Tsy Mety Mahita Ronono Na Entana Fototra Hafa Any Venezoelà Noho Ny Tsy fahampian-tsakafo? Afaka Manampy Anao Ity Rindrambaiko Ity

"Contribute... Click on the map on the location of a product's sale, enter the name of the establishment and the type of price, then click on the green button and that's it! Your fellow citizens will thank you." Screenshot of the Abastéceme app for contributors.

Dikasarin'ny rindrambaiko Abastéceme, nahazoana alàlana. Mivaky toy izao izany: “Mandraisa anjara… Tsindrio eo amin'ny sarintany ny toeran'ny fivarotana entana iray, ampidiro ny anaran'ny orinasa sy ny karazam-bidy, avy eo tsindrio eo amin'ny bokotra maitso dia vita! Hankasitraka anao ireo mpiara-belona aminao.”

Inona no ataonao raha hitanao fa ao anatinà krizy ny firenenao, izay mamela ny ankabetsahan'ny mponina tsy hanana entana fototra tahaka ny lafarinina, ny ronono, na ny taratasy fivoahana?

Raha i José Augusto Montiel enao, enjeniera tanora iray mpianatra avy any amin'ny tanànan'i Marakaibo any Venezoelà, dia manamboatra rindrambaiko antsoina hoe Abastéceme [es], izay midika hoe “Vatsio aho “.

Tamin'ny 2013 ny Abastéceme no natombok'i Montiel miaraka amin'ny tanjona hanangana tambanjotra sosialy iray izay mametraka anaty saritany ireo toerana misy ny mponina ao Venezoelà manome entana fototra amboniny mba hahafahan'ireo izay mitady izany hahita azy ireo amin'ny fomba tsotra. 

Niady tamin'ny tsy fahampian-tsakafo i Venezoelà tanatin'ireo taona vitsy lasa, ary nanondro ny fanaraha-maso ny vidin'entana, ny tsy fahampian'ny tohana, ny fihenan'ny vokatra ara-pambolena ary ny fiankinan-doha amin'ny fanafarana sakafo avy any ivelany ho anton'izany ireo manam-pahaizana. Misy ihany koa ireo Venezoelana sasany no mivarotra indray ireo sakafo fanampiny omen'ny fanjakana any amin'ny varotra maizina. Araka ny voalazan'ny vohikala mpitati-baovao amin'ny teny Espaniola VOXXI dia vao avy nanomboka rafitra fanenàna ny fivarotana ny 20 amin'ireo entana fototra, isan'izany ny taratasy fivoahana, ny fanjakana be mponina indrindra ao amin'ny firenena, Zulia, mba hiadiana amin'ny fanodikodinana sakafo, rehefa nampahafantarina io rindrambaiko io tamin'ny 2013.

Tamin'ny herintaona, nitatitra ny Social Tech Guide fa nanampy ”olona Venezoelana an'arivony tanatin'ny filàna hahazo ny taratasy fivoahany” ny Abastéceme. Nanomboka teo, nitombo be io ary niparitaka tany amin'ny firenena maro. Niresaka mikasika ny fivoaran'ilay rindrambaiko i Montiel:

Abastéceme ha seguido creciendo en numero de usuarios, alcanzando casi los 40 mil usuarios tan sólo en su versión móvil. Con la adición de su versión Web se fortaleció aun más la plataforma, permitiéndole aun más personas el acceso a la misma, sin importar su status socioeconómico, lo cual es lo más importante para mí.

Nitohy ny fitombohan'ny isan'ireo mpampiasa ny Abastéceme, ka saika nahatratra mampiasa miisa 40.000 raha ny dikany amin'ny finday fotsiny ihany. Miaraka amin'ny dikany ao anaty aterineto [es], mbola nahazo tosika mihoatra lavitra ilay sehatra, izay manome fahafahana ho an'ireo mpampiasa maro kokoa hiditra hatrany amin'izany, na inona na inona ny rafitra ara-piarahamonina misy azy, izay zava-dehibe indrindra ho ahy.

Nanazava i Montiel fa nanomboka nijery ilay rindrambaiko ny vahoaka alohan'ny andehanan'izy ireo any amin'ny toerana fiantsenana lehibe. Ny ronono no entana tena malaza tadiavin'ireo mpampiasa azy, hoy izy.

Screenshot of the Abastéceme app, used with permission. It reads, "Find... Products shared around your location will automatically pop up, indicated with pointers. Click on these to receive information on the product."

Dikasarin'ny rindrambaiko Abastéceme, nampiasaina teo ambany famelàna. Mivaky toy izao ny soratra: “Mahità… hipotra ho azy ireo vokatra zaraina manodidina ny toerana misy anao, izay voatondro amin'ny alàlan'ny “curseur”. Tsindrio eo ambonin'izy ireo mba hahazoana fanazavana bebe kokoa mikasika ny vokatra.”

Mikasika ny faratakatry ny Abastéceme, dia nanampy izy: 

La mayoría de sus usuarios se siguen situando en la zona central del país, en especial Caracas. Desde el comienzo, Abastéceme ha estado disponible en otros países, su única limitante es que sólo puedes localizar productos en un perímetro no mayor a 100 km, lo cual es mucho.

Ny ankabetsahan'ireo mpampiasa dia mbola mipetraka ao anatin'ny faritra afovoan'ny firenena, indrindra any Caracas. Hatramin'ny voalohany dia efa afaka nampiasaina tany amin'ireo firenen-kafa ny Abastéceme. Ny fetrany fotsiny dia tsy afaka mahita ireo entana afa-tsy ao anatin'ny faritra 100km ianao, izay tena betsaka tokoa. 

Manohy ny fampivoarana ilay rindrambaiko i Montiel ankehitriny ary manana tanjona vaovao ho an'ny hoaviny, tafiditra ao anatin'izay ny fahafahana mampiasa azy aminà karazana finday maro hafa. Amin'izao fotoana izao, afaka ampiasaina amin'ireo fitaovana Android sy Blackberry izy.

Mi gran empeño es por poder llevar Abastéceme a los dispositivos Apple, y espero lograrlo antes que termine el 2014.

Ny fanambiko lehibe indrindra dia ny fahafahana mampiditra ny Abastéceme anatin'ireo fitaovana Apple, izay hiriko mba ho vita alohan'ny faran'ny taona 2014.

Ankoatra ny Abastéceme, miasa aminà tetikasa antsoina hoe Beatwagon ihany koa i Montiel, izay karazanà sehatra fihainoana hira mivantana mitovy amin'ny Pandora, natokana tanteraka ho an'ireo mpanakanto sy tarika tsy miankina. Manantena izy fa ho lasa toerana fandehanan'ny vahoaka hihaino ireo mozika nivoaka farany izany. 

Afaka mahafantatra bebe kokoa ny momba ny Abastéceme ianao ao amin'ny vohikalan'izy ireo sy ny Google Play store.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.