Ahoana No Hanivahana Amin'ny Fanarahamaso Ataon'ny Governemanta Ejipsiana Amin'ny Aterineto

Navoaka voalohany tamin'ny teny Arabo tao amin'ny bilaogin'i Tarek Amr, Kelmeteen ity lahatsoratra ity.

Samy nahare momba ny fikasan'ny Minisiteran'ny Atitany Ejipsiana hividy ireo programa sy fampiharana hanaraha-maso ireo tranonkalan-tambajotra sosialy sy bilaogy ary hitsapa ny hevi-bahoaka isika rehetra. Manoloana izany, na tsy dia taitra amin'izany fikasana voalaza izany aza isika, misy ny fandrosoan'ny teknolojia goavana tontosa raha hanadihady lahatsoratra – rindrambaiko fandikan-teny sy milina fikarohana ho porofo mivaingana amin'ny voalaza eo ambony. Vokatr'izany, nanjary misokatra hoan'ny daholobe, ny sampam-piarovana, ny orinasan'ny haivarotra ary ny gazety ny teknolojia hanarahamaso ny aterineto sy fanadihadiana ny votoaty antserasera.

 CCTV system

Kamera fanaraham-maso (CCTV) avy amin'i lydia_shiningbrightly tao amin'ny flickr. (CC BY 2.0)

Na dia izany aza, tsy mitsahatra hihoatra ny teknolojia ny sain'olombelona. Mamelà ahy hitanisa ireo fomba tsotra izay azon'ireo mpiserasera arahana mba hanahirana ny asam-programa fanarahamaso.

Amin'ny maha-olombelona, afaka mahatakatra ireo fiteny maneso isika ary mahafantatra izany tsara kokoa noho ny fitaovana teknolojika tsara indrindra hita ankehitriny. Raha ny fehezan-teny tahaka ny hoe “Tsara loatra ity finday ity fa manana vatoaratra tsy maharitra dimy minitra akory,” mahatakatra ny mpamaky rehetra fa maneso izany fehezanteny izany ary voambolana “tsara” no manivaka eto.

Mampanahirana ny programam-panarahamaso ny manoratra amin'ny alalan'ny sariohatra (fanoharana) sy ny hainteny mbamin'ny tahaka izany. Ohatra, afaka mampiasa teny tahaka ny “diezy” amin'ny toe-javatra izay ny olona mahafantatra ny zava-misy tianao lazaina ihany no mahatakatra azy, tahaka ny filazana ankolaka an'i ElSisi.

Safidy hafa azo atao ny manoratra amin'ny teny arabo amin'ny endri-tsoratra anglisy. Fantatra amin'ny fanoratana “Francoarabic (Frantsay-Arabo)” ity fomba ity. Raha ny marina dia afa-mahatakatra ny “Francoarabic” ny teknolojia, porofon'izany ny Microsoft Maren sy ny Yamli, saingy tsy dia mahafa-po ny tena fahamarinan'izany zava-bita ara-teknolojika izany, ary miha-ratsy kokoa aza rehefa tojo fitenim-paritra isan-karazany, tsipelina diso ary fanafohezan-teny.

Fomba hampivilian-dalana ny programam-panarahamaso sy fanadihadiana lahatsoratra ny manao fanahy iniana amin'ny tsipelina diso. Hampananosarotra ny asan'izy ireo izany, saingy tsy mandrava azy kosa. Safidy iray hafa hamitahana ireny programa ireny koa ny mampikambana voambolana amin'ny mifampitohy aminy.

Ny fampizarazarana ny hafatrao anaty sioka maromaro dia mahatonga ny tapany iray tsy ho takatra mihitsy raha tsy miaraka amin'ny hafa.

Mikasika ny fampiasana sary sy lahatsoratra kosa, tena sarotra kokoa ny manadihady sary sy manaisotra lahatsoratra ao anatin'izany noho ny fanadihadiana sioka sy vaovao farany amin'ny Facebook. Raha lazaina amin'ny fomba hafa, mila ezaka be amin'ny solosaina ny mandika ireo vazivazy sasany ao amin'ny Fiarahamonin'ny Fanebahana ao Ejipta noho ny lahatsoratra alefa ao amin'ny Facebook.

Mampiseho ny fahaizan'ny olombelona mihoatra noho ny milina ireo fomba vaovao hafa. Ohatra amin'izany, afaka mangataka amin'ireo mpamakinao ianao mba hamaky fehezanteny manomboka amin'ny ankavanana mankany amin'ny ankavia.

Maro karazany ireo fikafika ireo, misy afaka mamaky bebe kokoa momba ireo hevitra tahaka ny fisaritahana sy fampielezana, ary koa ny fomba hiarahan'izy ireo mba hananganana rafitra fanafenan-tsoratra matanjaka sy sarotra kokoa, na mamaky ireo fitaovana natao handisoana fanantenana izay rehetra rafitra an'aterineto mpiditra an-tsokosoko (intrus). Tahaka izany ihany koa ny hampizarazara ireo hafatra ao anaty sioka marobe, miainga amin'ny hevitry ny fampizarazarana ny fonosana an'aterineto izany mba hivadika ho sora-miafina eo amin'ireo rafitra mpamantatra mpiditra an-tsokosoko.

Na izany na tsy izany, mandroso ny teknolojia ary afaka manatratra ireo fikafika ireo. Na izany aza, tokony ho fantatrao fa miatrika fandaniana goavana nefa tsy maharaka ny tena izy sy ny hiadam-piasa kokoa ny fikasana hamaha ireo olana sedrain'ireo vokatra teknolojika ireo. Mila ahintsana ho hafatra ny tafo vao azo arahi-maso sy fakafakaina –  tahaka ireo fefin-jaridaina tsy mahasakana izay rehetra mananika azy, fa manasarotra kokoa ny asa ary azy miaro amin'ireo mpangalatra maro ka mihena ny vintana ho an'ireo mpananika ny hahahoatra azy.  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.