Lehilahy Syriana Namadika Ireo Fitaovam-piadiana Ho Zava-kanto

Efa navoaka tao amin'ny SyriaUntold ity lahatsoratra ity

Syrian artist Ali Abu al-Fawz decorates a rocket shell in Douma, Damascus. Source: Abu al-Fawz's facebook page.

Mpanakanto Syriana Ali Abu al-Fawz mandravaka fonona rokety ao Douma, Damascus. Sary: Abu al-Fawz's facebook page.

 Mamadika basy aman-tafondro ho zava-kanto. Izany no asan'ilay mpanakanto monina ao Douma, Akram Abu al-Fawz, izay manangona ireo balafomanga sy rokety ary mamadika izany ho zava-kanto sy haingo (ravaka) maro isan-karazany.

Voatery niala ny trano-fonenany i Abu al-Fawz, fantatra amin'ny anarana hoe Mohammad Douma ao amin'ny fiarahamoniny rehefa nodoran'ireo tafiky ny fitondrana Syriana ny tranony. Mino ity raim-pianakaviana 35 taona manan-janaka telo ity fa tsy latsa-danja noho ny ady an-tanety ao amin'ny firenena (Syria) ny asany.

“Tsy ho ampy ny fitaovam-piadiana mba hialàna amin'ny fanandevozana niainantsika,” hoy izy nanazava nandritra ny antsafa niarahana tamin'ny SyriaUntold. “Mila zava-kanto, kolontsaina sy sivilizasiona hananganana ny fahalalahantsika ihany koa isika.”

A girl sits on a rocket shell decorate by Abu al-Fawz. Source: the artist's facebook page

Zazavavy kely mipetraka eo ambonin'ny fonona rokety noravahan'i Abu al-Fawz. Sary: pejin'ilay mpanakanto ao amin'ny pejy Facebook

Nanjary iray amin'ireo faritra niharan'ny sazy be indrindra nefa mora milefitra ny tanànan'i Douma, miorina ao amin'ny tanàna manodidina an'i Damas hatramin'ny fiandohan'ny fitroaram-bahoaka tamin'ny volana Martsa 2011. Niha-nivadika ho faritra misokatra amin'ny ady ilay tanàna voalohany nanaovana fihetsiketsehana milamina goavana, fantatra amin'ny fandraisana anjara mavitrika momba ny zava-kanto sy ny famoronana ihany koa ny tanàna. Tahaka an'i Abu Ali al-Bitar, izay nahavita nanamboatra lapoaly, moto, fitaovam-panafody sy fitaovana momba ny mozika amin'ny alalan'ny basy rokety sy bala, manome fiainana tafala amin'ny fahafatesana i Abu al-Fawz.

Mbola miatrika fahasarotana goavana amin'ny fanohizana ny asany i Abu al-Fawz, manomboka amin'ny fivezivezena hatramin'ny tsy fisian'ny fitaovana. Mino anefa izy fa mendrika izany ny ezaka, ary manantena izy fa “indray andro any, hitondra fijoroana vavolombelona tamin'ny heloka bevava natao tamin'ny olombelona tao Syria” ireo zava-kanto ireo.

Syrian artist Ali Abu al-Fawz works on a rocket shell in Douma, Damascus. Source: the artist's facebook page

Mpanakanto Syriana Ali Abu al-Fawz miasa manamboatra zavatra amin'ny rokety ao Douma, Damascus. Sary: pejy Facebook-ny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.