Bangladesh : Làlana Voaravaky Ny Loko Marevaky Ny Fiadiana Ny Amboara Erantany Mba Hifaninana Amin'i Brezila

Image by S. M. Mobasser Hussain

Sary avy amin'i S. M. Mobasser Hussain. Ny “World Cup Goal-E”. Nahazoana alàlana.

Izay làlan-kely tsotra fahiny tao amin'ny tanànan'i Dhaka Taloha, renivohitra manan-tantaran'i Bangladesh no indro ankehitriny fa làlana voahaingon'ny haikanto an-dàlambe mankalaza ny Fiadiana ny Amboara Erantany FIFA 2014.

Vondronà iray misy mpiasa an-tsitrapo eo amin'ny 200 eo no nanova ny endriky ny làlana tao anatin'ny 24 ora latsaka ho toy ny fandraisana anjara amin'ny  ‘The Wordl Cup Goal-E, (Goal-E-n'ny Fiadiana ny Amboara Erantany)  fiaraha-miasan'ny fikambanan'ny Tanora  One Degree Initiative sy ny antokon-draharaha mpanao dokambarotra Zanala Bangladesh, ho fanapariahana ny fientanentanan'ny Fiadiana ny Amboara Erantany. Tahaka ny fandrenesana ny hoe goli (làlan-kely) izay zava-mispngadina mahazatra tao Dhaka Taloha ny fanononana ny teny hoe : Goal-E.

Tsy tafita hilalao tamin'ny fifanintsanana 2014 i Bangladesh, nefa na dia izany aza dia voan'ny tazon'ny Fiadiana ny Amboara Erantany ireo mpitia baolina kitra ao amin'ny firenena.  Maro no tia an'i  Arzantina na i Brezila.  

Noraketin'ny World Cup Goal-E tao anaty lahatsary YouTube ilay ezaka, tafiditra anatin'izany ny dihy tselatra iray :

Manana karazan-tsary maro momba ny  fanovàna tahaka izao ny pejy Facebook -n'ilay tetikasa : 

Image by Dipu Malakar.

Dihy tselatra tany KoltaBazar. Sary avy amin'i Dipu Malakar. The World Cup Goal-E. Nahazoana alàlana.

Image by Sabhanaz Rashid Diya.

Sary avy amin'i Sabhanaz Rashid Diya. The World Cup Goal-E. Nahazoana alàlana.

Painting the walls. Image by Simu Naser

Fandokoana rindrina. Sary avy amin'i Simu Naser. The World Cup Goal-E. Nahazoana alàlana

The painting of walls drew much crowd. Image by S. M. Mobasser Hossain

Nahasarika olona ny loko. Sary avy amin'i S. M. Mobasser Hussain. The World Cup Goal-E. Nahazoana alàlana.

Image by S. M. Mobasser Hussain.

Sary avy amin'i S. M. Mobasser Hussain. The World Cup Goal-E. Nahazoana alàlana.

Image by S. M. Mobasser Hussain

Sary avy amin'i S. M. Mobasser Hussain. The World Cup Goal-E. Nahazoana alàlana.

Niresaka tamin'i Sabhanaz Rashid Diya, iray amin'ireo mpikarakara sady mpitoraka bilaogy, mpanoratra, mpaka sary ary tanora mavitrika ny Global Voices :

Global Voices (GV): Inona no aingam-panahy omen'ny Wordl Cup Goal-E?

Sabhanaz Rashid Diya (SRD): Fomba maro samy hafa no ankalazan'izao tontolo izao ny Fiadiana ny Amboara Erantany. Nitombo tao anatin'ny tfahitàna ireo sainam-pirenen'i Brezila sy Arzantina eny an-tafotrano mandritra ny fiadiana ny Amboara Erantany izahay, renay ny fifamaliana sy ny ady momba izay mendrika indrindra ho tompon-daka. Fa nahoana no tsy manao zavatra hafa ?  Ireo sarisary mahafinaritra any amin'ny faritra maro maneran-tany no nanainga anay handoko ny làlan-kelin'i Dhaka Taloha.

Tianay mba ho toerana fandehanan'ny mpizaha tany ity làlana ity,  fomba iray vaovao ho enti-manavaka an'i Dhaka. Amin'ny maha-iray amin'ireo tanàn-dehibe mitombo haingana eto amin'izao tontolo izao azy, dia zakany tsara ny hanjary toerana falehan'ny mpizaha tany.  Efa ankalazaina ho toy ireo mponina sasany mahafinaritra indrindra, mahay mandray olona indrindra eto amin'izao tontolo izao izahay, koa nahoana no tsy hataonay mahafinaritra, manaitra , tsara araka izay tratra ny làlanay ?

Tianay haverina foronina ny famaritana ny hoe fizahantany, ary atao fantatry ny olona fa tsy voafetran'ny toerana mahafinaritra voajanahary ihany izany fa mety ho hita na foronin'ny olon-tsotra ihany koa. Mijoro am-pireharehana ho ohatra amin'izany ny World Cup Goal-E.

GV: Nahoana no nisafidianana manokana ity ‘goli’  an'i Dhaka Taloha ity ? 

SRD: Nofidianay ity ‘goli’-n'i Dhaka Taloha ity satria ao no ahitana ireo kolontsaina sosialy iraisana amin'ireo firenena aty Azia Atsimo. Mifankahalala ny olon-drehetra, ny vahoaka tanora, na dia manana ny fianakaviany manokana aza, mbola miarahaba ny lehibe amin'ny fanondrehany ny loha, ary mitombo toy ny hoe zanaky ny olona rehetra ao anatin'ny vondrom-pirahamonina ny ankizy eto.

Raha vao natsipinay ny hevitra dia ny fiaraha-monina ao Kolta Bazar no tena nandray izany an-tànan-droa sy tena nandray anjara mavitrika.

Manana ny lanjany arak'endrika nananganana azy ihany koa ny làlan'i Dhaka Taloha, io araka izany dia efa mampisy dikany kokoa ny hanaovana izany any, efa zava-kanto sy hetsika fanomezana endrika tsara rahateo ihany koa ny Goal-E-n'ny Fiadiana ny Amboara Erantany amin'ny lafiny iray.

GV: Ahoana ny fanatanterahana ny fankalazana ny baolina kitra any amin'ireo ‘goli’ tsy dia malaza loatra eto Bangladesh ? 

SRD: Azon'ny tsirairay atao na aiza na aiza izany. Misy izao mpifanolo-bodirindrina sy tsena mivarotra ny vokatra eto an-toerana ( bazaar)  any ambanivohitr'i Bangladesh mandoko amim-pireharehana ny tsenany sy ny tranony mba hanehoany ny ekipa tohanany.

Raha ohatra ka manontany ahy làlana iray manokana ianareo dia mety ilazako hoe somary tery avokoa ny làlana rehetra eto Bangladesh, fa miray sy miaina  amin'izay miseho amin'ny Goal-E-n'ny Fiadiana ny Amboara Erantany. Raha ny marina dia ireo mpitia baolina kitra an-tapitrisa any Bangladesh no manao izay tratry ny heriny mba hanehoany ny fitiavany izany amin'ny fanaovana ity Goal-E manokana ity.

Azafady, mba zarao ity lahatsary ity satria na dia tsy ho afaka mandoko ny rehetra aza IZAHAY, dia misy olon-kafa àny manana aingam-panahy hanao izany.

Image by Md. Mostafizur Rahman

Sary avy amin'i Md. Mostafizur Rahman. Goal-E-n'ny Fiadiana ny Amboara Erantany. Nahazoana alàlana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.