Mety ho Alfred Kinsey-n'i Rosia Ve i Snowden?

Snowden as the modern day's Alfred Kinsey? Images mixed by author.

Snowden ve no ho Alfred Kinsey amin'ny vanim-potoana maoderina? Sary namboarin'ny mpanoratra.

Edward Snowden no Alfred Kinsey amin'ny vanim-potoanan'ny aterineto. Izany no nambaran'ilay mpanao gazety Rosiana Dmitri Gubin tamin'ny lahatsoratra bilaoginy tamin'ny herinandro lasa, mandinika izay mety ho fiantraikan'ny fanarahamaso faobe ataon'ny governemanta eo amin'ny fenitra ara-tsosialy hoavy.

Malaza amin'ny fikarohana nataony nanomboka tamin'ny taona 1950 mikasika ny fitondrantena ara-pananahan'ny olombelona i Kinsey, izay nanampy tamin'ny revolisiona manohitra ny fisainana ara-pananahana nentim-paharazana tao amin'ny firenena Tandrefana. Nahatafita ny tolony i Kinsey noho ny fampiharana fomba siantifika henjana tamin'ny fandinihana ny fananahana, izay tontosa noho ny fananana tahiry marobe.

Tao amin'ny lahatsoratra bilaoginy, manontany i Gubin raha mety hanova ny fahalalana iombonana vaovao momba ny fitondratenan’ olombelona ireo Tahiry Goavambe nangonin'ny governemanta nandritra ny fitsikilovana ny Aterineto, avy amin'ny fandaharan'asa PRISM an'ny NSA na SORM an'ny FSB.

Как часто мы ругаем власть? Материмся? Плачем? Изменяем слову, делу и телу? Напиваемся в хлам? Повышаем голос? Завидуем? Как часто меняем свои взгляды в течение жизни — и нормально ли их менять?

Impiry mitsikera ny manampahefana isika? Miteny ratsy? Mitomany? Impiry mihemotra amin'ny tenintsika sy ny fihetsitsika? Impiry mimamo hampanadino? Mitabataba? Mialona? Impiry miova hevitra eo amin'ny fiainana? Tsy maninona ve izany ny miova raha izany?

Когда мы получим ответы на эти вопросы, возможно, пересмотрим свои представления о том, что мы есть. А также изменим рамки одобряемого и осуждаемого с точки зрения интересов общества, то есть общественной морали. И ФСБ с его СОРМом, и ФБР, и ЦРУ, и АНБ нам в этом окажутся невольными, но помощниками. Как и все социальные сети, с которых вылетит твит – не поймаешь, паблик черненький не смоешь и платочком не сотрешь, а сотрешь — так есть кэш Гугла и Яндекса, а введут запрет выдавать кэш после требования пользователя — есть еще перепосты и скриншоты.

Ну хорошо, скажете вы, с Фейсбуком и ВКонтакте все ясно. Но как получить интересующую информацию из ФСБ, ФСО и прочих закрытых организаций? Да очень просто! На каждое АНБ и ФСБ найдется свой Сноуден. При таких масштабах работ – не может не найтись.

Raha manana valiny amin'ireo fanontaniana ireo isika, dia azo atao ny mihevitra indray ny fijerintsika momba ny tenantsika. Ary afaka manova ny zorom-pijerena amin'izay ekena sy melohina, rehefa mitodika amin'ny tombontsoan'ny besinimaro, izany hoe, mijery ny fitondrantena anivom-piarahamonina. Ary ho mpiaramiasa tsinahy amin'izany ny FSB amin'ny SORM sy ny FBI, CIA ary ny NSA. Tahaka izany ihany koa ny amin'ireo tambajotra sosialy. Tsy ho tratranao avokoa ny sioka tsirairay, tsy ho voadionao ny sehatra hoan'ny daholobe, ary raha mahavita mamafa zavatra aza ianao, misy foana ny miraiki-tapisaka (cache) ao amin'ny Google sy ny Yandex. Sakano ny mirai-tapisaka fa mbola mipoitra indray ny fampitan-kafatra (repost) sy ny pikantsary.

Izany no mahatsara an'ny Facebook sy Vkontakte, hoy ianao. Saingy ahoana no fomba hahazoantsika vaovao mahaliana avy amin'ny FSB, FSO, sy ireo fikambanana miafina hafa ? Oadray, tsotra fotsiny ! Any amin'ireny NSA na FSB ireny, dia hisy Snowden tsirairay avy. Amin'ireny tetikasa midadasika ireny, tsy sarotra ny hahita iray.

Amin'ny fampiasana ny aterineto, dia afa-misisika mijery izay miafina amin'ny fiainantsika tsy tafiditra ny tany ivelany taloha ny fitsikilovana ataon'ny fanjakana. Rehefa mandrakitra ny fitondratenantsika amin'ny aterineto isika, dia hahita ny fizotram-piainantsika ny manampahefana ary mahafantatra antsika kokoa noho ny fahafantarantsika ny tenantsika. Raha afaka mampiseho ny fikarohan'i Kinsey fa hafa tanteraka noho izay nofaritan'ny nentim-paharazana ny fitondratenan'olombelona, inona no azon'ny PRISM sy SORM lazaina antsika momba ny “fihetsika mahery” [extremisme] sy ny “fampihorohoroana”? na ny tahan'ny fanaratsiratsiana an'i Vladimir Putin ? Dia ho inona tokoa moa izany no mety ho apoitran'ny fahapotehan'ny fiainana manokana hatrany ifotony amin'ireo karazana fitondrantena politika rehetra?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.