Korontana Teo Amin'ireo Bodista Sy Miozolmana Tany Mandalay Myanmar Namoizana Aina 2 Sy Naharatràna Maro. Iza No Homena Tsiny?

Khun Dee Yam shares a photo on Facebook of the mob that took part in the riots. He sarcastically wrote[my] “they don't seem like the ones who would pray before they go to bed. But still they claim to protect Buddhism. Hopeless.”

Khun Dee Yam mizara sary ao amin'ny Facebook avy amin'ilay fanetsehana vahoaka natao tao anaty Korontana. Hanihany mandratra no nanoratany hoe “Tsy mba tahàka ireo olona mivavaka alohan'ny hatory ireto izy. Nefa dia mbola milaza fa miaro hatrany ny Bodisma. Tsy misy azo antenaina.” Sary an'i Steve Tickner, nalefa tao amin'ny pejy Facebook-n'ny The Irrawaddy

Tamin'ny herinandro lasa, nisy korontana naharitra andro efatra nipoaka tao Mandalay, tanàna faharoa lehibe indrindra any Myanmar, any amin'ny faritra afovoan'ny firenena, taorian'ny filazana hoe nisy vehivavy Bodista iray naolan'ny Miozolmana iray mpiasany. Vokatry ny korontana, olona roa no maty — Bodista iray sy Miozolmana iray — ary 14 raha kely indrindra no naratra. Efa tòny ny toe-draharaha taorian'ny nanaparitahan'ny governemanta ny polisy ho ao an-toerana mba hiantoka ny fandriampahalemana ao amin'ilay faritra sy hametraka ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina.

Ito no farany indrindra tamin'ireo andianà fifandonana nahery setra teo amin'ireo Miozolmana vitsy an'isa sy ireo Bodista izay tena manana ampahany betsaka amin'ny mponina ao Myanmar. Ny sasany amin'ireo vondrona Bodista niampanga ny vondrom-piarahamonina Miozolmana ho mibodo ny firenena iray manontolo. Raha marina tokoa fa misy ny fifanenjanana ateraky ny resaka tsy fitoviam-pinoana, ny herisetra any amin'ny tanàna sasany indray dia ireo diso mpanao an-tendrony amin'ny resaka finoana no mamelombelona azy.

Ny olona sasany nivoy ny hoe mety ho tsikombakomba niniana natao handrehetana ny fifankahalàna ara-pinoana ao amin'ny firenena ilay korontana tamin'ny herinandro lasa iny. Ora vitsy nialoha ny nipoahan'ny korontana, ny Fikambanana'ireo Bodista Tanora dia nampitandrina ny mponina momba ny fisianà tetika handranitana herisetra any aminà tanàna samihafa :

Tandremo, mipetraha mandrakariva ho mailo !

Naharay vaovao izahay fa ety anaty tambajotra sosialy amin'ny aterineto sy manerana ny firenena dia manao tetika ireo tompon'antoka maniry ny hanangana herisetra mifototra amin'ny foko na finoana mba hampiredareda [ny teo-draharaha]. Vokatr'izany, mba hisian'ny fandriampahalemana sy ny fitoniana, ry vahoaka avy amin'ny karazam-pinoana samihafa, mipetraha mandrakariva ho mailo miaraka amin'ny fandeferana sy ny fahaizana mandinika mba hisorohana ny tsy hahatafiditra anareo ho amin'ny zava-kotrehin'ireo mpanao ratsy ireo!

Tamin'ny andro farany nisian'ilay korontana, nisy vondron'olona nifamory hisaona ny fahafatesan'ilay lehilahy Bodista, Tun Tun. Potiky ny fanetseham-bahoaka an-katezerana nandritry ny fandevenana ny sasany tamin'ireo tranobe tao amin'ny faritry ny toeram-pandevenana natokana ho an'ny Miozolmana.

Hsu Nhget, mpanoratra malaza ao Mandalay, dia nanakiana ny manampahefana tamin'ny tsy nahavitàn-dry zareo nifehy haingana sy tamin'ny fomba mahomby ireo korontana :

Jereo fotsiny tamin'ny fandevenana an'i Tun Tun. Nahitàna tovolahy maro tao anatin'ny vahoaka tao izay nikiakiaka sy nitàna tapa-kazo sy kibay, toy ireny vondron'olona mpihoko miditra ny tanàna ireny. Dia manontany tena aho hoe nahoana no navelan'ny manampahefana hisy ny toy izany? Azo takarina ihany ny hoe nifehy tamim-pahamalinana ny teo-draharaha ry zareo polisy satria marobe ireo vahoaka nefa vitsy kely ny mpitandro filaminana. Vokany, nosimbàn'ireo lehilahy tezitra (mora foana) ny faritra natao ho an'ny Miozolmana tao amin'ny toeram-pandevenana.

Natsangana ny kaomitin'ny fandriampahalemana ahitàna ireo mpitondra fivavahana sy mponina ao an-toerana mba hisorohana ny fiverimberenan'ny fifandonana feno herisetra ao Mandalay. Noahiahian'i  Thein Win Aung, filoha lefitr'ilay vondrona ho amin'ny fandriampahalemana ho “mpitaty ny vokatry” ny  “tetika politika” iray ho fisakanana ny vahoaka tsy hanohana ny  ‘fanentanana 436′ i Mandalay, fanentanana mikendry ny hanisy fanovàna amin'ilay lalàm-panorenana tohanan'ny tafika ao amin'ny firenena. Nomarihany fa nosakanana ny olona tsy hanohana ilay fanentanana ireo korontana nitranga, fanentanana izay hetsika politika goavana avy amin'ny mpanohitra tarihan'ilay endrika fanta-dazan'ny demaokrasia, Aung San Suu Kyi.

Nanainga ny vahoaka mba ho mailo izy amin'io “fika” hanariana dia ny sain'ny olona io :

Raha tsy takatsika ireny fikafika politika ireny, raha tsy mifampifehy isika samy isika, raha isika ihany no manao izay hahalavo antsika amin'ny fandrika, dia tsy ho i Mandalay irery, fa ny firenena, no ho rotiky ny afon'ny faharavàna.

Tetsy ankilany dia nisaotra ny mponin'i Mandalay ny governemanta tamin'ny fiarahany niasa namerina ny filaminana teo amin'ny fiarahamonina :

[…] Ny fitoniana androany dia vokatra miaraky ny fanahin'ny mponin'i Mandalay, ny fikambanan'ireo fiarahamonim-pirenena, ary tafiditra amin'izany ny mpampita vaovao, ireo mpitarika fivavahana izay maniry ny hitahiry ny lazan'ny fahaiza-miaina sy fahalalam-pomba, ny fandeferana ary ny firindràn'ny tanàna lehibe azy ireo, niaraka tamin'ireo fepetra noraisina ara-potoana nataon'ny governemanta. […]

[…] Mendrika ny fankasitrahantsika ihany koa.ireo mpitarika fivavahana sy fiarahamonim-pirenena nampian'ireo tanora tomponandraikitra avy aminà antokom-pinoana samihafa izay niezaka ny hiaro ny vahoaka amin'ireo tsy fifankahazoana tsy misy ilàna azy

Fibahanana ny Facebook

Nandritry ny korontana dia nobahanan'ny governemanta ihany koa ilay tambajotra sosialy malaza Facebook, tafiditra ao anatin'ny ezaka nataony hisorohana ny fiparitahan'ny kabary miaty fankahalàna tsy hiely manerana ny firenena. Nanaiky i  Win Kaung, Lehiben'ny polisy ao  Myanmar,nandritry ny tafatafany tamin'ny gazetiboky Irrawaddy fa nilaina  ny fibahanana ny Facebook mba hanakanana ny fifankahalàna ara-poko :

[…] Eny, nobahananay izy io. Rehefa manao famporisihana na manaparitaka vaovao tsy voamarina, tsy hoe fotsiny mety hiteraka fifankahalàna eo amin'ireo vondrona na olona samihafa izy; fa teny na andàlana avy amin'olona iray dia mety hitondra ho aminà fifandonana goavana. Ilaintsika ny manakana izany; tsy maintsy ezahantsika ny tsy ho tonga amin'ny toe-draharaha tsy  hay fehezina. Tsy maintsy mampiasa izay fomba rehetra azo atao isika. Eny fa na lasa tsy hay fehezina aza ny raharaha, tsy maintsy mampiasa izay fomba sahaza an'izay isika. […]

Fanampin'izany, nisy ihany koa tatitra nilaza fa lasibatr'ilay fanetseham-bahoaka ny sasany tamin'ireo mpanao gazety nanangom-baovao tamin'ireo korontana. Nisy ihany koa ny fandrahonana natao tamin'ireo mpitatitra vaovao sy masoivohom-baovao tety anaty aterineto. Noho io antony io, tsy afaka nitatitra tranga  betsaka nandritr'ireo korontana naharitra andro efatra ireo ny mpanao gazety.  Niteny i U Kyaw Myint, lehiben'ny Tambajotran'ny Mpanao Gazety ao Myanmar, fa fotoana izao mba handraisan'ny governemanta andraikitra momba ity olana ity:

…mila manao fanadihadiana an'ireo izay namporisika ny fifamonoana ny governemanta. Mety hiharatsy ny raharaha arakaraky ny tsy handraisan'ny governemanta ny andraikiny. Manana ny ho enti-manao hiatrehana an'ireny [fandrahonana] amin'ny tambajotra sosialy ireny ny governemanta. Mametraka ny tena momba azy rahateo ny sasany amin'ireo mpampiasa azy ireny. Azon'ny governemanta atao ny mampiantso azy ireny sy manamarina raha toa ka nanaparitaka kabary miaty fankahalàna marina ry zareo. Na manafaka azy ireny raha tsy marina ny fiampangàna. Miankina amin'ny fomba fitantànan'ny governemanta ny raharaha izany rehetra izany. Tsy misy mihitsy tokony hiresahana ny fiarovana ireo mpanangona vaovao rehefa tsy vitan'ny governemanta na dia ny hiaro ny olom-pireneny aza.  

Khine Nyien Thit, gadra politika fahiny, dia nizara tao amin'ny Facebook ihany koa taratasy iray nitondra  lohateny hoe “Tandremo… misy fandrika io”. Ilay lahatsoratra dia manondro ireo herisetra tany aloha natosiky ny fifankahalàna ara-poko tamin'ny 1967 sy iray hafa tamin'ny 1998 izay ny governemanta no nanosika azy mba hanodinana ny saina tsy hifantoka amin'ny politika. Avy eo ilay lahatsoratra dia manipika ireo fandranitana ara-pinoana tao anatin'ireo andianà herisetra tamin'ny 2012 tany Rakhine sy Meikhtila, ireovrehetra ireo izay tsy ny mponina tany an-toerana no nanomboka azy.

Nosoratan'ny mpanoratra ihany koa fa nandritra ny fotoanan'ny herisetra dia avo dia avo ny rahom-bava nahazo ny Antoko Ligy Nasionaly Ho an'ny Demaokrasia, izay manohana ny fanavaozana ny lalàm-panorenana. Nofintinin'ny mpanoratra tamin'ny filazàna fa azo atao ny fikisahan'i Myanmar ho any amin'ny demaokrasia raha hialàn'ny vahoaka ireo fandrika politika sy fikafika politika ikendrena ny tsy hisian'ny filaminana sosialy.

Manamafy ny fisian'ny hantsana lalina amin'ny resaka fivavahana sy foko ao Myanmar ireo korontana tao Mandalay. Mety hamily tanteraka ny làlan'i Myanmar tsy ho any amin'ny demaokrasia mandry fahalemana sy maoderina ireo herisetra tsy mitsahatra raha toa ka tsy voasakana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.