Ny Tsenam-barotry Ny Fifandraisan-davitra: Novain'ny Fitambaran'ny SFR-Numericable?

Visualisation des multiples chemins à travers une portion d'Internet - via The Opte Project CC BY 2.5

Fijerena ireo làlana marosampana amin'ny alalan'ny ampahan'ny Aterineto – avy amin'ny Tetikasa Opte CC BY 2.5

Maneho ireo fironana mavesatra iainan'ny tsenam-barotry ny fifandraisan-davitra amin'izao fotoana ny fitambaran'ny SFR-Numericable: hamaliana ny faniriana misongan'ireo matianina mba hitsinjaraina araka ny tokony ho izy ireo fitaovany, dia mikatsaka ny hampivondrona ireo tolotra avy aminy ireo mpandraharaha amin'ny fifandraisan-davitra. Mandrahona ny toerana bahanan'ny Orange ihany koa io fitambarana io, izay hatreto dia mpandraharaha omen'ireo mpitantana orinasa tombony.

 

Miaraka amin'ny fitambaran'ny SFR sy ny Numericable, mivonona ny hiatrika toe-javatra goavam-be ny tsenam-barotry ny fifandraisan-davitry ny orinasa. Tetikasa goavana izany, ireo orinasa roa ireo rahateo dia efa mitoetra tsara eo amin'ny tsenam-barotra matianina. Raha te-hanana toe-javatra goavana sahala amin'izay, mila miverina amin'ny taona 2005, tamin'ny fotoanan'ny firaisan'ny Cegetel sy ny Neuf Telecom, izay nanome ny Neuf Cegetel, izay lasa sampan'ny orinasa SFR avy eo.
 
Hatramin'ny 2010, mpandray anjara maro teo amin'ny Aterineto sy ny fifandraisana no nanjavona tamin'ny alalan'ny fitambarana (Club internet, AOL, Telecom Italia, Cegetel, sns.). Efa an-taonany vitsivitsy izao no misy fanavaozan-drafitra ara-teknika eo amin'ny tsenam-barotra noho ny finiavana misongan'ireo mpandraharaha hanamafy ny fisiany na eo amin'ny tsenam-barotry ny antso an-tariby, na ny finday. Noho izany fomba fijery izany indrindra no hitambaran'ny SFR sy ny Numericable, mba hamaliana ireo hetahetan'ny mpanjifa eo amin'ny lafiny sandany sy hamoràny.
 
Hifameno tokoa mantsy ireo tolotry ny roa tonta. Nosafidian'ny SFR manokana ny Completel, sampana B-to-B (Business to Business) an'ny Numericable, satria misahana ny “fibre optique” miaraka aminà tambajotra FTTO (Fibre any amin'ny Birao) goavana, raha toa ka ny anjara asan'ny SFR Business Team voalohany indrindra dia ny manome ny finday, ny xDSL, ny fampiantranoana, ny fibre ary ny cloud. Ny hevitra dia ny hiankinana amin'ireo tolotra mitovy zotra ka hanome tolotra fifandraisana mitambatra, izay ankafizin'ireo orinasa manokana, satria ahitana ireo fomba fifandraisana mivantana amin'olona maro, ireo fitaovam-piasàna iraisana ary ny tontolo informatika.

Atosiky ny filàn'ireo mpandraharaha hampiasa volabe eo amina fotodrafitrasa vaovao ihany koa io zotra fanavaozana rafitra io mba hihazonana ny hatsaran'ny tolotra. Izany ihany koa no atolotr'ity fitambarana ity:

Ho afaka averina atsofoka ao anatin'ny fanavaozana tahaka ny fampiasàna vola ao amin'ny Cloud, ireo tahiry ho azo avy amin'ilay fanovàn-drafitra 

araka ny fanadihadian'i Lionnel Piar, filoha lefitry ny Fifandraisan-davitra ao amin'ny CGI Consulting.

Ara-indostria, ny zavatra mahaliana ao anatin'io fifanatonana io dia ny hoe, amin'ny andaniny isika dia manana ny SFR izay misahana indrindra ny tolotra momba ny finday, ary amin'ny ankilany kosa dia manana ny Numericable izay misahana ny “câble”. Miaraka amin'io fifanatonana io, tafiditra kokoa anatin'ny fomba fiteny “mpandraharaha ankapobeny” isika, izay afaka manolotra ny fitambaran'ireo tolotra ireo ho anà orinasa iray. 

hoy ihany io manam-pahaizana io.
 
Izany no mandindona mivantana ny toerana bahanan'i Orange eo amin'ny tsenam-barotra B-to-B. Amin'izao fotoana izao dia mitàna 70% amin'ny tsenam-barotra io mpandraharaha io raha, ho azy roa mitambatra kosa, SFR sy Numericable dia mitàna 20 %, saingy mikatsaka ny hahatratra ny 30 %.
 
Mbola tsy maintsy miandry ny faneken'ny Manam-pahefana momba ny fifaninanana izany, izay mety haharitra am-bolana vitsivitsy eo. Saingy vantany vao manan-kery io tetikasa io, azo inoana marimarina ny hitodian'ireo mpitantana orinasa mankany amin'ity safidy iray ity, raha tena tsy ampy mihitsy izany hatreto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.