Arzantina : Miara-Mitaintaina Amin'ny Ekipam-Pireneny Ny Mpankafy Baolina Kitra

PuntosdeAliento

Mihoby ny ekipam-pireneny amin'ny alàlan'ny fijerena ny Ushuia ireo mpankafy baolina kitra. Sary an'i Ministerio de Cultura de la Nación ao amin'ny Flickr. CC BY-SA 2.0

Niato avokoa ny zava-drehetra tany Arzantina nandritra ny lalao iray tamin'ny fiadiana ny Amboara Erantany. Manana ny fahazarany tsy azo hozongozonina amin'ny resaka baolina kitra ny firenena, ary nandritra ny 90 minitra na  mahery nilalaovana, nosoloin'ireo vahoaka Arzantina ny T-shirt mitsoriadriaka manga sy fotsy ny akanjo fitondra miasa.  Miara-milalao amin'ny fo, mitehaka, mihira ary mihorakoraka mila ho tapak'aina miaraka amin'ny ekipa tiany ry zareo. Voaravaka sainam-pirenena ny lavarangana sy ny trano, ary vetivety foana teo dia mahalala ny momba ny baolina kitra avokoa ny rehetra, na dia tsy nisy zavatra fantany aza.

Tsy dia nisy nampiavaka azy loatra ny tantara nandritra ny lalao fifanintsanana tamin'ny 1 Jolay teo amin'i Arzantina sy Soisa izay niafara tamin'ny fandresen'i  Arzantina 1-0 ka nampiakatra ny ekipa ho amin'ny dingana manaraka. I Angel Di Maria no namono ny baolina efa tany amin'ny faran'ny fanalavàm-potoana. 

Nandefa fitiavana sy fanohanana nahasafononoka ho an'i Arzantina ireo mpankafy taorian'ny lalao. Nanjary lohahevitra niasa be tao amin'ny Twitter ny Chau Suiza (veloma ry Soisa) sy #TeAmoArgentina ( tiako ianao ry Arzantina). Kanefa raha toa ka resy teo ny firenena dia mety ho fahadisoam-panantenana sy alahelo no nanamarika ny resaka.  Fa mety hivadika vetivety foana indray mipi-maso ho fankahalana ny fitiavan'ireo mpankafy Arzantina. Angamba noho ny fiadiana ny Amboara Erantany toy ny fampiononana ary ny faharesena dia midika fa tsy maintsy miatrika ny raharahany andavan'andro ry zareo.  

Mampiavaka ny Arzantina iray ny mamarana ny lalao amin'ny fangirifiriana.

Raha resy teo i Arzantina, dia tsy anton-dresaka io tenifototra hoe [ tiako ianao ry Arzantina] io.

Namintina ny zava-dehibe avy any Arzantina i @JuanGabrielCABJ :

Avy any Arzantina ny Papa, [ ilay mpilalao baolina kitra malaza taloha  Diego Armando] Maradona dia avy any Arzantina, mbola anay ihany koa [ ny mpilalao baolina kitra malaza Lionel] Messi sy ilay anjely kely iray [Di Maria no tiana holazaina amin'izany izay namono ny baolina ka nandresenay an'i Soisa]. Inona indray no mbola tadiavinay ?

Notsarovan'ireo Arzantina teo anivon'ny fifaliana tamin'ny tenifototra hoe Tenemos a Dios ( Manana Andriamanitra izahay) ny Papa  François : 

Nahazo Andriamanitra isika, nahazo Papa isika, nahazo Mesia isika, nahazo Anjely isika, ary mbola miandry ny Amboara isika . 😉

Nizara ny hasambarany ihany koa ireo mpilalao Arzantina, toy ny nataon'i  Ezequiel “Pocho” Lavezzi  tao amin'ny pejy Facebook-ny :

10442500_477495522353669_1439539550522285566_n

“Fandresena lehibe tena manan-danja!!! Ezaka tsy mampino nataon'ny ekipa!!! Alefa Arzantina.” Sary nozaraina tao amin'ny pejy facebook ofisialin'i  Ezequiel Lavezzi

Nanoratra [es] tao amin'ny pejy Facebook-ny ofisialy ihany koa i Lionel Messi :

Nadie dijo que iba a ser fácil. Un pasito más. #VamosArgentina

 Nobody said it was an easy game. Another big step.
#VamosArgentina

- LIO

Tsy nisy nilaza fa lalao mora iny. Dingana goavana iray hafa.
#VamosArgentina (Alefa, Arzantina ).

- LIO

Mandritra izany fotoana izany, ny sisa tavela dia ny miandry ny lalao manaraka ary nahoana moa no tsy hamaly izao fanontaniana manaraka izao : 

Isan'ireo nanohana ny lalaon'i Arzantina ilay [ kintan'ny baolina kitra Breziliana] Pelé ary dia vintana tsara izany. Tianareo hanatrika ny lalao ampahefa-dàlana ve izy ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.