Ahoana Ny Amin'ireo Maherifo Tsy Fantatra Any Bermuda?

Bermuda's Flag; image by dmitri_66, used under a CC license.

Sain'i Bermuda; sary an'i dmitri_66, nampiasaina teo ambany famelanà CC.

Fomban-drazana ankalazaina any amin'ireo faritra vitsivitsy any Karaiba ny Androm-pirenena ho an'ireo Maherifo, saingy any Bermuda dia misy lahateny anaty aterineto momba ny antony sy ny tantaran'ny androm-pirenena ho fialan-tsasatra. Ny mampihomehy dia nanapa-kevitra ny tsy ilaza ny anaran'iza na iza voakasika amin'ny fankalazana amin'ity taona ity ny governemanta bermudiana, na dia notsindriny aza ny mahazava-dehibe izany. 

Nampisahotaka ny bilaogy catch a fire ( sambory ny afo) ilay fifanoherana, izay nanamarika fa hatramin'ny nisiany tamin'ny 2008 dia nampifanditra ilay andro fialan-tsasatra. Nofintinin'ilay mpitoraka bilaogy ny antony mampisy ny fanahiana be eo amin'ny vahoaka: 

Fototry ny tsikera ilay andro tsy fiasana … ho an'ireo izay mihevitra fa ompa ho an'ny fanjakana ( ny fanoloana ofisialy ny andro tsy fiasana noho ny tsingerintaona nahaterahan'ny Mpanjakavavy, izay mitohy amin'io andro io ihany ny matso na izany aza), na koa hoe fikononkononana fanavakavaham-bolon-koditra ambadika ataon'ny PLP (Progressive Labour Party: Antokon'ny Mpiasa Mivoatra izay mipetraka eo amin'ny toeran'ny mpanohitra amin'izao fotoana izao), na tsy nahomby tamin'ny fametrahana fomba mazava hisafidianana maherifo iray isan-taona, i Lois Browne-Evans no maherifom-pirenena voaresaka tanatin'ny fankalazana nanomboka tamin'ny 2008 ka hatramin'ny 2011 rehefa nisy mahery fo telo hafa fanampiny niara-tsarovana tamin'io andro io- i Pauulu Kamarakafego, ny Dr EF Gordon sy i Henry Tucker; ary i Mary Prince no fototry ny fankalazana tamin'ny 2012, ary noho ny tsy fahampiana, dia mbola ireo ihany tamin'ny 2013).

Mbola nampametram-panontaniana ihany koa ny zotra natao hifidianana ireo maherifom-pirenena : 

Ny azoko dia ny hoe amin'ny alàlan'ny fanendrena atao ao amin'ny komisiona/komity – mifandray amin'ny Departemantan'ny Vondrom-piarahamonina sy ny Raharaha Ara-kolontsaina– izay hanome lisitra fohy mirakitra ireo mpifaninana avy eo mba hosafidian'ny Minisitra, ary atao isan-taona izany.

Tsy izay no niseho, ary tsy mbola mazava ny fomba nifidianana ireo maherifo  na, matetika, tsy voafidy. 

Izay mandiso fanantenana.

Noheverin'i Vexed Bermoothes fa manao izay hahasarotra io olana io fotsiny ireo mpanao politika:

Ny olana amin'ny ‘androm-pirenena ho an'ny maherifo’ dia ny fahamaikan'ireo mpanao politika hitonon-tena ho maherifo. Tsy izany no fandehany ry akama a.

Neken'i catch a fire fa ny teboka manontolon'io hetsika io dia :

Ho fahatsiarovana ireo maherifom-pirenena mbola velona…sy…ireo maherifom-pirenena taloha izay raha tsy izany dia mety ho adino, ary araka izany dia manampy amin'ny fananganana ny fankafizana ny harem-pirenentsika.

Ara-tantara, dia tsapany fa nanana fiantraikany amin'ny fahatsiarovan-tena manoloana ireo endrika sasantsasany amin'ny harem-pirenen'i Bermudaireo olana ara-bolon-koditra :  

Noho ny tsy fifandanjan-kery amin'ny resa-bolon-koditra fahita matetika tanatin'ny tantarantsika, saika voafafa amin'ny ampahany lehibe ao anatin'ny rakitra ara-tantara ny tantaran'ny ‘Mainty’ – eny tokoa, ‘nofafàna tsy an-kiato’ angamba no fehezanteny tsaratsara kokoa ilazana azy noho ny hoe ‘voafafa’ tsotra izao.

Ary izany “ampahany lehibe” izany dia midika fa tsy fantatra ireo maherifom-pirenena tena lehibe – tsy voatahiry izy ireo ary dia tsy fantatra ihany koa. Nofotsiana ara-bakiteny ny tantarantsika – sady nosivanina tanatinà fomba fanavakavahana ara-pananahana ho fanombohana. 

Na dia izany aza anefa, betsaka ireo maherifo, teo amin'ny tantara amin'izao fotoana, izay mety sy tsy tokony nitodihan'ny Androm-pirenena ho an'ireo Maherifo, miampy ny hetsi-panentanana ho fanabeazana ny vahoaka, manerana ny volon-koditra sy ny fananahana.

Nofaranan'ilay mpitoraka bilaogy tamin'ny fanomezana sosokevitra hafaentina ankalazana ilay andro mba hisian'ireo maherifom-pirenena bebe kokoa hofantarina any aoriana: 

Ho an'ireo maherifo izay tsy voarakitra tany aloha dia tokony afaka nanokana andro iray ‘fahatsiarovana’ amin'ny ankapobeny izay ifantohana amin'ireo tsy rariny nisy tany aloha sy ny fanoherana natao azy ireo isika.

Na koa mety ho andro fahatsiarovana iray amin'ny ankapobeny (tahaka ny amin'ity taona ity) ny Androm-pirenena ho an'ireo Maherifo ka havela hamaritra izay maherifom-pireneny avy ny tsirairay.

Izay manana ny fahamendrehany, nefa tsapako fa misy zavatra tsy ampy amin'ny hetsika fanabeazana mba hanazavàna bebe kokoa ny harem-pirenena iombonantsika (ireo maina sy ireo hafa) ary hanampy hanainga ny olona ho lasa maherifom-pirenena rahatrizay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.