Nahoana No Faly Amin'ny Fialàn'ny Governoran'i Michoacán Ny Olona Sasany

Fausto Vallejo

Fausto Vallejo. Sary avy amin'ilay mpisera Twitter @EjeCentral.

Iray amin'ireo fanjakana ao Meksika i Michoacán de Ocampo izay miorina ao andrefan'i firenena. Efa imbetsaka ny Global Voices no nitatitra mikasika ny fiverimberenan'ny herisetra mampivarahontsana ao amin'ity faritra ity.

Amin'izany toe-javatra izany, azo antoka ny vaovao nivoaka tamin'ny 18 Jiona 2014 fa handao ny asany ny governora Fausto Vallejo. Ilay mpanoratra gazety Joaquín López-Dóriga no namoaka ny fanambarana voalohany tao amin'ny Twitter:

Nanamafy i Joaquín López-Dóriga fa hametra-pialàna izy noho ny antony ara-pahasalamana, ary efa nampilaza ny @ EPN, araka ny efa nolazaiko.

Mpisera Madame Déficit naneho ny heviny mikasika ny fametraha-pialàn'i Vallejo:

Andro izay nandrasan'ireo Meksikana marobe fatratra! Nandao ny governemantan'i Michoacán ilay tsy mahavita azy @faustovallejof (voahodidina olona mpanao kolikoly).

Mitovy amin'izany ihany koa, nilaza i Homme Virtuel hoe:

Ofisialy ihany, nandao ny asany ilay governoran'i #Michoacán tsy misy ilàna azy. Ireo namany sisa no andrasantsika, avy aty Jalisco.

Efa nitatitra ilay mpanoratra gazety teo aloha Carlos Loret de Mola  fa nisy ny fihaonana voarakitra teo amin'ny zanaka lahin'i Vallejo sy ireo lohandohan'ny fikambanan-jiolahy, izay mety hisy fiantraikany hafahafa tokoa:

Me lo han confirmado tres fuentes del más alto nivel en el gabinete de seguridad del presidente Enrique Peña Nieto: Rodrigo Vallejo Mora, hijo del gobernador de Michoacán, aparece con Servando Gómez Martínez “La Tuta” en uno de los videos incautados en una casa de seguridad del Cártel de Los Caballeros Templarios.

Voamarina ireo loharanom-baovao telo avy amin'ireo ambaratonga fara-tampony ao amin'ny kabinetran'ny fiarovana ny Filoha Enrique Peña Nieto: Hita niaraka tamin'i Servando Gómez Martínez “La Tuta” i Rodrigo Vallejo Mora, zanaka lahin'ny governoran'i Michoacan tao anatin'iray amin'ireo lahatsary nalaina tao amin'ny trano voaambin'ny Tempolin'ny Manamboninahitra Mpitaingi-Tsoavaly.

Rehefa nanao fanadihadiana amin'ny tetidratsy politika hitazonana an'i Fausto Vallejo eo amin'ny fitondrana i Loret de Mola nanipika hoe:

El gobernador Fausto Vallejo dijo en Radio Fórmula a Joaquín López-Dóriga que se va a ausentar unos días de su cargo para someterse a un chequeo médico a mediados de junio. Podría ser una coyuntura.

Nilaza tamin'i Joaquín López-Dóriga tao amin'ny Radio Fórmula ny governora Fausto Vallejo fa tsy hoavy hiasa mandritra ny andro vitsivitsy izy fa hanao fizahana ara-pahasalamana amin'ny tapaky ny volana Jiona. Mety ho fotoana mampanahy tokoa izany.

Tsy ny zanaka lahin'i Vallejo ihany no voasaringotra amin'ny raharaham-pikambanan-jiolahy, fa ny “lefiny” teo aloha ihany koa izay niasa ho Sekretan'ny governemantan'i Michoacán, araka ny filazan'iCiro Gómez Leyva [es]:

De ahí la relevancia de la caída en desgracia del coordinador de la campaña de Fausto Vallejo al gobierno de Michoacán, dos veces secretario de Gobierno en esa administración y gobernador interino por seis meses, Jesús Reyna, hoy bajo arraigo y ya degradado políticamente por sus presuntos nexos con Los caballeros templarios.

Se prueben o no los vínculos (recuerdo las cuatro entregas publicadas aquí entre el 5 y el 8 de agosto pasado, sobre la forma en que Reyna y los suyos quisieron negar el secuestro del viejo ganadero Joaquín Ponce de León), el presidente Peña Nieto parece haber mandado la señal de que quien desobedezca las órdenes para enfrentar a los criminales no debería dormir tranquilo.

Izany no mampivoitra ny henatra eo amin'ny talen'ny fampielezan-kevitr'i Fausto Vallejo eo amin'ny toeran'ny governoran'i Michoacán, Jesús Reyna, izay indroa Sekretaran'ny governemanta tamin'izany fitondrana izany no governora vonjimaika mandritra ny enim-bolana, nosamborina izy ary efa very zo ara-politika noho izy voarohirohy miaraka amin'ny Mpitaingi-Tsoavalin'ny Tempoly.

Na voamarina na tsia ny fifandraisana ( tsarovy ireo andiam-baovao navoaka teto tanelanelan'ny 5 sy 8 Aogositra, mikasika ny fomba niezahan'i Reyna sy ireo “mpiara-miasa aminy” nandà ny fakàna an-keriny ilay lehilahy antitra mpiompy Joaquín Ponce de León), toa nandefa fambara ny Filoha Peña Nieto fa tsy ho tafavoaka mora foana ireo izay tsy mankatò ny baiko amin'ny fanenjehana ireo jiolahy.

Mikasika ny hoe ny filoha no nampandrenesin'i Vallejo mikasika ny fanapaha-keviny fa tsy ny mpifidy azy, Arih Uriel nilaza hoe:

Iza no nifidy an'i Fausto Vallejo? EPN sa ny mponina ao Michoacans? Ny filoha no nampandrenesiny voalohany ary avy eo tamin'ny alalan'nyTwitter ireo olom-pehezina, izany tokoa ve?

Mandritra izany, nanararaotra naneso ny fanambarana sy ny fisian'ny mpanjakan'i Espaina nitsahatra tsy ho mpanjaka intsony ao anatin'ny ora vitsy i Augusto Íñigo:

Tsy nandany fotoana amin'ny fijerena fifanojoan-javatra mampiahiahy intsony ireo mpiray tetidrasy fa tamin'ny andro nanaovan'ny mpanjakan'i Espaina sonia ny fametra-pialàny no nanasonia ny fametra-pialany koa i Fausto Vallejo.

Amin'izao fialàn'i Vallejo izao, tokony hanendry governora  vonjimaika hisahana ny asan'i Vallejo mandritra ny ambin'ny fe-potoa-piasany  ny Antenimiera mpanao lalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.