Sazy An-tranomaizina 15 Taona No Azon'ilay Saodiana Mpisolovava Waleed Abulkhair

Nahazo sazy 15 taona an-tranomaizina i Waleed Abulkhair, mpiaro ny zon'olombelona Saodiana malaza androany. Voampanga araka ny lalàna vaovao miady amin'ny fampihorohoroana napetraka tao anatin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy izy noho ny “fanevatevana ny lamina ankapobeny” sy “mandrehitra hevi-bahoaka”.

Nitranga izany na dia teo aza ny tabataban’ny Fikambanana tsy miankina manerantany tao anatin'ny roa volana latsaka taorian'ny sazy nahazo ny zaodahiny Raif Badawi tranomaizina 10 taona sy kapoka karavasy 1000 noho ny fananganana habaka.

Fantatra manerana ny media sosialy i Abulkhair, lehiben'ny fikambanana “Mpanaramaso ny zon'olombelona ao Arabia Saodita” ary manana mpanaraka maherin'ny 76k ao amin'ny kaonty Twitter-ny @WaleedAbulkhair. Taorian'ny didim-pitsarana, nisioka nilaza momba azy ny kaontiny:

Navoaka androany maraina ny didim-pitsarana farany an'i #WaleedAbuAlkhair 

Nahazo sazy an-tranomaizina 15 taona sy fandraràna tsy hiteny faritany mandritra ny 15 taona ihany koa ary onitra 200 arivo riyals izy. Hisy fanambarana hivoaka androany alina

“Mitsipaka ity didim-pitsarana ity aho, hanao fitsarana marina eo amintsika Andriamanitra, ny tantara ary ny olona”  hamaly amin'ny fotoam-pitsarana farany i #WaleedAbuAlkhair.

Bilaogera Ahmed Al-omran nisioka nanazava ireo fiampangana :

Voampanga araka ny lalàna vaovao miady amin'ny fampihorohorona ilay mpikaroka @WaleedAbulkhair noho ny fiampangana azy ho “nanevateva ny lamina ankapobeny ” sy “nandrehitra hevi-bahoaka”.

Tany am-ponja hatramin'ny 16 Aprily, nilaza ireo mpikatroka fa manatsimbadika tanteraka ny telo volana an-tranomazina teo aloha ny sazy an-tranomaizina vaovao 15 taona. Mpikaroka eny amin'ny onversite Dr Madawi Alrasheed nisioka tamin'ireo mpanjoky azy 181k, miampanga ny didim-pitsarana:

Fitsipika inona no manova ny didim-pitsarana 3 volana an-tranomaizina ho lasa 15 taona?

Mpisera Twitter Bander Qedeer (@ freetizen) nisioka tamina diezy mavitrika # وليد _ أبوالخير [ar], izay midika hoe Waleed Abulkhair, hoy izy :

Hahazo toeram-boninahitra, soso-kevitra ary avotsotra ireo extremista ara-potokevitra izay mandray fitaovam-piadiana ary mandeha miady, raha toa ka hahazo sazy an-tranomaizina maharitra kosa ireo manoratra sy mitsikera … manome safidy mafy hoan'ny olona ianareo

Tsy hampakatra any amin'ny fitsarana ambony i Abulkhair, mpanoratra gazetin'ny CNN, Mohammed Jamjoom nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 18.6K:

Nilaza i Samar Badawi, vadin'i @WaleedAbulkhair fa “tsy rariny ny didim-pitsarana. Notsaraina sy nogadraina noho ny asany amin'ny maha-mpikatroka ny zon'olombelona azy fotsiny i Waleed #Saudi

Nilaza tamiko i Samar Badawi, vadin'i @WaleedAbulkhair fa tsy mankatò ny maha-ara-dalàna ny fitsarana Saodita niampanga azy izy

Nilaza tamiko i Samar Badawi, vadin'i @WaleedAbulkhair fa sady tsy manaiky no tsy hampakatra ny fitsarana #Saodiana androany i WaleedAbulkhair

Ao anatin'ny fanenjehana tsy an-kiato ataon'i Arabia Saodita amin'ireo mpikatroka ny zon'olombelona izay mitohy hatramin'ny fiandohan'ny taona ity raharaha vaovao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.