ny formol. Tamin'ny 30 Jona 2014, nandany ny volavolan-dalàna mametraka ny sazy fanagadrana ela indrindra sy onitra mavesatra dia mavesatra noho ny fampiasana tafahoatra ny formol sy varotra tsy ara-dalàna ny filankevitry ny minisitra ao amin'ny firenena. 

Mpanoratra gazety sady blaogera Anis Raihan ao amin'ny blaogy Istishon mitantara ny fomba ikarakarana ny manga amin'ny alalan'ny formol:

আম যখন গাছ থেকে পাড়া হয় তখনই একদফা ফরমালিন দেয়া হয়। এরপর এগুলো প্যাকেট হয়ে শহরে আসে। শহরে এসে পৌঁছাতে দেরি হলেও যাতে পচন না ধরে তাই প্রথম দফায় ওই ফরমালিন দেয়া হয়। পাইকাররা আমের ঝুড়ির মুখ খুলে কিংবা যদি দেখেন আম নরম তাহলে সব বের করে আরেক দফা ফরমালিন স্প্রে করেন। যাতে খুচরা দোকানগুলোতে পৌঁছানো পর্যন্ত আমের কোনো ক্ষতি না হয়। খুচরা দোকানিরা ওই অবস্থায় আম বিক্রি শুরু করেন। আম নরম হলে খুচরা দোকানেও ফরমালিন স্প্রে করা হয় আরও কিছুদিন আম রক্ষা করার জন্য।

Rehefa notazana ny manga dia tondrahana ny daozina formol voalohany. Avy eo dia afatratra sy entina any an-tanàna. Ny daozy voalohany dia entina hanentsenana ny fahatarana amin'ny fitondrana azy sy hisorohana azy tsy ho lò. Rehefa tonga dia manamarina ny mpamongady raha tsy maninona ny manga na mampiseho endrika fahalòvana ary dia manondraka daozy hafa indray raha ilaina mba hitehirizana azy ireo ho mangatsiatsiaka mandra-pizarazara azy eny amin'ny mpaninjara, izay mivarotra ny manga araka izay nandraisany azy. Nefa, raha mampiseho endrika fahalòvana ny manga eo ampandraisan-dry zareo azy dia manatsifotra daozina formol hafa indray ry zareo

Tsy faly amin'ny fahaverezan'ny vokatra ny mpivaro-boankazo. Ao amin'ny seranan'ny tanànan'i Chittagong, nitokona nandritra ny ora maromaro ny mpivarotra voankazo, milaza fa manorisory loatra azy ireo amin'ny fitsapana ny voankazo amin'ny milina tsy mifanaraka amin'izany ny polisy.

Raharaha manahirana any Bangladesh ny sakafo voapoizina. Tamin'ny 2012, niteraka fitroarana manerana ny firenena ny fahafatesan’ankizy 14 tao Dinajpur rehefa nihinana letisia miaty famonoam-boalavo.

Nisy fanadihadiana vao haingana nataon'ny governemantan'i Bangladesh miaraka amin'ny FAO avy ao amin'ny Firenena Mikambana nampiseho fa mihoatra ny 40 isanjaton'ny sakafo ao Bangladesh no miaty famonoam-boalavo voarara. Ny taharom-poizina ao amin'ny sakafo notsongaina dia in-telo ka hatramin'ny in-20 avo heny amin'ny fetra natsangan'ny Vondrona Eoropeana. Ao amin'io tatitra io ihany, 50 isanjato amin'ny hani-maitso sy 35 isanjaton'ny voankazo no nambara fa tsy mahasalama. Ny manga sy ny patsabe mbola lena notsongaina no nahitana tahana formol avo indrindra.

Police destroying the formalin affected fruits. Image by Reaz Sumon. Copyright Demotix (3/6/2014)

Polisy eo ampamotehana voankazo misy formol. Saripikn'i Reaz Sumon. Copyright Demotix (3/6/2014)

Nisy vondrona mpikatroka iray nandamina hetsi-panoherana iray antsoina hoe “Atsaharo ny fanapoizinana anay” tamin'ny volana mey teo ary nandrisika ny governemanta handray fepetra mifanaraka amin'izany. Dokotera iray, Dr. Shafiq, namoaka hevitra tao amin'ny Facebook fa tokony hisy lalàna henjana kokoa entina miady amin'ny fampiasana formol.

Blaogera Kobid nizara antotanisa mampitsangam-bolo mifandraika amin'ny sakafo voipoizina ao Bangladesh:

ভেজাল খাদ্যগ্রহণে ডায়রিয়ায় আক্রান্তদের মধ্যে প্রতি বছর প্রায় ৫৭ লাখ মানুষ কোনো না কোনোভাবে শারীরিকভাবে অযোগ্য হয়ে পড়ছে। সরকারি সংস্থা বাংলাদেশ পরিসংখ্যান ব্যুরোর (বিবিএস) এর সর্বশেষ তথ্য অনুসারে প্রত্যক্ষ বা পরোক্ষভাবে ভেজাল খাদ্যগ্রহণ জনিত কারণে ২০১০ সালে মৃত্যুহার ছিল প্রায় ৪০ শতাংশে।

Manakaiky ny 5,7 tapitrisa isan-taona ny olona marefo ara-pahasalamana noho ny sakafo tsy ara-boajanahary. Araka ny tarehimarika avy ao amin'ny Biraon'ny Antotanisa Bangladesh, manakaiky ny 40 isanjaton'ny fahafatesana tamin'ny 2010 dia vokatry ny aretina avy amin'ny sakafo tsy ara-boanajahary intsony na mivantana na ankolaka.

Tsy nifidy teny namatrapatraka ny blaogera Shahadat, tamin'ny filazana ireo olona mivarotra sakafo voapoizina misy fanafody tsy mahasalama:

শুধু মানুষের খাদ্যে নয়, যে কোন প্রানীর খাদ্যে ভেজাল দেয়া মানুষের কাজ হতে পারে না, যারা সামান্যতমও খাদ্যে ভেজাল সমর্থন করবে, তারাও মানুষ হতে পারে না! মানুষরূপী পশুই!

Tsy amin'ny sakafon'olombelona ihany, tsimifaditrovana ny manome sakafo tsy ara-boajanahary intsony amin'ny zava-manan'aina. Tsy olombelona ireo mampiasa ity fanapoizinana tsikelikely ity fa biby manana bika aman'endrika olombelona.

Fa mbola sarotra kokoa noho izany ny adihevitra. Araka ny navoitran'ny mpanoratra sady mpanao matoandahatsoratra Tahmina Anam ao amin'ny The New York Times, ny any ambanivohitra mahantra no mamokatra ny voankazo, izay amidy any amin'ny faritra an-drenivohitra. Lafo ny fitaterana ho an'ny mpamokatra kely ary saropady noho ny tsy fisian'ny fiara sahaza ametrahana ny vokatra sy ny fanemoram-potoana eny an-dalana vokatry ny fitohanan'ny fiara, fitokonana ary ny faharatsian'ny lalana. Ny formol no antoka ho azy ireo fa tsy ho very ny vokatra avy amin'izy ireo, fa ny tambin'izany kosa dia ny fahasalamam-bahoaka

Hamaha ny olan'ny sakafo lasa tsy ara-boajanahary intsony amin'izao fotoana izao ny fanenjanana ny fepetra amin'ny lalànan'ny fampiasana fanafody, saingy tsy hahavaha ny olan'ny fitaterana — ary ny fanirian'ny mpamokatra dia ny vahaolana amin'izany, na fanafody io na zavatra hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.