Niharan'ny Fanafihana DDoS Goavana Ny Habaka Saika Hampiantrano Fitsapa-kevi-bahoaka Antserasera Ao Hong Kong

Digital attack map, June 14. Destination: Hong Kong.

Saritanim-panafihana nomerika, 14 Jiona. Toerana haleha: Hong Kong.

Andro vitsy mialoha ny fitsapa-kevi-bahoaka (referendum) antserasera mikasika ny zo hifidy izay karakarain'ny olo-tsotra , niharan'ny fanafihana DDoS mafonja ny sehatra teknika izay nokasain'ireo mpikatroka hampiasaina hoan'ity fitsapan-kevi-bahoaka ity.

Manomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 Jiona, hasaina ireo olom-pirenena mba hifidy amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka mikasika ny fanitsiana lalàmpanorenana izay miantoka ny zo hifidy hoan'ny olom-pirenena rehetra amin'ny fifidianana izay hamaritra ny ho filoha mpanatanteraka hitantana ny tanàna.

Mba hampisy ny marimaritra iraisan'ny vahoaka manodidina ilay tolo-kevitra sivily vao haingana mikasika ny fifidianan'ny sarambabe, dia nanendry ny Fandaharan'asa momba ny Hevi-bahoaka (Public Opinion Programme) ao amin'ny Oniversiten'i Hong Kong sy ny Foibem-pianarana Politika Sosialy ao amin'ny Oniversite politeknikan'i Hong Kong ny vondron'olom-pirenena “(Bodoy miaraka amin'ny Fitiavana sy ny Filaminana ny Afovoan-tanàna” mba hampiantrano ny fitsapa-kevi-bahoaka ao amin'ny lohamiliny.

30 ora taorian'ny fanandramana nataon'ny Fandaharan'asa momba ny Hevi-bahoaka (POP) avy ao ami'ny Oniversiten'i Hong Kong mikasika ny rafitra antseraserany amin'ny fanekena ny fampidirana mialoha ny anaran'ny mpifidy tamin'ny 13 Jiona, dia niharan'ny fanafihana fandavana servisy (DDoS) goavana indrindra teo amin'ny tantarany ilay rafitra. Nanaisotra ny tolotrany amin'ity tetikasa ity avy eo ny roa tamin'ireo mpamatsy servisy fampiantranoana.

Notsikeran'ireo vondrona politika mpanohana an'i Beijing ity fitsapa-kevi-bahoaka karakarain'olo-tsotra ity, niteraka fifandirana mikasika ny fomba fanendrena kandida. Hongkongey maro no mihevitra fa ny fanendrena kandida avy amin'ny komity mpanendry dia toy ny rafitra fanivanana mba hanilihana kandida izay tsy metimety amin'i Beijing.

Araka ny fanambarana an-gazety navoakan'ny POP HKU tamin'ny 16 Jiona, dia ny Servisy Aterineto Amazon (AWS), Cloudflare ary UDomain no mampiantrano ny rafi-pifidianana. Niharan'ny fanafihana goavana DDoS ireo servisy telo mampiantrano ireo tamin'ny 14 sy 15 Jiona. Nandrakitra fandondonana rafitra in-10 miliara tao anatin'ny 20ora ny AWS, nandrakitra DDoS 75GB isa-tsegondra kosa ny CloudFare ary 10Gb isa-tsegondra ny UDomain.

Satria henjana ny fihanaky ny fanafihana, voatery nampiato vonjimaika ny servisiny ireo mpamatsy servisy telo ireo. Nihevitra ny manam-pahaizana iray fa mety ho solosaina 5000 farafahakeliny saingy azo heverina ho solosaina maherin'ny 10.000 no tafiditra amin'ity fanafihana ity.

Tamin'ny 16 Jiona, nanapa-kevitra hijanona tsy hanome servisy fampiantranoana DNS hoan'ny HKU POP i Amazon ary nanaisotra ny servisiny amin'ny rafitra fiarovana ny UDomain. Cloudflare sisa ankehitriny no mpamatsy tolotra tokana hanohana ity rafi-pifidianana ity.

Nandefa sarintanim-panafihana nomerika tao amin'ny pejy Facebook-ny i Anthony, manam-pahaizana momba ny fiarovana ny teknolojia vaovao sy ny informatika, nampitaha ny fanafihana teo amin'ny 10 Jiona sy 14 Jiona (jereo ny ery ambony), taloha sy taoriana ny fanandramana nataon'ny HKU POP tamin'ny rafi-pifidianana:

Digital Attack Map on June 10. Destination Hong Kong.

Sarintanim-panafihana nomerika tamin'ny 10 Jiona. Toerana Kinendry: Hong Kong.

Miasa mitady vahaolana manoloana ny fahosan'ny rafi-pifidianana ny POP HKU. Mieritreritra hampiasa laharana an-tariby 125 izy ireo amin'ny fifdianana, saingy vato 70 000 ao anatin'ny 12 ora ihany no zakan'izany. Manantena hahazo mpifidy 300 000 handray anjara amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka hoan'ny olom-pirenena ny OCLP.

Tamin'ny taona 2012, efa notafihan'ny DDoS ihany koa ny POP HKU raha nampiantrano sarisarim-pifidianana hoan'ny sarambabe amin'ny fifidianana filoha mpanatanteraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.