Ankilan'ny Mondialy : Hetsi-Panoherana Any Brezila, Mpanoratra Migadra Any Kamerona

A banner reads "FIFA go home" during a protest in Rio de Janeiro against the hosting of the 2014 FIFA World Cup in Brazil. June 15, 2014. Photo by Nicson Olivier. Copyright Demotix.

Sora-baventy mivaky hoe “FIFA go home” (FIFA mody) nandritra ny hetsika tany Rio de Janeiro ho fanoherana ny fampiatranoana ny Mondialy FIFA 2014 any Brezila. 15 Jona 2014. Saripikan'i Nicson Olivier. Copyright Demotix.

Ity lahatsoratra ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny Pen American Center ary nahazoana alalana ny famoahana azy eto indray.

Raha mbola miteraka fientanentanana hatrany moa ny Mondialy, andao hojerentsika akaiky ny resaka fanohintohinana fahalalaha-pitenenana sy zon'olombelona konokononina ao ambadiky ny lohateny manjelanjelatra.

Mankalaza fandresena azo tamin-kerimpo tamin'ity herinandro ity manoloana ny ekipa kingan'i Ghana i Etazonia, saingy mbola mahazo ny karatra menan'ny fahalalaham-pitenenana mifototra amin'ny fitsikilovana ataon'ny NSA i Etazonia. Ary i Kamerona izay nahazo ny fon'ny mpitia baolina manerana izao tontolo izao taloha, dia mahita ny zavabitany ambony kianja mirazotra amin'ny fomba fikarakarana ny mpanoratra sady mpanoratra gazety Enoh Meyomesse tafahitsoka ambany dia ambany, satria mbola navela ho ao am-ponja na dia mihemo-dava aza ny fitsarana azy.

Ao Brezila, nitohy ny fidinana an-dalambe manohitra ny fandaniam-bola natao tamin'ny kianja, saingy mora nampanginina kokoa noho ny fihetsiketsehana nahazoana olona an-tapitrisany tamin'ny herintaona izay. Ny hetsika an-kianja voalohany dia nanomboka mialoha ny lanonam-panokafana, rehefa nanandratra sora-baventy hiarovana ny zon'ny vazimba teratany hanana tany manoloana ny fanaovana trafikan-kazo [fanapahana hazo] sy “fidirana an-tanin'olona” tsy ara-dalàna ilay zanaky ny Guarani mpanoratra Olívio Jekupe. Voasivana tsy ho hitan'ny fahitalavitra iraisampirenena moa io sora-baventy io.

Tsy mazava loatra moa raha nanery an'i Brezila hanangana fitsarana manokana (kangaroo courts) tahaka izay nataony tany Afrika Atsimo ny FIFA na tsia, izay nampiasaina hanasazy hatramin'ny famonjana 15 taona ao anatin'ny 24 ora. Maro ny tsaho fisian'ny hafetsifetsena nataon'ny mpijery mpanohana, tahaka ny Breziliana nividy am-pitaka ny tapakila ho an'ny sembana tsy afa-mandeha nefa nitsangana niala tamin'ny sezakodiany nandritra ny fotoana nampientanentana tao anatin'ny lalao, na ireo Argentina mpanohana mihiaka tenim-panavakavaham-bolonkoditra.

Mandritra izany fotoana izany, mihamitombo ny fankatoavana fa zavadehibe ny fahasamihafana ho an'ny ekipa miady ny tompondaka manerantany raha te-hahomby amin'ny lalaony. Ny Tambajotra Fusion nanao fanangonan-kevitra momba ny anjara toerana lehibe ananan'ny mpifindramonina ho an'ny ekipam-pirenen'i Etazonia, ary ny Global Post mifantoka amin'ireo mpifindramonina any amin'ny ekipa iraisampirenena.

Ary ho an'ny mpanoratra etoana kosa, jereo ny Mondialin'ny Literatiora, navoakan'ny Three Percent, izay ahitana antontam-boky avy amin'ny firenena 32 mifaninana ao anatin'ny fitsoratsorahan'ny mpilalao sy ny kiririokan'ny mpitsara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.