Mampahafantatra Momba Ireo Mpilatsaka An-tsitrapo Mamelona Ny Wikipedia Ity Kaonty Twitter Ity

Photo of some of the Wikipedians. Image courtesy @WeareWikipedia Project Facebook page

Sarin'ny sasany amin'reo mpamelona ny Wikipedia: Sary avy amin'ny pejy Facebook tetikasa @WeareWikipedia

Subhashish Panigrahi dia mpandray anjara mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Wikipedia ary taloha dia mpanohana ara-pandaharanasa tao amin'ny Fikambanambe Wikimedia Foundation .

Anisan'ny mahaliana ny fiainan'ny mpanitsy lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia. Amin'ny ankapobeny, mpanitsy lahatsoratra eo ho eo amin'ny 100 000 no manitsy ireo lahatsoratra 30 tapitrisa amin'ny teny 287 ao amin'ny Rakipahalalana (encyclopédie) antserasera ifarimbonana, ka 4,5 tapitrisa mahery amin'izay dia ao amin'ny Wikipedia teny Anglisy. Mandany fotoana betsaka amin'ny fandraisana anjara sy aminn'y fanitsiana lahatsoratra izy ireo, fa tsy misy tambin-karama (miasa an-tsitrapo ireo mpanitsy lahatsoratra) ary tsy dia mahazo fankasitrahana firy avy amin'ny olona – misongadina amin'ny alalan'ny solon'anarana mitoetra eo amin'ny tantaran'ny fanovana na fanitsiana lahatsoratra ny asan'izy ireo.

Miezaka mampahafantatra mazava ity asa-mafin'ireo “Wikipediana” ity ny fisantaran'andraikitra iray ankehitriny. Tetikasa tsy ofisialy mamondrona ireo mpanitsy lahatsoratra isan-karazany isan-kerinandro ny WeAreWikipedia mba hanasongadinana vaovao mikasika ireo pejy Wikipedia ankafizin'izy ireo indrindra ary misioka izany amin'ny alalan'ny fampiasana ny kaonty @WeAreWikipedia. Hatramin'izao, olona 19 misolotena teny 17 ao amin'ny Wikipedia no misahana ny kaonty.

Nanazava tao amin'ny bilaoginy ny WeAreWikipedia fa ny tetikasa dia nalaina avy tamin'ilay rotation curation (fifandimbiasam-piadidiana) ataon'ny kaonty @WeAreBangalore, kaonty noforonin'ireo mpahay paika ara-media sosialy avy ao an-tanànan'ny Indiana ao Bangalore tamin'ny volana Oktobra 2013 ho fananganana sehatra hoan'ireo Bangaoreana hitantarany ny zava-misy, hanomezany ny heviny na koa hifandray tsotra izao amin'ireo mpisera media sosialy mavitrika ao amin'ny faritra.
 

Mpandrindra: Maro aminareo no tsy mahafantatra fa ireo mpamelona ny Wikipedia antsika teo aloha @psubhashish dia nanome aingam-panahy ho anay ary nanomboka nanao ny #RoCur @WeAreWikipedia manerantany izahay 🙂

Ny fihodinan'ny @WeAreBangalore dia aingam-panahy avy amin'ilay kaonty nahitam-pahombiazana goavana @sweden, izay niverina tao amin'ny kaonty Twitter hoan'ireo Soedoà izay miova isan-kerinandro manao karazana fiadidiana fandaharan'asan’ ambasadaoro amin'ny maha-olom-pirenena tsotra.

Mitantara ny momba azy ireo manokana ihany koa ireo mpiadidy ny WeAreWikipedia ary manazava ny lafiny ara-teknikan’ny famoahana sy ny fanitsiana lahatsoratra Wikipedia amin'ireo mpamaky izay mangataka izany.

Na aiza na aiza alehako, dia mahay mandray olona sy misokatra amin'ny fiarahamiasa ireo Wikipediana any amin'ny faritra.  Nahazo namana manerana izao tontolo izao aho.

Matetika ireo mpiadidy no mampifantoka ny siokany amin'ny fiteniny ao amin'ny Wikipedia sy ny fireneny. Vehivavy mpamoaka lahatsoratra roa avy ao India, Noopur Raval sy Netha Hussain, nanokana ny maro tamin'ireo lahatsoratra navoakany amin'ny zavamisy momba ny zon'ny vehivavy, ny olana sy ny fampandrosoana ao India ary mamelona ny kaonty mandritra ny Women’s History Month (Volan'ny Tantaran'ny Vehivavy) isaky ny volana Marsa. Nisarika ny saina ihany koa izy ireo tamin'ny edit-a-thon (hazakazaka manao fanitsiana lava indray mandeha ao anatin'ny andro iray na maromaro mifampitohy) nokarakarain'izy ireo tao Bangalore izay namondrona vehivavy 90 hamoaka lahatsoratra manakaiky ny 77 mifandraika amin'ny vehivavy ao India.

Mariona Aragay, mpanitsy lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia Katalàna, nanao antso mampifandray ireo vehivavy mpanitsy lahatsoratra tamin'izy mbola nitantana @WeAreWikipedia: 

Amin'ny maha-Wikipediana ahy, manahirana ahy ny fahavitsian'ireo vehivavy mpanitsy lahatsoratra: raha vehivavy mpankafy ny wikipedia ianao, ampahafantaro anay ny traikefanao

Manasongadina ireo hetsiky ny fikambanana ihany koa ireo mpiadidy, tahaka ny Odisha Dibasa 2014, fihaonan'ny fikambanana Wikipedia amin'ny teny Odia notontosaina tamin'ny faran'ny volana Marsa 2014 tao amin'ny renivohitry ny firenena Indiana Odisha, faritra mampiasa be indrindra ny teny Odia.

Diptiman Panigrahi, mpanitsy lahatsoratra amin'ny teny Odia izay niadidy ny @WeAreWikipedia nandritra ny hetsika, no niresaka momba ny herinandrony tao amin'ny lahatsoratra bilaogy iray nataony hoan'ny Foiben'ny Aterineto sy ny Fiarahamonina ao India:

It was a wonderful experience curating WeAreWikipedia without even much time. Meeting the entire Wikimedia global community was even more fun when I was telling happenings of my own community. I hope to take part in more of such collaborative global issues like this.

Traikefa mahafinaritra tokoa ny miadidy ny WeAreWikipedia na dia tsy mana-potoana betsaka aza. Fa mbola mahafinaritra kokoa ny mihaona amin'ireo mpikamban'ny Wikimedia manerantany rehefa mitantara izay zava-mitranga ao amin'ny fikambanana misy ahy aho. Manantena aho ny mbola handray anjara amin'ny hetsika fiarahamiasa manerantany tahaka izao.

Azonao arahina ao amin'ny Twitter, Facebook ary ao amin'ny bilaogin'izy ireo ny WeAreWikeipedia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.