Mivazivazy Amin'ny Fivoaran'ny Ekipam-pirenena Eo Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-Tany Ny Rosiana

"Welcome, Sir": a Russian goalie's mistake. Anonymous image found online.

“Tonga soa Andriamatoa”: hadisoan'ny mpiandry tsatokazo Rosiana. Sary tsy misy tompony hita tanaty aterineto.

Mety manontany tena ny mety ho vintana hahafahany miakatra amin'ny dingana fifanintsanana ny ekipam-pirenena Rosiana, izay hiatrika lalao goavana ifanandrinany amin'ny Belzika rahampitso, izay mpitarika ao amin'ny vondrona H, sy taorian'ny nanaovany ady sahala 1 sy 1 tamin'i Korea Atsimo ny Talata lasa teo. Tahaka izany ihany koa ireo Rosiana mpankafy. Vokatry ny hadisoana goavana nataon'ny mpiandry tsatokazo Rosiana Akinfeev, izay nahazo resabe noho izany tao amin'ny Twitter, io ady sahala io. Raha ny marina, amin'ny ankapobeny dia tsy nananan'ireo mpampiasa RuNet antra ny ekipany, izay nitsikera azy ireo ho tsy nisy fivoarana sy manao lalao mampatory.

Tonga amin'ny tampon'ny lalaony ireo mpivazivazy roa miaraka ao amin'ny Twitter, KermlinRussia, nandritra ny lalao: 

Vita ny tapany voalohany. Ny hany fotoana nampihorohoro tadidiko dia rehefa nalaiko sary an-tsaina fa milalao amin'ny ekipa avy any Alemana isika fa tsy ekipa Koreana.

Tahaka ny mahazatra dia nahodin'i Kermlin any amin'ny politika ny resaka:

Raha nifanandrina tamin'i Korea Avaratra isika, dia ho ny adin'ny samy ngeza roa izany. Amin'izao fotoana izao, iza no liana amin'izay hifanandrina amintsika.

Manao fampitahana amin'ny lalao Olaimpikan'ny Ririnina sy ilay Koreana tatsimo mpikorisa amin'ny skate nifaninana ho an'i Rosia izay nahazo medaly volamena maro be ny mpampiasa Twitter iray hafa:

Manantena aho fa nanam-potoana niresahana tamin'ireo Koreana i Victor An sy nanazavana tamin'izy ireo fa mety ho Rosiana ihany koa ry zareo atsy ho atsy.

"Hook-hands." Anonymous image found online.

“Tànana vy mifaingoka” Sary tsy misy tompony hita tanaty aterineto.

Fotoana fohy taorian'ny tsy nahafahan'i Akinfeev nanakana ny baolina matin'ny Koreana, dia nosahalain'ilay mpilalao tranainy ao Rosia, i Kerzhakov, ny isa. Tsy mbola nampitony ny Twitter Rosiana anefa izany:

Tonga teo akaikin'ny tsatokazo ihany i Kerzhakov, mba tsy hisian'ny mety ho tsy famonoana, ary nitoko. 

Raha nanohy ny foto-dresaka politika ny kaonty Twitter “Joseph Stalin” dia naka ohatra tamin'ny fanazarana nandritra ny vanim-potoana Sovietika, izay nahazoana sazy ka hanaovana asa an-terivozona ho an'olon-droa an-tranomaizina mandritra ny herintaona, ho takalon'ny fitondran-tena tsara, (vazivazin'ny marenina, angamba, raha tsahivina ny sazy nahazo ny ekipam-pirenen'i Korea Tavaratra taorian'ny faharesena manala baraka nandritra ny fiadiana ny Amboara Eran-tany 2010):  

Tokony hisaina ho roa ny baolina matin'i Kerzhakov! [fanamarihana : amin'ny teny Rosiana dia “taona” ny “god” raha toa ka “baolina maty” ny “gol”, fampianarana].

Nisy mpitoraka bilaogy iray nitsikera mafy ireo ekipa roa ireo : 

Мда, досмотрел я все-таки это позорище. Своя изюминка и здесь, впрочем, была – ее придавали корейцы. Дело в том, что, как оказалось, сб. Южной Кореи – просто совершеннейший брат-близнец нашим! Такие же нелепые, неумелые, робкие и тупые до изумления игроки. Создавалось порой полное впечатление, что сборная России играет сама с собой.

Ie, avy nijery io sarintsarin-dalao io aho. Nisy antsipirihan-javatra iray mahaliana – avy tamin'ny Koreana izany. Araka ny hita dia ekipa kambana tanteraka amin'ny antsika ny ekipa Koreana Tatsimo! Samy manana mpilalao mitavozavoza, tsy manana traikefa, saro-kenatra ary tena vendrana. Indraindray dia voafiraka tanteraka ny maso ka ohatra ny milalao amin'ny tenany ihany izany ny ekipa Rosiana.

Tsy ireo hanihany politika rehetra akory no mahakasika ny lalao Rosia-Korea Atsimo. Ity sary mahatsikaiky ity, izay nampiasa ny lohan'ny mpanentana Rosiana Dmitry Kiselev, dia nanao vazivazy ny fandrakofany momba an'i Okraina, amin'ny fampifangaroana ireo lokon'ny fanamian'i Brezila sy Meksika (mena sy mainty ho an'ny Faritra Havanana, mavo sy manga ho an'ny saina Okrainiana) :

Anonymous image found online. The caption reads: During the World Cup in Brazil a team of Banderovtsy could not win against the national team of the Right Sector.

Sary tsy misy tompony hita tao anaty aterineto. Izao no vakin'ilay soratra “Tsy nahavita nandresy ny ekipam-pirenen'ny Faritra Havanana ny ekipan'i Banderovtsy nandritra ny fiadiana ny Ambaora Eran-tany ao Brezila.”

Rehefa vita ny fandefasana ny lalao nifanandrinan'i Rosia sy Korea Tatsimo tamin'ny alina be, ka nazava fa tsy maintsy mandresy an'i Belzika mahakivy i Rosia raha te-hanana vintana kokoa hiandroso, dia nisy nanao fihetsika nampoizina, raha somary manao hatsikana:

Efa akaiky ny mangiran-dratsy. ‘Ndeha hanodikodina ireo fiara Koreana eny amin'ny làlako aho.

Ireo andro vitsy manaraka sy ny faharesen'i Espaina tampoka teo anoloan'i Chile dia nampisy fanantenana kely mendrika, saingy:

Miresaka ny trangan'ny ekipa Rosiana avokoa ny rehetra, nefa ny tena mampivarahontsana dia ny fivoaran'ny ekipa izay ahitana ny mpilalaon'ny Real Madrid sy Barcelona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.