Nosokafana Indray Ny Media Sosialy Ao Iràka, Fa Mety Hisy Ve Ny Ratsiratsy Kokoa?

The Iraqi Ministry of Communications blocked social media sites yesterday. This message states that Twitter has been blocked "due to the security situation in Iraq." Photo source: Collin Anderson, shared on Twitter

Nakaton'ny Minisitera Irakiana misahana ny Serasera Omaly (14 jona) ny tambajotran-tserasera. Milaza io hafatra io fa nakatona ny Twitter “noho ny antony ara-piarovana ao Iràka.” Loharanontsary: Collin Anderson, nozaraina Twitter

Mandeha ny tatitra an-tserasera momba ny fisokafana amin'ny ampahany ny tambajotran-tserasera sy ny tranonkala manernaa an'i Iràka.

Nitatitra [mg] ny Global Voices Advocacy omaly fa nanome baiko ireo orinasan-tservisin'aterineto omaly (14 jona) ny minisitera irakiana misahna ny serasera hanakatona ny Facebook, Twitter ary ny YouTube, ankoatra ireo habaka hafa, sy ny servisy tahaka ny Skype, sy ny servisim-pifandraisana an-tserasera amin'ny resaka  (feo) tahaka ny Viber sy ny WhatsApp.

Minitra maromaro lasa izay no nitatitra ny Irakiana blaogera Hamzoz [ar]:

Nanaisotra ny fanakatonana ny habaka sy ny fampiharana ny Jazeera Net, saingy tsy mbola nanao izany kosa fa manohy amin'ny fanakatonana ireo habaka ny Earthlink, orinasan-tservisy aterineto lehibe indrindra

Saingy nampitandrina ny Libaney mpikatroka Mohamad Najem :

Jerena ho nesorina amin'izao fotoana izao ao Iràka ny fanakanana ny tambajotran-tserasera, ny atahorana dia ny fahavononan'ny governemanta hanapaka ny aterineto!

Araka ny nambaran'ny mpanoratra gazety Martin Chulov, dia nosakanana ny Facebook hampitsaharana ny mpikamban'ny Fitondrana Islamika ao Iràka sy Siria, izay miady ao Iràka amin'izao fotoana izao, “tsy handamina sy hanetsika” ny olona.

Fanazavana hafa avy amin'ny  Minisiteran'ny Serasera, izay namoaka hafatra omaly, tao amin'ny pejy Facebook-ny fa fa ny anton'ny fanakatonana aterineto tsikelikely manerana an'i Iràka amin'ny 15 jona dia ho “fikojakojana ny hosina.” Tsy mazava moa raha mifandray amin'izany drafitra izany na tsia ny fanakatonana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.